Ahoana no hanampiako na hanovako fanazavana momba ny fanambadiana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Share

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ny fifandraisan’ny mpivady dia mampifandray ireo olona nivady ara-dalàna, izay niara-nipetraka, niara-niaina, na nanan-janaka, na raha tsy izany dia nihevitra ny tenany ho mpivady izy ireo.

Miseho miaraka amin’ny fifandraisan’ny mpivady ireo zava-nitranga momba ny fanambadiana. Ireo zava-nitranga ireo dia manoritsoritra ny niantombohan’ilay fifandraisana sy ny niafaran’izany. Azonao atao ny mampiditra, manova, ary mamafa karazana zava-nitranga karazany 5 tao anatin’ny fanambadiana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana:

  • Fanambadiana
  • Fisaraham-panambadiana
  • Fanafoanana
  • Fanambadiana ara-pomba
  • Niara-nipetraka

Afaka manana zava-nitranga momba ny fanambadiana mihoatra ny iray ny mpivady iray. Afaka mamafa ny verin-droa amin’ny zava-nitranga iray ianao.
Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fisehon’ny fampahalalana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ireo zava-nitranga momba ny fanambadiana. 

  • Rehefa manana vady mihoatra ny iray ny olona iray dia miseho araka ny filaharan’ny zava-nitranga momba ny fanambadiana ireo vady.
  • Ny daty voalohany indrindra dia miseho ao amin’ny efajoro ho an’ny mpivady ao amin’ny pejin’ny Olona.

Ny habetsaky ny fampahalalana momba ny fanambadiana hita ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia miovaova arakaraka ny endrika isehoan’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Ireo dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch dia tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Avy eo dia tsindrio ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona eo amin’ny hazon’ny tetiarana.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay olona. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anaran’ilay olona.
  4. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  5. Mandehana mankany amin’ny fizarana hoe Mpikambana ao amin’ny fianakaviana.
  6. Tsindrio ilay sary famantarana ny pensilihazo eo akaikin’ilay zava-nitranga momba ny fanambadiana ho an’ireo mpivady.
  7. Hampiditra zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ny Hampiditra zava-nitranga.
    2. Tsindrio ilay tsipìka midina, ary tsindrio ilay karazana zava-nitranga.
    3. Ampidiro ny daty sy ny toerana.
    4. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa marina ny mombamomba ilay zava-nitranga.
    5. Tsindrio ny Hitahiry.
  8. Hanova ny zava-nitranga momba ny fanambadiana izay efa misy:
    1. Tsindrio ny sary famantarana ny pensilihazo ho an’ireo mpivady.
    2. Tadiavo ilay zava-nitranga efa misy, ary tsindrio ilay sary famantarana ny pensilihazo.
    3. Manaova fanovana.
    4. Hazavao ny fomba ahafantaranao fa marina ny fiovana nataonao.
    5. Tsindrio ny Hitahiry
  9. Hamafa zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ny sary famantarana ny pensilihazo ho an’ireo mpivady.
    2. Tadiavo ilay zava-nitranga efa misy, ary tsindrio ilay sary famantarana ny pensilihazo.
    3. Tsindrio eo amin’ny ambany ankavian’ny efijery fanovan-javatra ny Hamafa ny Zava-nitranga.
    4. Mampidira antony namafana ilay zava-nitranga.
    5. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (application mobile)

  1. Ao amin’ilay application Arbre familial ho an’ny finday, dia mandehana ao amin’ny Pejin’ny olona ho an’ilay olona na vady.
  2. Tsindrio ny Vady.
  3. Tsindrio ilay sary famantarana ny pensilihazo eo akaikin’ny teny iditra hoe Fanambadiana.
  4. Hampiditra zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ny Hampiditra zava-nitranga.
    2. Tsindrio ilay tsipìka mdina ary tsindrio ny karazana zava-nitranga.
    3. Ampidiro ny daty sy ny toerana.
    4. Tsindrio ny Hanoy.
    5. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa marina ny mombamomba ilay zava-nitranga.
    6. Tsindrio ny Hitahiry.
  5. Hanova ny zava-nitranga iray tao anatin’ny fanambadiana izay efa misy:
    1. Tsindrio ny sary famantarana ny pensilihazo ho an’ny zava-nitranga momba ny fanambadiana izay tianao hovaina.
    2. Tsindrio ny Hanova.
    3. Azonao atao ny manova ny karazana zava-nitranga sy ny daty ary ny toerana.
    4. Hazavao ny antony maha-marina io fampahalalana io.
    5. Tsindrio ny Hitahiry
  6. Hamafa zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ilay sary famantarana ny pensilihazo ho an’ny zava-nitranga momba ny fanambadiana izay tianao hofafana.
    2. Tsindrio ny Hamafa ny Zava-nitranga momba ny fanambadiana
    3. Hazavao ny antony hamafanao io zava-nitranga io.
    4. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (Family Tree Lite)

Afaka mampiditra zava-nitranga momba ny fanambadiana karazany 4 ao amin’ny Family Tree Lite ianao: Fanambadiana, fisaraham-panambadiana, fanambadiana ara-pomba, ary Fanafoanana. Tsy hita ao amin’ny Family Tree Lite ilay zava-nitranga Niara-nipetraka. Mba hampidirana ilay zava-nitranga Niara-nipetraka dia ampiasao ny tranonkalan’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana na ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny finday.
 

  1. Midira ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Mankanesa any amin’ny Pejin’ny Olona an’ilay olona na vady.
  3. Tsindrio ny sary famantarana ny pensilihazo ho an’ny fampahalalana momba ny fanambadian’ilay mpivady.
  4. Hampiditra zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ny fizarana Zava-nitranga momba ny fanambadiana, dia tsindrio ny Hampiditra zava-nitranga.
    2. Tsindrio ilay tsipìka midina, dia tsindrio ny karazana zava-nitranga ho an’ilay mpivady.
    3. Ampidiro ny daty sy ny toerana.
    4. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa marina ny mombamomba ilay zava-nitranga.
    5. Tsindrio ny Hitahiry.
  5. Hanova ny zava-nitranga momba ny fanambadiana izay efa misy:
    1. Tsindrio ilay zava-nitranga.
    2. Tsindrio ny Hanova
    3. Azonao atao ny manova ny karazana zava-nitranga sy ny daty ary ny toerana.
    4. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa marina ny mombamomba ilay zava-nitranga.
    5. Tsindrio ny Hitahiry.
  6. Hamafa zava-nitranga momba ny fanambadiana:
    1. Tsindrio ny zava-nitranga momba ny fanambadiana izay tianao hofafana.
    2. Tsindrio ny Hamafa.
    3. Hazavao ny antony hamafanao ilay zava-nitranga.
    4. Tsindrio ny Hamafa.

Olana ara-teknika

  • Raha tsy afaka mampiditra datin’ny fanambadiana ianao dia mety hoe satria tsy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny iray amin’ireo mpivady. Ireo mpivady roa ireo dia tsy maintsy miseho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana alohan’ny ahafahanao mampiditra fampahalalana momba ilay fanambadiana. Afaka mahita sy manapaingotra vady ianao na mamorona firaketana.
  • Mahita fahadisoana toy izao ianao: "Tsy nahomby ny fitahirizana. Efa misy io fampahalalana io." Ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia mamela anao hampifandray zava-nitranga iray amina fitambarana daty sy toerana iray. Raha efa misy iray ao dia tsy afaka manampy iray hafa ianao mba hampifanaraka izany. Aleo fafana ny zava-nitranga izay diso.

Lahatsoratra mifandray amin’ireo

Ahoana no hampilaharako araka ny datin’ny fanambadiana ireo vady ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Diso ny vadin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana
Ahoana no hamerenako amin’ny laoniny ireo fifandraisana voafafa ho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hanehoako fa tsy nanan-janaka na tsy mbola niaraka tamin’olona velively ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hanehoako fa tsy nanan-janaka mihitsy ny mpivady iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?