Ahoana no hampidirako havana mbola velona ao amin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Share

Mampifandray anao amin’ireo razambenao efa nodimandry ny fampidirana taranaka velona. Ohatra, ny fampidirana ny ray aman-dreninao mbola velona dia mamela anao hifandray amin’ireo raibe sy renibenao efa nodimandry.

Alohan’ny hanombohanao

Rehefa mampiditra fampahalalana momba ireo havana mbola velona ianao dia araho azafady ireto torolalana ireto:

  • Aza mampiditra fampahalalana momba ireo olona mbola velona raha tsy nahazoana lalana avy tamin’izy ireo.
  • Aza mampiditra fampahalalana azo heverina fa mety hanohintohina. Mba hanampiana anao amin’io ezaka io dia nataonay tsy azo hidirana ihany koa ny faritra fenoina sasany izay mety ho azo heverina fa hanohintohina. Ireo zavatra ireo dia fifanakalozan-kevitra, famantarana ny zom-pirenena, firazanana, foko, anaran’ny saranga eo anivon’ny fiarahamonina, anaran’ny clan, foko, bar mitzvah, bat mitzvah, ary ny fivavahana arahana.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia diniho ihany koa ilay fifanarahana momba ny fandefasan-javatra an’ny FamilySearch.

Aiza no hampidirana ireo havana mbola velona

Manoro hevitra ny hanaovana ireto manaraka ireto izahay:

  • Hazon’ny tetiarana manokana (Hazon’ny tetiarana ao amin’ny FamilySearch). Raha mitantana hazon’ny tetiarana manokana ianao dia mampidira olona mbola velona betsaka ao amin’ny fianakavianao mba hahafahanao mifandray amin’ireo razambenao efa nodimandry. Ianao irery ihany no afaka mahita ireo havana velona ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana.
  • Hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Raha te hampiditra fampahalalana bebe kokoa momba ireo olona mbola velona ao amin’ny fianakavianao ianao dia manoro hevitra izahay ny hanaovanao izany ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Ao anatin’izany ianao dia afaka mamorona vondrom-pianakaviana mba hizarana ny fampahalalana sy hamporisihana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana misy eo amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao.

Fampahalalana takina

Raha hampiditra olona vaovao iray dia tsy maintsy mampiditra fanampin’anarana na anarana ianao farafahakeliny, milaza hoe lahy sa vavy ilay olona, ary manisy marika hoe maty na velona.

Ireo dingana (tranonkala)

  1. Rehefa tafiditra ao amin’ny FamilySearch.org, dia tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary avy eo dia tsindrio ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Raha ilaina dia ampiasao ilay tsipìka eo amin’ny lisitra mitandahatra midina eo ambony havanana mba hisafidianana ny endrika isehoan’ny hazon’ny tetiarana izay tianao ampiasaina. Dia tohizo etsy ambany ireo dingana ao amin’ny fizarana mifanaraka amin’ny endrika isehoan’ny hazon’ny tetiaranao.
    • Tsy mbola azo aseho amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fampiasana ny fijerena ny Razambe Voalohany, na ny fijerena Ara-taranaka, na ny fijerena amin’ny endrika Tabilao miendrika fikopahana ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.

Fijerena Mivelatra, amin’ny Tabilao miendrika fikopahana, ary Ara-taranaka

  1. Tsindrio ny anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mivantana.
  2. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anaran’ ilay olona.
  3. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  4. Mandehana mankany amin’ny fizarana hoe Olona ao amin’ny fianakaviana.
  5. Tsindrio ny rohy mifanaraka amin’izany (Hampiditra vadyHampiditra zanaka, na Hampiditra ny ray na ny reny).      
  6. Ampiasao ny vakizoro mifanaraka amin’izany mba hampidirana ilay olona:
    • Amin’ny anarany. Ampidiro ireo antsipiriany, tsindrio ny Hoe Velona, avy eo dia tsindrio ny Manaraka. Hamarino ny fampahalalana dia tsindrio Hamorona olona.
    • Hazon’ny tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Tsindrio ity vakizoro ity mba handikana olona iray avy ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana ho ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray. Dia tsindrio ny anaran’ilay olona. (Io safidy io dia misy rehefa manampy olona iray ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.)
    • Amin’ny Laharam-pamantarana. Raha fantatrao ny laharam-pamantaran’ilay olona, ary raha ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana ilay olona na ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana izay misy anao, dia tsindrio ity vakizoro ity, ampidiro ny laharam-pamantarana, ary tsindrio ny Manaraka.

Fijerena mitsangana

  1. Ampiasao ireo zanatsipìka mba hampivelarana ilay hazon’ny tetiarana hampisehoana an’ilay olona hoe olona ao amin’ny fianakavian’iza no tianao ampidirina.
  2. Sokafy ny safidy fampidirana mifanaraka amin’izany:
    • Ray aman-dreny. Tsindrio ilay sary famantarana ^ eo ambonin’ny takelaka misy ilay olona. Avy eo dia tsindrio ny Hampiditra ray na Hampiditra reny.
    • Zanaka, na vady, na mpiray tampo. Tsindrio ilay + eo amin’ny sarin’ilay olona ary safidio ny safidy mifanaraka amin’izany. (Mba hampidirana mpiray tampo dia tsy maintsy mifandray amin’ny ray na reny iray aloha ilay olona.)
  3. Tsindrio ny vakizoro mifanaraka amin’izany mba hampidirana ilay olona:
    • Amin’ny anarany. Ampidiro ireo antsipiriany, tsindrio ny Hoe Velona, avy eo dia tsindrio ny Manaraka. Hamarino ny fampahalalana dia tsindrio Hamorona olona.
    • Hazon’ny tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Tsindrio ity vakizoro ity mba handikana olona iray avy ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana ho ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray. Dia tsindrio ny anaran’ilay olona. (Io safidy io dia misy rehefa manampy olona iray ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.)
    • Amin’ny Laharam-pamantarana. Raha fantatrao ny laharam-pamantaran’ilay olona, ary raha ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana ilay olona na ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana izay misy anao, dia tsindrio ity vakizoro ity, ampidiro ny laharam-pamantarana, ary tsindrio ny Manaraka.

Fijerena ny Razambe Voalohany

  1. Tadiavo ilay olona miaraka amin’ireo olona mbola velona ao amin’ny fianakaviana izay tianao hampidirina.
  2. Tsindrio ilay sary famantarana + eo ambonin’ny sarin’ilay olona:
    • Raha hanampy zanaka iray dia tsindrio ny Hampiditra zanaka.
    • Raha hanampy vady dia tsindrio ny Hampiditra vady.
    • Raha hanampy ray na reny dia tsindrio ny Hampiditra ray na reny.
    1. Tsindrio ny vakizoro mifanaraka amin’izany mba hampidirana ilay olona:
      • Amin’ny anarany. Ampidiro ireo antsipiriany, tsindrio ny Hoe Velona, avy eo dia tsindrio ny Manaraka. Hamarino ny fampahalalana dia tsindrio Hamorona olona.
      • Amin’ny Laharam-pamantarana. Raha fantatrao ny laharam-pamantaran’ilay olona, ary raha ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana ilay olona na ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana izay misy anao, dia tsindrio ity vakizoro ity, ampidiro ny laharam-pamantarana, ary tsindrio ny Manaraka.

Ireo dingana (application ho an’ny finday)

  1. Sokafy ilay application mobile Arbre familial.
  2. Raha ilaina dia mivadiha ao amin’ilay hazon’ny tetiarana izay tianao hampidirana ilay olona.
  3. Midira ao amin’ny pejin’ny Olona an’ny olona iray ao amin’ny fianakavian’ilay olona mbola velona.
  4. Tsindrio ny vakizoro mifanaraka amin’izany (Vady ho an’ny vady ary zanaka na Ray aman-dreny ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo).
  5. Tsindrio ny rohy mifanaraka amin’izany (Hampiditra zanakaHampiditra vadyHampiditra ray na reny, na Hampiditra mpiray tampo).
  6. Ampidiro ny fampahalalana momba ilay olona dia kitiho ny Manaraka.
  7. Lazao fa Velona ilay olona.
  8. Ampidiro izay fampahalalana rehetra momba ny fahaterahana, ary avy eo dia kitiho ny Hanohy.
  9. Tsindrio ny Hampiditra na Hampiditra io olona io.

Ireo dingana (Family Tree Lite)

  1. Ao amin’ny Family Tree Lite, dia mankanesa ao amin’ny pejin’ny olona an’ny fianakavian’ilay olona mbola velona.
  2. Tsindrio ny Hijery ny fianakaviana.
  3. Tsindrio ny rohy mifanaraka amin’izany (Hampiditra vadyHampiditra zanakaHampiditra ray na reny, na Hampiditra mpiray tampo). 
  4. Ampidiro ny fampahalalana momba ilay olona. Lazao fa velona izy.
  5. Tsindrio ny Manaraka

Lahatsoratra mifandray

Lalàna mifehy ny tsiambaratelo an’ny FamilySearch
Afaka mampiditra fahatsiarovana momba ny havako mbola velona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ve aho?
Ahoana no iarovan’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny tsiambaratelon’ny olona mbola velona?
Iza no afaka mahita ireo havako mbola velona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hanovako ny olona iray izay lasa hoe maty ho olona velona ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hampitambarako izay mety ho firaketana verin-droa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?