Together, atolotry ny FamilySearch
Manorena fifamatoran’ny mpianakavy matanjaka kokoa ary mamoròna fahatsiarovana maharitra amin’ny alalan’ny fizarana tantara manan-danja—miainga amin’ireo fialan-tsasatra miavaka nataon’ny fianakaviana ka hatramin’ireo lesona nianarana avy amin’ireo olona be herim-po aminao.
Ampifandraiso ny—Lasa, Ankehitriny ary Hoavin’ny fianakaviana
Raiso ireo fotoana amin’ny fiainana
Zarao ny tantara manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao, toy ny dia mahafinaritra nataon’ny fianakavianao na ny olona manentana ny fanahinao manokana. Fantaro ireo tantara manan-danja avy amin’ny fianakavianao, ary makà fomba fijery vaovao amin’ireo olona tianao indrindra.
Zarao amin’ireo olona akaikin’ny fo
Tsy misy dokam-barotra mihitsy! Ankafizo ny traikefa mahomby kokoa mifantoka tanteraka amin’ireo tantara manan-danja aminao, tsy misy fanelingelenana na votoaty tsy ilaina. Fitantarana madiodio mahasarika fotsiny tsy misy fanapa-tapahana.
Fiaraha-mientana ho an’ny tsirairay
Ankafizo ireo fiaraha-mientana mahafinaritra natao ho an’ny fianakaviana iray manontolo! Manamboara sarin-tava ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ampitahao izy ireo, indrindra moa jereo hoe razambe iza no mitovy aminao indrindra. Misy zavatra azon’ny tsirairay ankafizina ao!