Trandraho ny ao amin’ilay application “Memories”

Simple-Start-Photo

Mety efa nitrandraka ny ao amin’ilay hoe fahatsiarovana hita ao amin’ny FamilySearch angamba ianao, izay hita rehefa manindry ny iray amin’ireo vakizoro eto an-tampon’ny pejy fandraisana. Afaka mahita ireo safidy atolotr’izany ho an’ny fitahirizana sary, antontan-taratasy, tantara, ary raki-peo ianao. Saingy fantatrao ve fa misy ny application mobile izay manamora kokoa ny fampidiranao ireo fahatsiarovana ny fianakavianao ao amin’ny FamilySearch.org sady tena mora ampiasaina mihitsy?

Raha hisintona ilay application Memories dia mandehana ao amin’ny FamilySearch.org/blog/mg/mobile. Raha vantany vao voapetrakao ao amin’ny telefaoninao izany dia vonona!

Rehefa manokatra ilay application ianao dia hahita kisary famantarana anankitelo: iray ho an’ny sary, iray ho an’ny tantara, ary iray ho an’ny feo. Raha hanandrana ireo zavatra atao ireo dia kitiho ny iray amin’ireo kisary famantarana ireo, ary avy eo eo amin’ny zorony ambony havanan’ilay application dia kitiho ilay marika miabo mba hanampiana zavatra ao amin’izany sokajy izany.

1. Sary. Afaka misafidy sary efa ao amin’ny telefaoninao ianao, na maka sary vaovao. Rehefa misy sary eo amin’ny efijerinao dia ampio anarana izany na tondroy ny olona avy ao amin’ny tetiaranao. Ny fanondroana olona dia hampifandray ilay sary amin’izany olona izany ao amin’ny rafitetiarana. Hiseho ao amin’ny Tahirin-tsarin’ny fitahirizana ao amin’ny FamilySearch anao ihany koa ireo sary vaovao.

2. Tantara. Soraty mivantana ao amin’ny telefaoninao ny tantaran’ny fianakaviana. Afaka manapaingotra sary mihitsy aza ianao miaraka amin’izany raha tianao. Tondroy ireo olona lazaina ao amin’ilay tantara mba hanapaingotra izany amin’ny firaketana momba azy ireo ao amin’ny tetiarany.

3. Raki-peo. Kitiho fotsiny ilay kisary maneho marika miabo ary avy eo dia Atombohy ny fandraisam-peo raha haka feo ny tantaran’ny fianakaviana, na fahatsiarovana, na torohevitra kely na vazivazy. Ezaho hazonina latsaky ny dimy minitra ny horonam-peo mba ho mora henoina (na dia mety ho lava kokoa aza ny fandraisam-peo). Dia fantaro indray ny olona lazaina ao amin’ilay horonam-peo mba hampifandraisana azy amin’izany olona izany ao amin’ny rafitetiarana.

Ny zavatra iray tena tsara mahakasika ny application Memories dia arakaraka ny maha ela anao ao amin’ny internet no hampidirany ho azy avy hatrany fampahalalana vaovao ao amin’ny FamilySearch.org. Raha tsy mifandray amin’ny internet ianao dia ho tafiditra amin’ny fotoana manaraka ifandraisanao amin’ny internet ireo fiovana.

Ny fahafahana manao ireo asa ireo avy amin’ny telefaoninao dia hampitombo bebe kokoa ny fahamoran’ny fitahirizana ny fahatsiarovana momba ny fianakavianao. Koa maninona no tsy manandrana? Mandritra ny fiaraha-misakafo amin’ny fianakaviana manaraka dia raketo ny tantaran’i Bebe momba ny nihaonany voalohany tamin’i Dadabe mba hahafahan’ireo taranaka any aoriana maheno izany koa. Makà sary vitsivitsy amin’ny fanolorana diplaoma na vatofehizoro hafa izay hitranga atsy ho atsy, ary ampidiro ao amin’ny rafitetiarana izany mba hahatonga izany ho isan’ny zavatra niainana iombonan’ny fianakavianao mandrakizay. Ao anatin’ny fotoana fohy monja ianao dia afaka miantoka fa tsy ho very mandrakizay ireo fahatsiarovana manan-danja ao amin’ny fianakavianao ireo.

Raha mila loharanom-pahalalana fanampiny momba ity sy lohahevitra maro hafa dia ba tsidiho ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana an-jotra.

Author Default Image
Momba ilay namorona
Jesse Hyde