Manampy ireo razambe mba handray ireo ôrdônansymasina

famiglia tempio fogli delle ordinanze giovani donne
Mark Romesser

“Ilay faniriantsika lalina, izay efa tao amintsika hatrizay, mba hisian’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana dia
tanteraka rehefa mifandray amin’ireo razambentsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masin’ny tempoly isika”

(Russell M. Nelson, “Generations Linked in Love,” Ensign and Liahona, May 2010, 92).

Nampianatra i Jesoa fa tsy maintsy atao batisa ny olona rehetra mba hiverenana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa hanaraka ireo fampianaran’i Kristy sy ny ohatra nasehony. Aorian’ny batisa dia afaka manampy ireo razambenao koa ianao mba hanao fanekempihavanana masina. Ity lahatsoratra ity dia afaka mitarika anao rehefa manangona ombam-bavaka mombamomba ilaina an’ireo havanao ianao sy rehefa mandeha any amin’ny tempoly mba hatao batisa eo amin’ny toeran’izy ireo.

Rehefa miomana ny handeha ho any amin’ny tempoly ianao dia afaka miara-miasa amin’ny evekanao mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Izany fahazoan-dalana izany dia hanome fahafahana anao mba hiditra ny tempoly sy hanatanteraka batisa. Fotoana fohy aorian’ny nandraisana anao ho mpikambana dia afaka mihaona amin’ny evekanao ianao mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

A missionary helping a new member learn about her ancestors.

Diniho hoe iza amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana no hanaovana asa fanompoana

Eritrereto ireo razambenao sy ireo havanao akaiky izay maty nefa tsy nanana fahafahana natao batisa tamin’ny alalan’ny fahefana mifanaraka amin’izany. Diniho ombam-bavaka hoe iza amin’ireo havana ireo no mety ho tianao hanaovana asa fanompoana mandritra ny fitsidihanao voalohany ny tempoly.

Azo atao batisa eo amin’ny toeran’ireo razambe vehivavy ireo vehivavy ary azo atao batisa eo amin’ny toeran’ireo razambe lehilahy ireo lehilahy any amin’ny tempoly. Hanana fahafahana hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo lehilahy ianao raha lehilahy ary ho an’ireo vehivavy raha vehivavy, ary afaka manampy anao ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana amin’ny alalan’ny fanatanterahan’izy ireo ôrdônansy ho an’ireo havanao hafa.

Rehefa miomana hanao asa fanompoana ho azy ireo any amin’ny tempoly ianao dia afaka mieritreritra ireo fahatsiarovana sy mizara tantara momba azy ireo ianao na mitady tantara sy sary izay mety ananan’ny hafa. Araraoty izany fotoana izany mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ireo havana izay hanaovanao asa fanompoana sy handinihana ny fiainan’izy ireo.

Omano ireo fampahalalana ilaina

Azonao ampiasaina ny FamilySearch.org mba hanampiana anao hanangona ny mombamomba ireo havanao sy mba hanaovana fangatahana hanatanteraka batisa ho azy ireo.

Illustration showing how to create an account, add family members and print temple cards.

1. Famoronana Kaonty FamilySearch iray

Ny FamilySearch.org sy ny application Rafi-tetiarana dia manolotra kaonty maimaim-poana ho an’ny rehetra mba hahafantarana ny momba ny fianakaviana sy hifandraisana amin’izy ireo. Ambarao tsara fa ianao dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehefa mamorona ny kaontinao ianao. Hangatahin’ny FamilySearch avy eo ianao mba hanome ny laharan’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana anao ao amin’ny Fiangonana. Afaka mahita io laharana io ianao amin’ny alalan’ny fijerena izany ao amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay anao, na amin’ny alalan’ny fangatahana izany any amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà misahana anao.

2. . Fampidirana olona ao amin’ny fianakaviana ao amin’ny FamilySearch.org

Ny FamilySearch dia mampiasa Rafi-tetiarana mba hanampiana anao eo amin’ny famantarana izay havana efa nanatanterahana ireo ôrdônansy rehetra sy ireo izay mbola tsy nanatanterahana izany.

Ampifandraiso ao anatin’ilay Rafi-tetiarana ireo taranaka eo anelanelanao sy ilay havanao izay tianao hanaovana asa fanompoana any amin’ny tempoly. Ohatra raha te hanatanteraka ôrdônansy ho an’ny raibe na renibe anankiray ianao, dia ampidiro ny anaran’ny rainao na reninao aloha, ary ampidiro avy eo ilay raibe na renibe. Raha hangataka ny hanatanteraka ôrdônansy ho an’olona iray ianao, dia ho ilainao ny mampiditra ny anaran’ilay olona sy mampiditra hoe lahy izy sa vavy ary mampiditra daty sy toerana ao anatin’ny zava-nitranga iray farafahakeliny, toy ny fahaterahana, na fanambadiana, na fahafatesana.

Screenshot of how to add generations  on FamilySearch Family Tree.

Rehefa mampiditra razambe iray ianao, dia hampiseho anao zavatra mety mifandray ny FamilySearch raha toa ka mety efa ao anatin’ilay Rafi-tetiarana ilay havanao. Ireo zavatra mety mifandray ireo dia afaka manampy anao hahita raha efa nisy ôrdônansy notanterahina ho an’ilay olona.

3. Fangatahana karatra misy anaran’ny fianakaviana

Any amin’ny tempoly dia misy karatra tsotra (antsoina hoe “karatra misy anaran’ny fianakaviana”) izay ampiasaina mba hampisehoana izay olona hanatanterahanao ôrdônansy. Rehefa avy mampiditra ilay havanao ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao, dia ampiasao ny tenifototra famantarana hoe Ôrdônansy eo amin’ny pejin’ilay olona mba hangatahana fanatanterahana ôrdônansy iray. (Jereo ny ohatra etsy ambany.)

Requesting ordinances on FamilySearch.

Raha toa ka efa maty tao anatin’ny 110 taona lasa ny havana iray, dia mangataha azafady fahazoan - dalana avy amin’ny havana mbola velona faran’izay akaiky indrindra an’io olona io mialoha ny hanomanana karatra misy anaran’ny fianakaviana. (Vakio ity mba hahafantarana ny fomba fanaovana fangatahana manokana.)

Fanamarihana: Zava-dehibe ny fanajana ny fanirian’ireo olona hafa mbola velona eo anivon’ny fianakaviana rehefa manao asa fanompoana ho an’ny olona iray izay samy havanareo. Rehefa mangataka fahazoan-dalana ianao dia mety hanampy ny fanazavana fa ny asa fanompoana atao ho an’ny hafa any amin’ny tempoly dia atolotra amim-pitiavana ary ireo izay efa maty dia afaka misafidy ny hanaiky na tsy hanaiky ilay ôrdônansy.

Rehefa avy nanao fangatahana ho an’ny anaran’ny fianakaviana iray ianao, dia hanampy anao ny FamilySearch hanao printy ilay karatra misy anaran’ny fianakaviana na homeny fampahalalana hoentina any amin’ny tempoly ianao raha toa ka tianao hatao printy any izany.

Two women serving their ancestors at the temple.

Manompo any amin’ny tempoly

Ny tempoly dia toerana masina izay hanaovantsika fanekempihavanana sy hanompoantsika ireo havantsika ary hanakaikezantsika kokoa an’ Andriamanitra.

Mba hahatonga ny fitsidihanao voalohany ny tempoly ho feno fifaliana, dia hevero ny hanomana ny tenanao ara-panahy amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny famantarana ny momba ireo havanao izay hanaovanao asa fanompoana. Afaka manasa fianakaviana sy namana ary mpikambana eo anivon’ny paroasy koa ianao mba hiaraka aminao ho any amin’ny tempoly.

Rehefa manompo ny fianakavianao any amin’ny tempoly ianao dia afaka mahazo ny sasany amin’ireo fitahiana izay nampanantenain’ireo Apôstôly maoderina:

Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Ho lalim-paka sy haharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona ananareo momba ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo ao Aminy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ny fisarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo ianareo

(David A. Bednar, “The Hearts of the Children Shall Turn,Ensign or Liahona, Nov. 2011, 26–27).

Momba ilay namorona