Fitehirizana Cloud maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch.org mba hitehirizana ireo sarin’ny fianakaviana tena manan-danja.

happy young girls

Ny fotoam-pialan-tsasatra, ireo zava-nitranga manokana, ary ny fiainana andavanandro dia azo hamoronana fahatsiarovana tena tsara niarahana tamin’ny fianakaviana sy nandraisana anjara tao anatin’ireo fomba fanao mahafinaritra. Ny fampiasanao ny telefaoninao mba hakana sary ny zava-drehetra mitranga dia lasa zavatra tena mahazatra. Marina fa misy ampahan-javatra ao amin’ny telefaonina izay manorisory indraindray. Fa tena tsy feno ny fahafahana maka sary raha toa ka tsy voavory ny fianakaviana ary raha toa ka tsy hanaovana fandrahonana mba tsy hihetsiketsika mandritra ny fidiran’ny mpikirakira fakan-tsary any amin’ilay application misahana ny sary ao amin’ny telefaonina.

Rehefa avy naka sary ireo fahatsiarovana sarobidy ho anao tamin’ny alalan’ny telefaoninao ianao, dia mila manana toerana tsara hitehirizana ireo sary tena tianao mba hahafahan’ireo olona akaikin’ny fonao mankafy azy ireo mandritra ny taona maro, na mandritra ny taranaka maro mifandimby mihitsy aza. Soa ihany fa manana fitehirizana cloud maimaim-poana izay azonao araraotina ny FamilySearch! Afaka mitahiry maimaim-poana ireo sary tena sarobidy ho anao ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch,!

Tsy diso famaky akory ianao. Raha manana kaonty ao amin’ny FamilySearch ianao (izay maimaim-poana ho an’ny rehetra ary ho mamaim-poana lalandava izany), dia afaka mampiasa ny fitehirizana cloud maimaim-poana ho an’ireo sarim-pianakaviana tena ankafizinao indrindra, ireo raki-tantara, ary ireo raki-pampahalalana izay lovan’ny fianakaviana. Tsy toerana hitehirizana ireo sarinao REHETRA izany (toy ireo sary izay alain’ny zanakao rehefa angalarin’izy ireo ny telefaonina ary hakany sary miisa 53 an’ireo kilalaony miendrika biby vita amin’ny lamba volovoloina); fa tianay ianao mba tsy hitahiry afa-tsy ireo fahatsiarovana tena tsara sy tena nisy fiantraikany.

ankizilahy iray mitaingina bisikileta, fahatsiarovana iray hotehirizina ao amin’ny fitehirizana cloud ao amin’ny fahatsiarovana ao amin’ny familysearch

Ny fomba fampiasa ny fitehirizana cloud maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch

Amin’ny alalan’ny fitehirizana cloud maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch dia azo atao ny mandefa sary avy amin’ny fitaovana elektrônikanao na maka azy ireo amin’ny alalan’ny telefaoninao. Segondra vitsy fotsiny no alain’ireo fomba anankiroa ireo. Andeha hojerentsika akaiky ny fomba fiasan’izany. Mety ho gaga ianao hoe tena mora ny manomboka manorina ny tantaram-pianakavianao.

Mandefa sary iray ao amin’ny fitehirizana cloud maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch izay efa notehirizina ao amin’ny fitaovana elektrônikanao

Andeha holazaina hoe naka sary iray ianao herinandro lasa izay, ary tianao halefa any amin’ny FamilySearch.org izany ankehitriny, mba hanananao izany foana sy hahafantaranao ny toerana misy izany ary mba hahafahan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana mankafy izany ao anatin’ny 50 taona manomboka amin’izao fotoana izao. Araho ny torolalana etsy ambany. (Raha efa mpikirakira ny FamilySearch ianao dia mety mahita dingana arahina hafa hanatanterahana ity zavatra atao ity. Hitondra anao any amin’izany toerana izany ihany ireto dingana arahina ireto!)

Avy amin’ny solosaina iray

  1. Mandehana ao amin’ny FamilySearch.org, ary midira ao amin’ny kaontinao.
  2. Tsindrio ny Fahatsiarovana ao amin’ny saha misy ny safidy atolotra eny an-tampon’ny efijery.
  3. Tsindrio ny Toeram-pampisehoana fahatsiarovana ao amin’ilay saha mipoitra midina.
  4. Tsindrio ilay famantarana miabo miloko maitso (+) eny akaikin’ny tampon’ny efijery eo afovoan’ilay pejy.
  5. Tsindrio ny Hisafidy Tahirim-pahatsiarovana
  6. Safidio ilay tahirim-pahatsiarovana tianao halefa. Horesahintsika afaka fotoana fohy ny mikasika ny fanasiana ny anaran’ilay olona eo amin’ny sary sy ny fanomezana lohateny an’ilay sary.
fomba fandefasana ireo fahatsiarovanao ao amin’ny fitehirizana cloud an’ny familysearch

Handefa sary efa nalaina na handefa anankiray izay mbola vao halaina amin’ny telefaoninao

fomba fampidirana fahatsiarovana ao amin’ny fitehirizana cloud an’ny FamilySearch avy amin’ny telefaoninao.

Afaka mampiditra amin’ny fotoana rehetra sary izay efa ao amin’ny telefaoninao ianao, na raha haka sary tena tsara ianao izay manamarika fotoana iray manan-danja, dia afaka maka izany ao anatin’ilay application ary mampiditra izany eo no ho eo. Toy izao ny fomba hanaovana an’izy roa ireo:

Avy ao amin’ny telefoninao

  1. Sokafy ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch na ny application Fahatsiarovana.
  2. Tadiavo ilay famantarana miabo miloko maitso (+), ary tsindrio izany. Raha mampiasa ny application Hazon-tetiaram-pianakaviana ianao dia sokafy ilay saha misy safidy atolotra, dia tsindrio ny Fahatsiarovana, ary tsindrio avy eo ilay famantarana miabo miloko maitso (+). Afaka mampiditra fahatsiarovana eo amina razambe iray manokana ianao amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny pejin’ilay olona ka misafidy ilay vakizoro hoe Fahatsiarovana ary manindry ny famantarana miabo miloko maitso (+).
  3. Tsindrio ny hoe Hampiditra sary.
  4. Sary efa misy: Tsindrio eo amin’ny Andian-tsary avy amin’ny fakan-tsary, dia safidio izay sary tianao; tsindrio ny Hampiditra, ary tsindrio avy eo ny Hitahiry.
  5. Sary vaovao: Tsindrio eo amin’ny hoe Haka sary, ary mitenena hoe “tsikitsiky,” ary alaivo sary iny fotoana iny.
    1. Mba handefasana ilay sary any amin’ny FamilySearch.org, dia tsindrio ny hoe Ampiasao io sary io.
    1. Raha haka sary hafa dia tsindrio ny hoe Haka sary hafa.
  6. Azonao tapahina na ahodina izany ary avy eo tsindrio ny Hitahiry.

Fanasiana ny anaran’ilay olona eo amin’ilay sary sy fanomezana lohateny an’ilay sary

Raha vao voatahiry ao amin’ny pejy Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch izay anao ilay sary, dia afaka manao zavatra maro ianao mba hahatonga izany ho singa manan-danja kokoa ao amin’ny tantaran’ny fianakavianao.

  • Ho fanombohana dia afaka manome lohateny an’ilay sary ianao. Manampy sahan-kevitra ny lohateny iray, sy manome fahafahana ny olona hahafantatra ny zavatra tadiaviny ary manampy rehefa miezaka mikaroka izany ianao any aoriana.
  • Afaka manisy ny anaran’ireo olona ao anatin’ilay sary ianao mba hahafantaran’ny olona ao anatin’ny 100 taona manomboka izao hoe iza no iza.
  • Afaka manoratra lohahevitra eo amin’ilay sary ianao ary hiseho ilay sary rehefa mikaroka izany lohahevitra izany ianao. (Mba tsy hahitana ilay sary rehefa misy mikaroka dia midira ao amin’ny toeram-pampisehoana fahatsiarovana ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch. Tsindrio ilay saha mipoitra midina eo akaikin’ny hoe Azon’ny rehetra jerena, ary ovao hoe Izaho ihany no afaka mahita ilay kirakira.)
  • Afaka mampiditra raki-peo ianao, izay fandraketana ny feonao na fandraketana ny feon’ny hafa miresaka.
  • Afaka mamorona diaporama mirakitra ireo fahatsiarovanao ianao mba hozaraina ao amin’ny tambajotran-tserasera na ao anatina hetsika iray toy ny fety fankalazana ny andro nahaterahana, na fampakaram-bady, na fivoriam-pianakaviana.

Saingy eto dia mety mihoatra noho ny zavatra tianao ho fantatra izany. Tsy natao hanotorana ny sainao ireo safidy atolotra ireo. Ny hany tanjony dia ny hanampy anao sy ireo olona tianao mba hahita fifaliana sy fanentanam-panahy avy amin’ny tantaram-pianakavianao. Ampiasao araka izay hitiavanao azy izany!

Ankizy anankitelo mipetraka mifampisakambina.

Mahasolo teny an’anarivony ny sary iray

Matetika isika rehefa mieritreritra tantaram-pianakaviana, dia mieritreritra sora-tanana lavabe, boky misy toko maro ao anatiny, ary tantaram-piainana amin’ny antsipiriany. Ny sary anefa dia afaka ny hanentana ny fanahy sy hitondra zava-baovao fotsiny toy izany koa. Ny lafiny tena tsara, dia fotoana kely monja no ilaina mba hampidirana sary iray ao amin’ny toeram-pampisehoanao fahatsiarovana.

Lasa mitambatambatra ireo sary tsirairay ireo. Manomboka mivelatra ny tantaram-pianakavianao. Raha nisy fotoana ianao nieriteritra hoe tsy hanana fotoana hamoronana tantaram-pianakaviana manan-danja sy feno velively, izao ianao manana alibaoma iray manontolo izay mampiseho ireo zavatra niainan’ny fianakavianao, ary koa ny fananana fahatokiana fa ny zavatra noforoninao dia ho voatahiry ho an’ireo taranaka maro dia maro any aoriana mba ho ankafizin’izy ireo.

Izany no mikasika ny fitehirizana cloud maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch. Manantena izahay fa hanararaotra izany ianao.

Momba ilay namorona