Verin-droa sy hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana

Share

Rehefa mandika olona iray avy ao amin’ny lisitry ny olona tsiambaratelonao ianao, dia hamorona firaketana verin-droa, ary tsy maninona izany.

Mety efa misy ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny tena manokana an’ny mpampiasa iray hafa ilay olona ampidirinao. Koa satria tsy afaka mahita izany hazon’ny tetiaran’ny tena manokana izany ianao, ary tsy ahitana olona velona ao amin’ny voka-pikarohana ao amin’ny endri-javatra fitadiavana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, dia tsy ho afaka ny hahafantatra ianao.

Ny fomba ahafahan’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana mampihena ny verin-droa any aoriana any.

Rehefa mandeha ny fotoana dia manantena izahay fa hampiditra olona velona vitsivitsy ao amin’ny hazon’ny tetiaran’izy ireo manokana ireo mpampiasa ny FamilySearch ary hampiditra maromaro ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Rehefa mivoaka ny endri-javatra maneho ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana, dia manoro hevitra izahay ny hampidiranao havana mbola velona ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana izay ampy hahafahanao mampifandray azy ireo amin’ireo razambenao.

Raha misy olona ao amin’ny fianakaviana mbola velona maro hafa ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana, dia manoro hevitra izahay ny hamindranao izany fampahalalana izany ao amina hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Rehefa mandeha ny fotoana dia hampihena ny isan’ireo verin-droa ao amin’ny hazon’ny tetiarana izany. Hamela vondrona ahitana mpampiasa maro hanavao ny mombamomba ny hazon’ny tetiaran’ny olona iray izany.

Afaka manambatra ireo verin-droa ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviako ve aho?

Eny. Afaka manambatra ireo verin-droa ianao raha ao anatina Hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray izy ireo. Ampiasao ny endri-javatra Hanambatra araka laharam-pamantarana.

Afaka manambatra ireo verin-droa avy amin’ireo hazon’ny tetiarana samy hafa ve aho?

Tsia. Ireo verin-droa dia tsy maintsy samy ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana na hazon’ny tetiaran’ny tena manokana iray ihany.

Lahatsoratra mifandray amin’ireto

Hanambatra ireo firaketana verin-droa an’ny olona velona sy ny olona tsiambaratelo ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana

Nanampy anao ve ity?