Ahoana no hampitambarako ireo verin-droa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana araka ny laharam-pamantarana?

Share

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ny endri-javatra Mety ho verin-droa dia mety tsy hitanisa ireo raki-tsoratra verin-droa rehetran’ny olona iray. Raha toa ka fantatrao ny laharam-pamantarana ny verin-droa iray izay tsy hita ao amin’ny lisitra, dia afaka mampiasa izany ianao mba hampitambarana ireo firaketana. 

Alohan’ny hanombohanao

Ataovy izay hahazoana ny laharam-pamantarana ilay firaketana izay hatambatra. Tsy maintsy ao anatina hazon’ny tetiarana iray ihany ireo firaketana ireo raha hanova ny toerana hasiana izany ianao, ohatra hoe, samy ao amin’ny hazon’ny tetiarana hitan’ny besinimaro, samy ao amin’ny hazon’ny tetiaranao manokana, na samy ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Raha ilaina dia mivadiha ao amin’ny hazon’ny tetiarana izay ahitana ireo verin-droa.
  3. Tadiavo ilay olona tianao hatambatra.
  4. Tsindrio ny anaran’ilay olona. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany. Ho voatarika any amin’ny pejin’ilay olona ianao.
  5. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  6. Tsindrio ny Atambatra araka ny laharam-pamantarana. Hita ao amin’ny fizarana Fitaovana izany, eo amin’ny ilany havanan’ny pejy. 
  7. Ampidiro ilay laharam-pamantarana misy sora-baventy sy ilay tsipi-panohizana. 
  8. Tsindrio ny Hanohy Misokatra ao amina vakizoro mpitety tranonkala vaovao ilay efijery fampitambarana.
    • Ilany havia: Inty ilay mety ho verin-droa. Voafafa izany raha atambatrao ireo firaketana.
    • Ilany havanana: Inty ilay firaketana nanombohanao. Voatahiry izany raha atambatrao ireo firaketana.
  9. Manapaha hevitra raha toa ka an’olona iray ihany ireo firaketana. 
    1. Ampitahao ireo ilany havia sy havanana hijerena ireo anarana, daty, toerana, ary olona ao amin’ny fianakaviana mitovy. 
    2. Vakio izay mety ho hafatra fampitandremana mipoitra eo amin’ny efijery.  
    3. Raha ilay firaketana eo amin’ny havia no marina indrindra dia avereno atao ny dingan’ny fampitambarana avy amin’ny pejin’ilay olona hafa mba ho voatahiry ny firaketan’izy ireo. 
    4. Raha tsy an’olona iray ihany ireo firaketana, dia tsindrio ny Tsy mitovy. Raha an’olona iray ihany ireo firaketana, dia tsindrio ny Eny, hanohy. Raha tsy azonao antoka, dia tsindrio ny Foanana
  10. Hamarino ny fampahalalana rehetra izay misy lafika maitso ao amin’ny firaketana sisa tavela. Ho voadika ao amin’ny firaketana sisa tavela ny fampahalalana miloko miavaka rehefa mamita ny fampitambarana ianao. Raha tsy tokony hotahirizina eo amin’ny firaketana sisa tavela io fampahalalana io dia tsindrio ny Hanafoana.
  11. Tsindrio ny Hanohy 
  12. Vitao ny fampitambarana: 
    1. Hamarino ilay firaketana sisa tavela 
    2. Raha efa mety tsara araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra dia tsindrio ny Hamita ny fampitambarana
    3. Mba hanazavana ny antony nampitambaranao ireo firaketana ireo dia na ianao misafidy filazana antony efa naroso ao, na mampiditra antony iray noforoninao.
  13. Tsindrio ny Hitahiry.  

Raha vantany vao vita ny fampitambarana dia hisy safidy “hanafoana” ho azo ampiasaina mandritra ny fotoana fohy. Mamela anao hanasaraka mora foana ireo firaketana 2 izany.                   

Ireo dingana (application ho an’ny finday)

  1. Sokafy ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday ny pejin’ny olona ho an’ny iray amin’ireo firaketana verin-droa.
  2. Raha ilaina dia mivadiha ao amin’ny hazon’ny tetiarana izay ahitana ireo verin-droa.
  3. Tsindrio ireo teboka telo eo amin’ny zorony ambony ankavanana. 
  4. Tsindrio ny hoe Mety ho Verin-droa​​​​​​​.
    • Tsindrio ny hoe Atambatra araka ny laharam-pamantarana
    • Ampidiro ilay laharam-pamantarana misy sora-baventy sy ilay tsipi-panohizana, dia tsindrio ny hoe Alefa
    • Tsindrio ny hoe Hanamarina ny fampitambarana
    • Vakio ilay fampitandremana dia tsindrio ny hoe Hanohy ny fampitambarana. Miseho ny efijery fampitambarana. 
      • Ilany havia: Inty ilay mety ho verin-droa. Voafafa izany raha atambatrao ireo firaketana. 
      • Ilany havanana: Inty ilay firaketana nanombohanao. Voatahiry izany raha atambatrao ireo firaketana. 
    • Manapaha hevitra raha toa ka an’olona iray ihany ireo firaketana. 
      • Ampitahao ireo ilany havia sy havanana hijerena ireo anarana, daty, toerana, ary olona ao amin’ny fianakaviana mitovy. 
      • Raha ilay firaketana eo amin’ny havia no marina indrindra dia tsindrio ny Hanakalo mba ho ilay izy no ho voatazona. 
    • Manapaha hevitra raha toa ka hitazona fampahalalana avy amin’ilay olona hofafana na tsia. 
      • Raha hamindra fampahalalana avy ao amin’ny ankavia mankao amin’ny ankavanana dia tsindrio ny Hanolo
      • Raha hampiditra fampahalalana avy ao amin’ny ankavia mankao amin’ny ankavanana dia tsindrio ny Hampiditra
      • Torohevitra: Raha ahitana ray aman-dreny, na vady, na zanaka verin-droa ao amin’ilay firaketana ao amin’ny ankavia dia ampidiro ao amin’ilay firaketana sisa tavela izany. Afaka manambatra ireo verin-droa ireo ianao any aoriana. 
    • Rehefa vitanao izany dia midìna any amin’ny farany ambanin’ny pejy, dia tsindrio ny hoe Hanohy ny fampitambarana
    • Manorata antony hanazavana hoe nahoana ianao no nanambatra ireo firaketana ireo. 
    • Tsindrio ny Hanambatra

    Fanamarihana: Ilay application amin’ny endrika iOS dia tsy ahitana safidy afa-tsy ny Hanolo fampahalalana fa tsy ahitana ny Hanakalo na Hampiditra ilay fampahalalana.

    Ireo dingana (Family Tree Lite)

    Amin’izao fotoana izao ny Family Tree Lite dia tsy ahafahana manao fampitambarana. Midira ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch na ny application Arbre familial ho an’ny finday raha hanohy ny dingan’ny fampitambarana.   

    Soso-kevitra ho an’ny dingana manaraka

    1. Esory ao amin’ny firaketana sisa tavela ireo loharano na fahatsiarovana diso. 
    2. Jereo tsara ireo olona ao amin’ny fianakavian’ilay olona mba hahitana raha mety manana verin-droa ihany koa izy ireo.

    Lahatsoratra mifandray

    Ahoana no hampitambarako izay mety ho firaketana verin-droa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
    Ahoana no ahafahako mahita olona efa maty ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
    Ahoana no hampisehoako fa an’olona iray ihany ny firaketana 2 ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
    Ahoana no hanafoanako fampitambarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

    Nanampy anao ve ity?