Noho ny FamilySearch miendrika asa ifarimbonana dia misy ireo mpampiasa sasantsasany manao hadisoana manambatra ny mombamomba ana olona roa samy hafa ho lasa iray. Mety hiteraka olana maro eo amin’ny fitohizam-pianakaviana ny fampitambarana diso. Ny fomba tsara indrindra hanitsiana azy ireny dia ny manafoana ilay fampitambarana.
Raha manafoana fampitambarana avy ao amin’ny tranonkalan'’ny FamilySearch ianao dia afaka mampiasa ny fitaovana fandinihina ny fanambarana mba ahafahana mampitaha ny mombamomba an’ireo olona teo aloha sy ny taorian’ny fampitambarana. Tsy misy fandinihina ny fanambarana ny application Arbre familial.
Mialoha ny hanafoananao ny fampitambarana dia tadiavo ireo porofo fa mombamomba ana olona roa samihafa tokoa ilay natambatra.
- Aza miantehitra amin’ny anarana fotsiny ihany. Maro ireo olona manana anarana mitovy, eny fa na dia ao anaty fianakaviana iray aza.
- Jereo ireo fahasamihafana misy eo amin’ny fahaterahana, fahafatesana, ary ireo trangam-piainana hafa.
- Fakafakao ny loharanon’ny fahasamihafana izay tsy mitombina.
- Ampitahao ny anaran’ny havan’ny tsirairay sy ny mombamomba ny trangam-piainany. Tadiavo ny elanelan- taona lehibe loatra na zavatra hafa izay tsy mitombina.
Dingana arahina (tranonkala)
- Eo amin’ny Menu eo ambony, tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
- Tadiavo ny anaran’ilay olona tianao hofoanana ny fanambarana natao taminy.
- Tsindrio ilay anarana.
- Tsindrio ny Olona eo amin’ny takelaka ilany.
- Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
- Tadiavo ny efajoro misyIreo fanovana farany.
- Tsindrio ny Aseho daholo.
- Tadiavo ao amin’ny tsanganana farany havia indrindra ny fanovana misy hoe “Hanambatra”. Raha lava ny lisitra dia tsindrio ny Hisivana, ary safidio ny Hanambatra.
- Tsindrio ny Fandinihina ny fanambarana.
- Ampitahao nyfampahalalana ao amin’ny tsanganana roa voalohany mba hanapahana hevitra raha toa ka mombamomba ana olona iray ihany ireo na an’olona hafa.
- Jereo ny zoro ambony ankavia. Raha azo ampiasaina ny bokotra Hanafoana fampitambarana dia midika izany fa tsy nisy fiovàna natao tamin’ilay olona voatambatra hatry ny nahavitan’ny fampitambarana. Araho ireto dingana manaraka ireto:
- Tsindrio ny Tsy atao indray ny fanambarana.
- Soraty ao anatin’ilay efijery misokatra ny antony hanafoanana ny fampitambarana.
- Raha ilaina dia esory ny safidy natao eo amin’ny Hilaza fa tsisy ifandraisany ireto olona ireto. Amin’ny ankamaroan’ireo tranga dia tokony avelanao ho misy marika hatrany io safidy io mba hisorohana ny fampitambarana diso indray.
- Tsindrio ny Envoyer.
- Raha tsy azo ampiasaina ny bokotra Hanafoana ny fanambarana dia midika izany fa nisy fanovana natao taorian’ny fampitambarana natao. Araho ireto dingana ireto mba hahazoana antoka fa marina avokoa ny fampahalalana mikasika ny mombamomba ny tsirairay avy:
- Tsindrio ny anaran’ilay olona ao amin’ny tsanganana voalohany, izay misy hoe “Olona voafafa mialohan’ny fampitambarana”.
- Tsindrio ny hoe Olona.
- Tsindrio ny Hamerina olona.
- Soraty ny antony.
- Tsindrio ny Hamerina.
- Avereno jerena ireo firaketana roa. Alaovy antoka fa marina avokoa ny fampahalalana ao amin’ny tsirairay. Amin’ny fotoana sasantsasany ianao dia tsy maintsy mamafa fampahalalana avy ao amin’ny firaketana iray ka mampiditra izany amin’ny iray hafa.
Ireo dingana arahina (application ho an’ny finday)
- Tadiavo ilay olona nanaovana fampitambarana.
- Eny ambony ankavanana, tsindrio ilay teboka 3.
- Android: Tsindrio ny Fanovàna vao haingana. Apple iOS: Tsindrio ny Safidy hafa avy eo ny Fanovàna vao haingana.
- Tadiavo ny fanovàna natao mitsipika maitso (iOS) na manga (Android). Jereo ny teny hoe “Fampitambarana” eo ambonin’ilay fanovàna.
- Tsindrio ny Hanasaraka. Raha toa ka tsy azo atao ny manafoana ny fampitambarana dia tsy hahita ny bokotra Hanasaraka ianao.
- Hazavao ny antony, dia tsindrio avy eo ny hoe Hanasaraka.
- Hiloko volontany ilay efajoro ary hisoratra hoe “Hanasaraka”. Mba hamerenana mijery ny fampahalalana ao amin’ny firaketana naverina tamin’ny laoniny dia tsindrio ilay anarana eo ambanin’ny Olona naverina tamin’ny laoniny .
Ireo dingana arahina (Family Tree Lite)
Tsy misy safidy ahafahana manitsy ireo fampitambarana diso ny Family Tree Lite .
Lahatsoratra mifandraika
Ahoana no hampisehoako fa tsy mitovy ireo firaketana verin-droa ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no fomba hanitsiako fampitambarana izay misy fampahalalana avy amin’ny olona maro ao amin’ny Rafi-tetiarana?