Ahoana no hampisehoako fa tsy mitovy ireo firaketana verin-droa ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Rehefa misy manamarika hoe tsy mitovy ny firaketana 2, dia tsy hanolo-kevitra intsony ny Rafi-tetiarana hoe mety ho efa misy ireo firaketana ireo.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, avy eo dia tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana.
  2. Tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay olona, avy eo tsindrio ny hoe Olona. Raha tsy mipoitra eo ilay olona, dia ampiasao ny hoe Hitady mba hahitana ny pejiny.
  4. Eo amin’ny fizarana hoe Research Help eo ankavanana, tsindrio ny hoe Hampisehoy Izy Rehetra.
  5. Tsindrio ny hoe Mety ho Verin-droa.
    • Raha azonao antoka fa an’olon-kafa ilay firaketana, dia tsindrio ny hoe Tsy Mitovy.
    • Mba hijerena amin’ny antsipiriany fa tsy mitovy tokoa ireo, dia tsindrio ny hoe Hanamarina Fandravonana, avy eo dia ampitahao ireo firaketana. Raha hitanao fa tsy mitovy tokoa ireo firaketana, dia tsindrio ny hoe Tsy Mitovy.
  6. Ampidiro ny antony tsy mampitovy an’ireo firaketana.
  7. Tsindrio ny Hitahiry

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ny application Rafi-tetiarana, tsindrio ny hoe Tetiarana.
  2. Fidio ilay olona, na tsindrio ny hoe ilay famantarana ny lopy.
  3. Tsindrio ireo teboka 3 eny ambony ankavanan’ny efijerinao.
  4. Tsindrio ny hoe Mety ho Verin-droa.
  5. Eo amin’ilay firaketana verin-droa, tsindrio ny hoe Tsy Mitovy.
  6. Hazavao ny antony, dia tsindrio ny hoe Tsy Mitovy. Raha tsy azonao antoka, dia tsindrio ny hoe Hanafoana na ilay tondro fiverenana.
  7. Hiseho ao amin’ilay Tsy Mitovy avy eo ireo firaketana verin-droa.

Dingana (Family Tree Lite)

Mijery an’ireo Mety ho Verin-droa ihany no azonao atao amin’ny alalan’ny Family Tree Lite.  

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hamafako ireo firaketana verin-droa ao amin’ilay hoe Tsy Mitovy, ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hampisehoako fa an’olona iray ihany ny firaketana 2 ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no handravonako izay mety ho firaketana verin-droa ao amin’ny Rafi-tetiarana ?

Nanampy anao ve ity?