Afaka mahita ireo olona efa nodimandry ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao. Afaka mikaroka amin’ny alalan’ny anarana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny firazanana, ny olona ao amin’ny fianakaviana, na fampahalalana momba ny trangam-piainana ianao. Azonao atao ihany koa ny mikaroka amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana.
Tsy afaka mahita olona mbola velona ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao raha tsy efa nampidirinao tao amin’ilay hazo izy ireo sy nokarohana tamin’ny alalan’ny laharam-pamantarana.
Ny safidy hoe Vao haingana dia mipoitra rehefa tafiditra ianao. Ampiasao ireo zavatra amin’ny Vao haingana mba hidirana haingana ao amin’ny mombamomba ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana nojerenao farany.
Ireo dingana (tranonkala)
- Midira ao amin’ny FamlySearch.org, ary ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
- Tsindrio nyHazon’ny tetiaram-pianakaviana, dia tsindrio avy eo ny Hitady.
- Tsindrio ny Hikaroka, dia tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
- Tsindrio ny vakizoro mifandraika amin’ilay karazana fikarohana tianao hampiasaina:
- Hitady amin’ny alalan’ny anarana. Ampidiro ny anarana sy mombamomba hafa.
- Azonao ampiasaina ny mari-tsoratra nomerika amin’ny anaran’ny olona sy ny toerana. Ampidiro ny * mba hanoloana ny aotra na endri-tsoratra maromaro. Ampidiro ny ? mba hanoloana endri-tsoratra iray.
- Mba hahitana ireo faritra fikarohana fanampiny dia tsindrio ny Ireo safidy hafa:
- Asehoy ireo fomba fikarohana tena marina.
- Hanampy faritra hafa ho an’ireo anarana efa manambady, anarana iantsoana hafa, ny maha-lahy na maha-vavy ary ny firazanana.
- Hanampy faritra ho an’ireo tranga manokana, toy ny fahaterahana, fanambadiana, fonenana, na fahafatesana. Ny fikarohana tranga fahaterahana dia sady mahita fampahalalana momba ny nahaterahana no mahita momba ny fanoloran-jaza ao am-piangonana. Ny fikarohana tranga iray momba ny fahafatesana dia sady mahita fampahalalana momba ny nahafatesana no mahita ny fandevenana.
- Hitady amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana. Ampidiro ny laharam-pamantara ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
- Hitady amin’ny alalan’ny anarana. Ampidiro ny anarana sy mombamomba hafa.
- Tsindrio ny Hikaroka
- Hanamarina ny voka-pikarohana.
- Raha tsy hitanao ilay olona tianao dia ovao ny fepetra momba ny fikarohana ataonao:
- Ataovy ao anatin’ilay tabilao eo amin’ny ankavanana ny fanovana ataonao.
- Tsindrio ny Hikaroka
- Avereno jerena indray ireo voka-pikarohana.
- Eo amin’ny valin’ny fikarohana dia tsindrio ny anaran’ilay olona mba hijerena ilay karatra mombamomba azy.
- Mba hahitana ny mombamomba feno, dia tsindrio, eo amin’ny karatra, ilay anarana.
Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny safidy Nojerena vao tsy ela raha Hitady amin’ny alalan’ny anarana na Hikaroka amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana.
- Tsindrio ny Nojerena vao tsy ela.
- Ampidiro ao anatin’ny efamira Ampidiro ny anarana na laharam-pamantarana ny mombamomba.
- Rehefa mampiditra anarana iray ianao dia izay ao amin’ny lisitrao vao haingana ihany, miaraka amin’ny voka-pikarohana 50 faran’ny betsaka indrindra no karohan’ny rafitra.
- Rehefa mampiditra laharam-pamantarana iray ianao ka manindry ny Hanomboka, dia hikaroka ny tahiry manontolon’ny FamilySearch ny rafitra.
Ireo dingana (application ho an’ny finday)
- Ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday, dia midira ao amin’ny fijerena ny rohim-pianakaviana.
- Tsindrio ny sary famantarana ny fanita-jery.
- Tsindrio ilay karazana fikarohana tianao hampiasaina:
- Hitady amin’ny alalan’ny anarana. Mampidira anarana Raha fantatrao ny maha-lahy na maha-vavy dia tsindrio na lahy na vavy. Raha te hampiditra ny fahaterahana, na ny fahafatesana, na ny fampahalalana momba ny fanambadiana ianao, dia tsindrio ny faritra mifanaraka amin’izany, ary ampidiro ny fampahalalana.
- Hitady amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana. Ampidiro ny laharam-pamantaran’ny hazon’ny tetiaram-pianakavian’ny olona iray.
- Tsindrio ny Hitady. Mahita Olona hita tao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana iraisana ianao (ny vokatra 24 voalohany).
- Hamarino ny vokatry ny fikarohana dia tsindrio ny anaran’ilay olona.
- Raha tsy hitanao ilay olona tianao, dia tsindrio indroa ny tsipìka hiverina ary ovay ny teny fikarohanao.
Ireo dingana (Family Tree Lite)
- Midira ao amin’ny Family Tree Lite (lite.fs.org), dia tsindrio ny Hitady.
- Tsindrio ilay karazana fikarohana tianao hampiasaina:
- Anarana Ampidiro ny anarana, ny maha-lahy na maha-vavy na fampahalalana hafa.
- Laharam-pamantarana. Ampidiro ny laharam-pamantaran’ny hazon’ny tetiaram-pianakavian’ny olona iray.
- Fikarohana natao farany Jereo ireo olona 50 izay nojerenao vao haingana indrindra. Raha hijery iray dia tsindrio ny anarana.
- Tsindrio ny Hitady.
- Hamarino ny vokatry ny voka-pikarohana.
- Raha tsy hitanao ilay olona tianao dia tsindrio ny Hanatsara ny fikarohana mba hanovana ny fepetra amin’ny fikarohana ataonao.
- Tsindrio ny anaran’ilay olona eo amin’ny voka-pikarohana.
Lahatsoratra mifandray amin’ireto
Ahoana no fomba hahafahako mandika mora foana ny laharam-pamantaran’olona iray ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Aiza no ahitako fanampiana momba ny tetiarako?