Hadinoko ny tenimiafina sy ny solon’anarako ho an’ny FamilySearch

Azonao averina ny solon’anarana adino na ny tenimiafina adino ho an’ny kaonty FamilySearch anao amin’ny fampiasana izay safidy mifandray mivantana amin’ny kaontinao:

  • Ny laharan’ny findainao
  • Ny adiresy email anao

Azonao averina ny solon’anarana adino na ny tenimiafina adino raha toa ka nampandehaninao ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch. Raha toa ka tsy nampandehanina ny kaontinao dia mifandraisa azafady amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny sisiny ambony ankavanana ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch dia tsindrio ny Hiditra.
  2. Ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto, miankina amin’ny hoe nanadino ny solon’anaranao fotsiny ianao, na ny tenimiafinao fotsiny, na izy roa: 
    • Solon’anarana ihany: Kitiho ny solon’anarana eo ambanin’ny faritra ho an’ny tenimiafina.
    • Tenimiafina ihany: Tsindrio ny tenimiafina eo ambanin’ny faritra ho an’ny tenimiafina.
    • Izy roa: Tsindrio ny solon’anarana eo ambanin’ny saha hoe tenimiafina. Avy eo, eo amin’ny efijery manaraka, kitiho ny efajoro fanamarihana eo akaikin’ny Tsy tadidiko ny tenimiafiko.
  3. Mifidiana fomba fanarenana mifototra amin’ny fampahalalana nomenao nandritra ny fisoratana anarana.
    • Finday: Ampidiro ny laharan’ny findainao azafady Hisy laharana fanamarinana halefa amin’io laharana io. Ampidiro eo amin’ny faritra atolotra ny laharana fanamarinana, dia tsindrio ny Hanohy.
    • Email: Mampidira adiresy email manan-kery azafady. Hisy email miaraka amin’ny solon’anarana rehetra mifandraika amin’izany kaonty email izany ho voarainao. Sokafy ilay email ary tsindrio ilay solon’anarana tianao hampiasaina.
  4. Miankina amin’izay nolazainao fa hadinonao ny zavatra hitranga manaraka:
    • Solon’anarana ihany: Mipoitra indray ny pejy fidirana, miaraka amin’ny solon’anaranao voafeno ho azy. Afaka mampiditra ny tenimiafinao ianao izao, dia midira. Na raha hitanao fa nanadino ny tenimiafinao koa ianao dia kitiho ny tenimiafina hamerenana ny tenimiafinao.
    • Tenimiafina ihany: Miseho ny safidy hamerenana ny tenimiafinao.
    • Izy roa: Mipoitra ny safidy hamerenana ny tenimiafinao. Araho ny torolalana eo amin’ny efijery.
  5. Ovao ny tenimiafinao, raha ilaina izany.
    1. Mampidira tenimiafinao vaovao.
    2. Hamarino ilay tenimiafinao vaovao.
    3. Tsindrio ny Hanarina.

Dingana (Appli ho an’ny finday)

  1. Sokafy ny appli Rafi-tetiarana na ny appli Fahatsiarovana ho an’ny finday.
  2. Tsindrio ny Hiditra.
  3. Raha toa ka tsy tadidinao ny solon’anarana na ny tenimiafinao, dia tsindrio ny Fanampiana.
  4. Ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto, miankina amin’ny hoe nanadino ny solon’anaranao fotsiny ianao, na ny tenimiafinao fotsiny, na izy roa: 
    • Solon’anarana ihany: Tsindrio ny Adino ny solon’anarana?
    • Tenimiafina ihany: Tsindrio ny Adino ny tenimiafina?
    • Izy roa: Tsindrio ny Adino ny solon’anarana? Avy eo, eo amin’ny efijery manaraka, kitiho ny efajoro fanamarihana eo akaikin’ny Tsy tadidiko ihany koa ny tenimiafiko.
  5. Mifidiana fomba fanarenana mifototra amin’ny fampahalalana nomenao nandritra ny fisoratana anarana.
    • Finday: Ampidiro ny laharan’ny findainao azafady Hisy laharana fanamarinana halefa amin’io laharana io. Ampidiro eo amin’ny faritra atolotra ny laharana fanamarinana dia tsindrio ny Hanohy.
    • Email: Mampidira adiresy email manan-kery azafady. Hisy email miaraka amin’ny solon’anarana rehetra mifandraika amin’izany kaonty email izany ho voarainao. Sokafy ilay email ary tsindrio ny solon’anarana tianao hampiasaina.
  6. Miankina amin’izay nolazainao fa hadinonao ny zavatra hitranga manaraka:
    • Solon’anarana ihany: Mipoitra indray ny pejy fidirana, miaraka amin’ny solon’anaranao voafeno ho azy. Afaka mampiditra ny tenimiafinao ianao izao ka miditra. Na raha hitanao fa nanadino ny tenimiafinao koa ianao dia tsindrio ny tenimiafina hamerenana ny tenimiafinao.
    • Tenimiafina ihany: Miseho ny safidy hamerenana ny tenimiafinao.
    • Izy roa: Mipoitra ny safidy hamerenana ny tenimiafinao. Araho ny torolalana eo amin’ny efijery.
  7. Ovao ny tenimiafinao, raha ilaina izany.
    1. Mampidira tenimiafinao vaovao.
    2. Hamarino ilay tenimiafinao vaovao.
    3. Tsindrio ny Hanarina.

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Mandehana ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Raha toa ka tadidinao ny solon’anaranao, dia ampidiro izany, ary tsindrio ny Hiditra. Raha toa ka tsy tadidinao ny solon’anaranao dia azonao alaina izany:
    1. Tsindrio ny Adino ny solon’anarana?.
    2. Misafidiana fomba hamerenana izany izay misy ho an’ity kaonty ity.
      • Finday: Ampidiro ny laharan’ny findainao azafady Hisy laharana fanamarinana halefa amin’io laharana io. Ampidiro eo amin’ny faritra atolotra ny laharana fanamarinana, dia tsindrio ny Hanohy.
      • Email: Mampidira adiresy email manan-kery azafady. Hisy email miaraka amin’ny solon’anarana rehetra mifandraika amin’izany kaonty email izany ho voarainao. Sokafy ilay email ary tsindrio ilay solon’anarana tianao hampiasaina.
  3. Raha toa ka tsy tadidinao ny solon’anaranao dia azonao alaina izany:
    1. Tsindrio ny Adino ny solon’anarana?.
    2. Ampidiro ny solon’anaranao.
    3. Tsindrio ny Hanohy.
    4. Fenoy ireo fanontaniana ho fiarovana, dia tsindrio ny Handefa valinteny.
    5. Safidio ny finday na email.
    6. Tsindrio ny Hanohy.
    7. Nisy hafatra horaisinao amin’izay safidinao hanarenana ny tenimiafinao. Sokafy ilay hafatra, dia tsindrio ny Hanarina tenimiafina.
    8. Ampidiro sy hamarino ny tenimiafinao vaovao.
    9. Tsindrio ny Hanarina tenimiafina.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba ahafahako mangataka kaody fanamarinana indray mba hampandehanana ny kaontiko FamilySearch?
Ahoana no angatahako ny FamilySearch mba handefa email fanamarinana indray ho an’ny kaontiko?

Nanampy anao ve ity?