Ahoana ny fomba ahafahako mangataka ny FamilySearch hamerina handefa email fanamarinana ho an’ny kaontiko?

Share

Tonga ao anatin’ny minitra vitsy monja amin’ny ankapobeny ilay fanamarinana. Mitaky ora 1-2 izany tsindraindray. Raha tsy tonga haingana izany dia ireto misy zavatra tsotra azonao jerena:

  • Avy amin’ny www.familysearch.org/register/ ilay email ary manana antony ao amin’ny objet manao hoe Complete Your FamilySearch Account Registration… (Vitao ny fisoratanao anarana amin’ny FamilySearch).
  • Jereo ny ao amin’ny misy ireo “email indésirable” na spam. Ataovy fikarohana ny hoe FamilySearch account, Complete your registration, na izy roa. Raha hitanao ao amin’ny misy ireo “email indésirable” na spam ilay email dia afindrao ao amin’ny dosie fototra na boaty fandraisana email izany. Azonao sokafana amin’izay izany dia tsindrio ilay rohy fampandehanana. Tsy miasa ao anatin’ny dosie misy ireo “email indésirable” na spam ireo rohy fampandehanana.
  • Hamarino ireo kaonty email hafa anananao. 
  • Raha nisy diso ny adiresy email anao dia misorata anarana indray amin’ny fampiasana ny adiresy email marina.
  • Raha namorona ny kaontinao mihoatra ny 48 ora ianao dia tsy manan-kery ilay rohy ao amin’ny email. Misorata anarana indray mandeha.
  • Raha mbola misokatra ilay pejy fisoratana anarana (ao anatin’ny 48 ora), dia tsindrio ny bokotra handefasana indray ny email fampandehanana. Aza hadinoina ny mampiasa ny email fanamarinana farany indrindra, satria efa tsy miasa ireo rohy ao amin’ireo email taloha.

Raha afaka miditra ao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch.org ianao dia ataovy izany azafady. Avy eo dia tsindrio ny anaranao eo amin’ny zorony ambony havanana. Tsindrio ny Fikirakirana ary avy eo ny kaonty. Hamarino fa nampandehanina ny safidy fanarenana ho anao. (Raha tsia dia hitanao ilay rohy: "Hamarino ity ..." eo ambanin’ilay email fanarenana.)

Adiresy email fanarenana:

  • Raha tsy voamarina ilay adiresy email dia hitanao ny Hanamarina an’io adiresy io. Tsindrio ireo teny nasongadina ary vakio ity hafatra ity: “Hamarino azafady ny adiresy email -nao. Nisy email fanamarinana nalefa tany amin’ny [email address here]. Rehefa nohamarinina dia hampiasainay ny adiresy email mba hanampiana anao hamerina ny fampahalalana momba ny fidiranao raha sendra mila izany ianao. Ho lany andro afaka 48 ora io rohy fanamarinana io.”
  • Manana ireto safidy ireto ianao: Mandefa email indray na Manakatona.
  • Raha mbola manana olana foana ianao amin’ny fikirakirana na fampandehanana ny kaonty FamilySearch anao dia mifandraisa amin’ny FamilySearch.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hamoronako kaonty FamilySearch maimaim-poana?
Afaka mamorona kaonty amin’ny alalan’ny adiresy email iombonana ve aho?
Ahoana no fomba ahafahako mamorona kaonty maimaim-poana ho an’ny ankizy iray?

Nanampy anao ve ity?