Nahoana no tsy mety ny fanambarana olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Tsy afaka manambatra firaketana sasantsasany ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao. Indreto misy antony vitsivitsy mahatonga izany:

  • Lahy ny firaketana iray, ary vavy ilay anankiray hafa.
  • Velona ny firaketana iray, ary maty ilay anankiray hafa.
  • Velona na tsiambaratelo sy tsy hitan’olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany ny firaketana iray, ary velona ihany koa na tsiamabaratelo fa tsy hitan’olon-kafa afa-tsy ny mpampiasa iray hafa ilay firaketana iray hafa.
  • Olona tsiambaratelo ary tsy hitan’olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany ny firaketana iray.
  • Vakina fotsiny ilay ny firaketana iray.
  • Mifandray amin’ilay iray hafa amin’ny maha ray na reny na zanaka ny firaketana iray.
  • Efa natambatra ary efa nofafana ny firaketana iray teo aloha.
  • Miifandray amin’ny loharano iray ihany ireo firaketana roa.
  • Aorian’ny fanatambarana dia ho lasa ahitana vady na ray aman-dreny na zanaka, na loharano, na fahatsiarovana, na fanamarihana, na fifampiresahana, na olona ao amin’ny lisitra “tsy mifanaraka” maro loatra ilay firaketana vokatra.

Dingana

  1. Jereo raha azonao ahitsy ilay angon-drakitra ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana izay tsy nampety ny fanambarana. Raha azonao atao dia andramo atambatra indray.
  2. Raha mbola mila fanampiana ianao dia resaho izahay. Mivonòna hanome ireo fampahalalana manaraka ireto:
    • Ny laharana famantarana, ny anarana, ny daty nahaterahana, ary ny toerana nahaterahana eo amin’ireo firaketana tianao atambatra. Tsy ny firaketana rehetra no ahitana ireo fampahalalana ireo, koa omeo izay rehetra azonao omena.
    • Ny fifandraisanao amin’iireo olona ireo
    • Ny antony ahatsapanao fa tokony hatambatra ireo firaketana ireo.

Lahatsoratra mifandray

Inona avy ireo firaketana vakiana fotsiny ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Inona avy ireo fetra arak’angon-drakitra ho an’ireo olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Nahoana ireo olona efa maty no mipoitra ao anatin’ny lisitry ny olona natao ho ahy manokana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

moduleTitle