Inona avy ireo firaketana vakiana fotsiny ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Ny firaketana vakiana fotsiny dia mampiseho saina famantarana miloko volon-davenona ary tsy azo ampiana zavatra na ovaina. Tsy miasa ireo endrika “Fifampiresahana” sy “Fiovana farany”. Ny firaketana vakiana fotsiny dia matetika ahitana fampahatsiahivana hoe tsiambaratelo ilay firaketana.

Rehefa marihinay hoe “vakiana fotsiny” ny firaketana dia manakana ny fiaraha-miasa izany. Koa satria mamporisika ny fiaraha-miasa izahay, dia tsy ekenay ny fangatahan’ny mpitsidika mba hanamarika firaketana iray ho vakiana fotsiny.

Fanaovana tatitra zavatra tsy nety tao amin’ny firaketana iray vakina fotsiny

Raha hanao tatitra zavatra tsy nety tao amin’ny firaketana iray vakiana fotsiny na hanolotra fampahalalana fanampiny dia aoka ianao mba hametraka ireo fanontanianao ao amin’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch. Mba mpidiro ny zavatra tianao hovaina sy ireo antony. Aza mampiditra fampahalalana saro-pady toy ny solon’anarana, laharan’ny mpanampy, na adiresy mailaka.

Azon’ny mpandamina iray atao ny mamindra ny fanontanianao any amin’ny ekipa izay afaka manampy. Mifandray aminao amin’ny alalan’ny hafatra manokana ao amin’ny “Vondrom-piarahamonina” ilay ekipa raha mila fampahalalana fanampiny.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hametrahako fanontaniana na hanomezako valin-teny ao amin’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch?
Hafatra manokana ao amin’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch

Nanampy anao ve ity?