Ahoana no hanafoanako fanovàna diso ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Share

Manara-maso ny fanovàna rehetra momba ny razambe ny Rafi-tetiarana, anisan’izany ny fampahalalana momba ny rohim-pihavanana. Raha tsy ekenao ny fanovàna natao iray dia azonao atao ny mamerina mijery izany sy mitondra izay fanitsiana eritreretinao fa ilaina.

Ireo dingana arahina (tranonkala)

  1. Rehefa tafiditra ao amin’ny FamilySearch dia mankanesa ao amin’ny pejy Olona izay maneho ilay tianao hojerena.
  2. Raha tsy mahita soratra hoe Ireo fampahalalana manan-danja eny akaikin’ny tampon’ny pejy ianao, dia tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  3. Mba hanafoanana ireo fanovàna natao momba ilay olona dia araho ireto dingana manaraka ireto:
    1. Tadiavo ny efajoro misy Ireo fanovàna farany.
    2. Tsindrio ny Aseho daholo
  4. Araho ireto dingana ireto mba hanafoanana ny fanovàna natao tamin’ny fatoram-panambadian’ilay olona:
    1. Midina eo amin’ny fizaràna hoe Ireo olona ao amin’ny fianakaviana.
    2. Tadiavo ireo mpivady, ka tsindrio ny sary famantarana Hanova.
    3. Tsindrio ny Hijery ny fanovàna rehetra.
  5. Araho ireto dingana ireto mba hanafoanana ny fanovàna natao tamin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka momba ilay olona.
    1. Midina eo amin’ny fizaràna hoe Ireo olona ao amin’ny fianakaviana.
    2. Tadiavo ilay zanaka ary tsindrio ny sary famantarana Hanova ho an’ilay fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka.
    3. Tsindrio ny Hijery ny fanovàna rehetra.
  6. Tadiavo ny fanovàna tiana ho foanana. Raha miseho ny soratra hoe Hamerina eny amin’ny farany ankavanana, dia azo atao ny fanafoanana.
    1. Tsindrio ny Hamerina.
    2. Hamarino ny fampahalalana mipoitra.
    3. Tsindrio ny Hamerina.
  7. Raha miseho ny soratra hoe Loharanon-kevitra eny amin’ny farany ankavanana, dia misy antsipiriany fanampiny azo jerena ao izany:
    1. Tsindrio ny Loharanon-kevitra.
    2. Avereno jerena ilay lisitra mba hahitana azo ampiasaina ny safidy Hamerina.
  8. Raha te hifandray amin’ilay olona mpampiasa ny FamilySearch nanatanteraka ny fanovàna, dia tsindrio eo amin’ny fomba ifandraisana aminy. Azonao ampiasaina arak’izany ny rafitra fandefasana hafatra ao amin’ny FamilySearch mba hifandraisana.

Ireo dingana arahina (appli ho an’ny finday)

  1. Ao amin’ny pejy misy ny mombamomba ilay olona, tsindrio ny teboka telo eny ambony ankavanana. Raha mampiasa Android dia atombohy avy hatrany eo amin’ny dingana 3.
  2. Raha mampiasa Apple iOS, dia tsindrio ny Safidy hafa.
  3. Tsindrio ny Fanovàna vao haingana.
  4. Azonao tsindriana ny Hamerina raha miseho izany, mba hamerenana amin’ny laoniny ny fampahalalana tany am-boalohany.

Ireo dingana arahina (Family Tree Lite)

Tsy misy safidy ahafahana mijery ireo fanovàna ny Family Tree Lite ankehitriny.

Lahatsoratra mifandraika

Ahoana no hamerenako amin’ny laoniny ireo fifandraisam-pianakaviana voafafa tao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hamerenako indray ireo firaketana voafafa momba ana olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hanafoanako fampitambarana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hamerenako amin’ny laoniny ireo loharan-kevitra izay nesorina tao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?