Ahoana no fomba hizarako ny fahatsiarovana hitako amin’ny fianakaviana sy ny namana?

Rehefa miditra ao amin’ny FamilySearch ianao dia afaka mizara fahatsiarovana iray ao amin’ny tambajotran-tserasera, na mandefa izany amin’ny email na manome rohy URL mankany amin’izany. Afaka mandefa rohy mankany amin’ny fitahirizana iray ihany koa ianao. Ny olon-drehetra mahazo fahatsiarovana nozaraina dia afaka mampita sy mizara ny fampahalalana amin’ny hafa na dia tsy miditra ao amin’ny FamilySearch aza.

Ny fitahirizana nozaraina dia tsy azo ampidirina ao amin’ny fahatsiarovanao amin’izao fotoana izao.

Dingana (tranonkala)

Avy amin’ny Tetiarana

  1. Hiditra ao amin’ny FamilySearch.
  2. Ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny tranokalan’ny FamilySearch.org, dia asehoy ny pejy misy ny mombamomba ilay olona ho an’ilay olona misy ny fahatsiarovana tianao hozaraina.
  3. Tsindrio ny Fahatsiarovana
  4. Tsindrio ny fahatsiarovana izay tianao hozaraina.
  5. Tsindrio ny Hizara.
  6. Misafidiana fomba iray hizarana an’ilay fahatsiarovana (Facebook, Twitter, PinterestWhatsApp, email, na handika ny rohy). Raha handika na handefa email ny URL, dia araho ireto dingana ireto:
    1. Raha handika ny URL hozaraina, dia tsindrio ny Handika. Azonao atao avy eo ny mametaka ny URL amin’ny hafatra ao anaty email.
    2. Raha handefa email ny URL, dia tsindrio ny Email eo ambonin’ny adiresin’ny tranonkala. Izany dia manokatra ny email-nao ho anao na manokatra ny lisitr’ireo applications ana email azo isafidianana. Rehefa misokatra ilay email, dia efa misy an’ilay URL. Ampidiro ny hafatrao, ary alefao izany. Miankina amin’ny firafitry ny solosainao manokana, dia mety hanotraka mpitety tranonkala vaovao fotsiny izany. Amin’izay tranga izay dia ampiasao ilay safidy ahafahana handika.

Avy ao amin’ny Fahatsiarovana

  1. Hiditra ao amin’ny FamilySearch.
  2. Tsindrio ny Fahatsiarovana ao amin’ny saha misy ny safidy eo an-tampon’ny efijery.
  3. Tsindrio ny Toeram-pampisehoana sary ao amin’ilay saha midina.
  4. Tsindrio ny fitahirizana na fahatsiarovana izay tianao hozaraina.
  5. Tsindrio ny Hizara.
  6. Misafidiana fomba iray hizarana an’ilay fahatsiarovana (Facebook, Twitter, PinterestWhatsApp, email, na handika ny rohy). Raha handika na handefa email ny URL, dia araho ireto dingana ireto:
    1. Raha handika ny URL hozaraina, dia tsindrio ny Handika. Azonao atao avy eo ny mametaka ny URL amin’ny hafatra ao anaty email.
    2. Raha handefa email ny URL, dia tsindrio ny Email eo ambonin’ny adiresin’ny tranonkala. Izany dia manokatra ny email-nao ho anao na manokatra ny lisitr’ireo applications ana email azo isafidianana. Rehefa misokatra ilay email, dia efa misy an’ilay URL. Ampidiro ny hafatrao, ary alefao izany. Miankina amin’ny firafitry ny solosainao manokana, dia mety hanotraka mpitety tranonkala vaovao fotsiny izany. Amin’izay tranga izay dia ampiasao ilay safidy ahafahana handika.

Dingana (applicationho an’ny finday)

Afaka mizara fahatsiarovana avy amin’ny Rafi-tetiarana sy ny applications Fahatsiarovana ho an’ny finday ianao. Mila mampiasa an’ilay tranonkala ianao raha hizara ny fitahirizana rehetra.

Application Arbre familial ho an’ny finday

  1. Ao amin’ilay application Arbre familial ho an’ny finday, dia mandehana amin’ny vakizoro misy ny Fahatsiarovana ao amin’ny pejin’ny olona iray.
  2. Tsindrio ny fahatsiarovana izay tianao hozaraina.
    • Android: Tsindrio ilay sary famantarana ny teboka telo mifandray na ny sary famantarana ny hisintona eo amin’ny sisiny ambony havanana amin’ny efijery mba hitahiry ilay zavatra amina loharano ivelan’ilay application. 
    • Apple iOS: Tsindrio ilay sary famantarana ny efamira eo amin’ny zorony ambany havia amin’ny efijery.
  3. Safidio ny hizara avy amin’ireo safidy atolotry ny fitaovana. 

application Fahatsiarovana ao amin’ny finday

  1. Ao amin’ilay application Fahatsiarovana ao amin’ny finday, dia tsindrio ny zavatra izay tianao hozaraina.
    • Apple iOS: Kitiho fanindroany ilay zavatra mba hampiakatra ny fampahafantarana eo ambany. Avy eo dia tsindrio ilay sary famantarana ny efamira eo amin’ny zorony ambany havia amin’ny efijery.
    • Tsindrio ilay sary famantarana ny teboka telo mifandray ary safidio ny safidy hahafahana hitahiry ilay zavatra amina loharano ivelan’ilay application.
  2. Safidio ny hizara avy amin’ireo safidy atolotry ny fitaovanao. 

Dingana (Family Tree Lite)

Amin’izao fotoana izao, ilay endri-javatra maneho ny Fahatsiarovana dia tsy zakan’ny Family Tree Lite.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hanondranako fahatsiarovana ho ao amin’ny FamilySearch?
Inona ireo fitsipika mihatra amin’ny fanondranana fahatsiarovana ho ao amin’ny FamilySearch.org?

    Nanampy anao ve ity?