Ahoana no hidirako ao amin’ny FamilySearch?

Midira amin’ireo endrika fiasa ao amin’ny FamilySearch, tafiditra amin’izany ny fampiasana ny Family Tree sy ny mba hikarohana ao amin’ny angon-kevitra maimaimpoana anay izay misy ireo firaketana nomerika an-jotra.

Raha mbola tsy manana kaonty ianao dia mamorona aloha kaonty.

Dingana (tranonkala)

  1. Mandehana any amin’ny FamilySearch.
  2. Eo amin’ny zorony ambony havanana dia tsindrio ny Hiditra. (Raha tsy ahitana Hiditra eo amin’ny safidy dia tsindrio ny sary famantarana misy tsipika telo mitsivalana. Dia tsindrio avy eo ny Hiditra.)
  3. Ampidiro ny solonanaranao sy ny tenimiafinao.
  4. Raha tiana hijanona ho tafiditra ianao mandritra ny roa herinandro dia tsindrio ny Hazony tafiditra mandritra ny 2 herinandro aho.
  5. Tsindrio ny Hiditra.

Fanamarihana: Ny endrika fiasa Hazony tafiditra mandritra ny 2 herinandro aho dia mifamatotra amin’ny “cookies” sy ny tenimiafina voatahiry ho an’ny FamilySearch.org ao amin’ny fikirakirana ao amin’ny fitety ampiasainao. Tsy hiasa amin’ireo fitety hafa na ao amin’ny fitety ampiasainao aorian’ny famafana ny “cookies” sy ny “cache” ary raki-tahiry tsy mitoetra maharitra ity endrika fiasa ity.

Dingana (application ho an’ny finday)

  1. Sokafy ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday dia ampidiro ny solonanaranao sy ny tenimiafinao.
  2. Tsindrio ny Hiditra.

Dingana (Family Tree Lite)

Midira ao raha hampiasa ny Family Tree Lite.

  1. Mandehana ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Ampidiro ny solonanaranao sy ny tenimiafinao.
  3. Tsindrio ny Hiditra.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hamoronako kaonty FamilySearch maimaim-poana?
Ahoana no hivoahako avy ao amin’ny FamilySearch?
Hadinoko ny tenimiafina sy ny solonanarako ho an’ny FamilySearch

moduleTitle