Hazon’ny tetiaram-pianakaviana: Inona no vaovao

Share

Aogositra 2024

Hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana
Efa azon’ny mpampiasa ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana rehetra ampiasaina izao ireo Hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Tsy mila mandeha any amin’ny FamilySearch Labs intsony ianao mba hizarana hazo amin’ireo olona mbola velona ao amin’ny fianakavianao.

Fitantanana ny vondrona nohatsaraina
Nohatsaraina sy nitarina ny famoronana sy ny fitantanana ary ny fiaraha-miasa ao anatin’ireo vondrom-pianakaviana. Azon’ny vondrona atao izao ny mizara hazo iray, sy misafidy hazo tiana haseho, ary maharaka ny zava-baovao amin’ny alalan’ny tosa-baovaon’ny fianakaviana.


null

Jolay 2024

Tabilao miendrika fikopahana vaovao
Nohavaozinay ny tabilao miendrika fikopahana fa notazomina kosa ireo zavatra rehetra izay tianao ankehitriny. Somary natsaraina ny endrika ivelany.

  • Loko. Nahena kely ny hamatroky ny loko. Amin’izao ny lahatsoratra dia mainty ary ny ao ambaniny dia fotsy, izay manatsara ny fivoakan’ny sary sy ny famakiana.
  • Zava-misy isafidianana. Tsy miova ny ao anatin’ny Zava-misy isafidianana, saingy nohavaozina ny endriny.
  • Fiasa rehefa maizina. Nosoloina ho Fiasa rehefa maizina ilay safidy mampifamadika ny loko. (Tsindrio nyraha hamadika azy.) Rehefa alefa izy io dia samy lasa matroka ny tabilao miendrika fikopahana sy izay hita ambadika. Teo aloha dia izay hita ao ambadika ihany no matroka.

null

Jona 2024

Fiseho vaovao amin’ny endriny mitsangana
Ny fiseho vaovao amin’ny endriny mitsangana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia hatsaraina mba ho mora kokoa aminao ny mahita sy mitety fianakaviana iray manontolo sy andalana fianakaviana maro indray miaraka.


null

Martsa 2023

Fampiasana sary mahery loko
Ao amin’ny fikirakirana ny Lasitra ijerevana, ilay safidy vaovao hoe Sary mahery loko dia manamora ny famakiana ny pejin’olona.


null

Janoary 2023

  • Takelaka eo anilan’ny Loharanom-pahalalana. Azonao atao izao ny mijery ao amin’ny vakizoron’ny Antsipiriany ny loharanom-pahalalana momba ny olona iray. Tsindrio ao amin’ny fizarana natokana ho an’ny Fitaovana ny hoe Loharanom-pahalalana. Mipoitra ao amin’ny lisitra iray eo amin’ny ilany ankavanan’ny efijery ireo loharanom-pahalalana.
  • Loharanom-pahalalana nohatsaraina. Azonao atao izao ny manisy teny fototra famantarana ireo loharanom-pahalalana amin’ireo karazana fampahalalana rehetra ao amin’ny fizarana natokana ho an’ny Zavatra manan-danja sy fampahalalana hafa.
  • Fikirana ny endriky ny pejiko. Efa afaka mandamina ny vakizoron’ny Antsipiriany ianao izao:
    • Azonao atao ny misafidy ny hampiseho ilay fampahalalana ao amin’ny fizarana Zavatra manan-danja sy fampahalalana hafa ao anatin’ny tsanganana 1 na 2 roa.
    • Hanova ny laharana hisehoan’ireo fizarana.
  • Fanamarihana fanairana. Ny olona tsirairay ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana amin’izao dia ahitana fanamarihana fanairana izay milaza amin’ireo mpampiasa hafa hoe misy fanamarihana na fampitandremana mikasika ny fikarohana izay tokony hovakin’izy ireo mialoha ny hanaovany fanovàna.
  • Rohim-pihavanana hafa. Azonao atao izao ny mirakitra rohim-pihavanana eo amin’ireo olona izay tsy mpianaka mivantana na tsy mpivady.
  • Fanasivanana sy endrika isehoan’ny vakizoron’ny fahatsiarovana nohatsaraina.
  • Vakizoron’ny mombamomba. Misy vakizoron’ny "Mombamomba" ao amin’ilay pejy vaovao ho an’ny olona ary misy fomba mahasarika ao hamantarana olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Sy ny maro hafa! Jereo hoe inona koa no vaovao.

Nanampy anao ve ity?