Azonao atao ny mampiditra toerana sinoa ao amin’ny Rafi-tetiarana. Ireto toro-hevitra manaraka ireto dia hanampy anao haka antoka fa ilay toerana dia voarakitra sy voarafitra araka ny tokony ho izy.
Ataovy voafaritra mazava tsara araka izay azo atao.
Ampidiro ireo anarana faritany, fivondronana, kaomina, ary anarana amin’ny ambaratonga fototra raha toa ka fantatrao na afaka hitanao izy ireny. Raha tsy fantatrao ny anaran-toerana feno, dia ampidiro izay betsaka indrindra azonao atao. Ohatra:
Romana | Sinoa |
Taizicheng, Sitaizui, Chongli, Zhangjiakou, Hebei, Sina | 中國河北省張家口市崇禮區四臺嘴鄉太子城村 |
Guizhou | 贵州省 |
Xinjie, Midu, Dali Bai, Yunnan | 雲南省大理白族自治州彌渡縣新街鎮 |
Nanping, New Taipei City, Taiwan | 臺灣新北市南平 |
Ampidiro amin’ny filaharany araka ny tokony ho izy amin’ny fiteny ampiasainao ilay anarana.
Amin’ny fiteny sinoa sy amin’ireo fiteny izay itanisana any am-boalohany ny firenena, dia ilay firenena aloha soratana voalohany. Avy eo dia ampidiro ireo anarana faritany, fivondronana, kaomina, ary anarana amin’ny ambaratonga fototra.
中國山西省忻州市定襄縣晉昌鎮
Amin’ny fiteny anglisy sy amin’ireo fiteny izay itanisana amin’ny farany ny firenena, dia ampidiro aloha ny anarana amin’ny ambaratonga fototra, kaomina, fivondronana, ary faritany. Ampidiro farany ny anaran’ny firenena.
Jinchang, Dingxiang, Xinzhou, Shanxi, Sina
Misafidiana toerana manaraka ny fenitra.
Mba hanampiana anao hanavaka ireo toerana manana anarana mitovy amin’ireo anarana izay niova rehefa nandeha ny fotoana, ny FamilySearch dia mihazona lahatahiry an’ireo toerana manaraka ny fenitra.
Rehefa mampiditra toerana iray ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao dia ireo toerana manaraka ny fenitra izay mifandray no mipoitra eo amin’ny lisitra afaka miitatra eo ambanin’ilay faritra.
Ny Rafi-tetiarana dia mitahiry ny toerana araka izay nampidiranao azy sy ny endrika manaraka ny fenitra an’ilay anarana. Ny toerana manaraka ny fenitra dia manampy amin’ny fakana antoka fa ilay toerana dia miseho araka ny tokony ho izy sy voakaroka araka ny tokony ho izy ao amin’ny Rafi-tetiarana.
Mivoatra tsy tapaka ny lahatahirin’ny fenitra mifehy ny toerana, saingy mbola tsy vita izany ho an’i Sina. Raha toa ilay toerana manaraka ny fenitra izay ilainao ka tsy misy, dia andramo ireo toro-hevitra ireto:
- Ampio fampahalalana misimisy kokoa amin’ilay toerana nosoratanao, toy ny fivondronana na anaran’ny firenenana. Avy eo dia safidio ary ataovy ho toy ny fenitra ny ambaratongana fari-piadidiana ambony kokoa. Safidio ataovy fenitra ny anaran’ilay firenena raha izany fotsiny no fantatrao.
- Raha toa ka tsy mahita anarana toerana ara-tantara ianao, dia ovao anarana maoderina izany. Ohatra, ny 北平 dia ovao ho 北京. Ny lahatahirin’ny fenitra mifehy ny toerana an’ny FamilySearch amin’izao dia misy anaran-toerana sinoa maoderina bebe kokoa mihoatra ireo izay ara-tantara.
- Raha tsy mahomby izany dia midina hatreny ambanin’ny lisitra ary safidio ny Tsy misy amin’ireo ambony ireo. Avy eo dia mankanesa eo amin’ny Ireo toerana ato amin’ny FamilySearch mba hanehoana fa nampiditra izany isika.
Lahatsoratra mifandray
Ahoana no fomba hampidirako daty sy toerana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no fomba hanitsiako na hanovako toerana iray ao amin’ny FamilySearch?
Ahoana no fomba hanondroako toerana vaovao ao amin’ny Toerana ato amin’ny Ireo toerana ato amin’ny FamilySearch?
Ahoana no fomba hampidirako daty nalaina avy tao amina lahatsoratra nentim-paharazana sinoa ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no fomba hampidirako anarana sinoa ao amin’ny Rafi-tetiarana?