Ahoana no hamoronako rakitra GEDCOM?

Ny GEDCOM dia rakitra iraisana, ahafahana mamindra rakitra momba ny tantaram-pianakaviana iray ao amina programan' ordinatera iray, ho amina programan' ordinatera iray hafa. 

 Tsy afaka maka rakitra GEDCOM avy ao amin' ny Rafi-tetiarana ianao. Tsy ahitana fomba ahafahana mitahiry porofo sy fampahalalana hafa tena ilaina izay ananan' ny Rafi-tetiarana samirery ny GEDCOM. 

Manana fitaovana mamorona rakitra GEDCOM ny ankamaroan' ny mpiara-miasa amin' ny FamilySearch. Mamela anao haka fampahalalana avy ao amin' ny Rafi-tetiarana, hanova ny fampahalalana ao, ary hamoaka izany ao amn' nny Rafi-tetiarana indray ny sasany aminy. Jereo ny hoe Famahana Olana ao amin' ny FamilySearch raha te hahita fampahalalana fanampiny momba an' io fitaovana io ianao. 

Raha efa manana programa mpamorona rakitra GEDCOM ianao, dia jereo ny fanampiana na ny pejin' ny mpamorona an' ilay programa mba hahitanao ny fomba fampiasa azy. Raha efa manana rakitra GEDCOM ianao, dia azonao ampakarina ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ao amin' ny FamilySearch.org ny kopiany. Ireto ny tombony ho azonao raha ampakarinao ao ireo rakitra:

  • Hotehirizin' ny FamilySearch ny rakitrao. Ho afaka hamafa na hanolo azy ianao any aoriana any.
  • Afaka mahita ny fampahalalana ao amin' ilay rakitra GEDCOM anao ny mampiasa hafa saingy tsy afaka manova azy.
  • Afaka manao dika mitovy ny fampahalalana ao amin' ny rakitra GEDCOM anao ho ao amn' nny Rafi-tetiarana ianao.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanaovako dika mitovy fampahalalana ao amin' ny rakitra GEDCOM ko ho ao amn' nny Rafi-tetiarana?
Ahoana ho hampakarako rakitra GEDCOM?

Nanampy anao ve ity?