Ahoana no hanaovako dika mitovy fampahalalana ao amin' ny rakitra GEDCOM-ko ho ao amin' ny Rafi-tetiarana?

Rehefa avy nampakarinao ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ilay rakitra GEDCOM, dia azonao adika ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay fampahalalana. Tsy afaka mamorona firaketana miverimberina anefa ianao rehefa avy nandika an' io fampahalalana io. Afaka mampiditra fampahalalana diso ao amin' ny Rafi-tetiarana koa ianao, na mamafa ny fampahalalana nandraisan' ny mpampiasa hafa anjara. Aza adika indray miaraka ao amin' ny Rafi-tetiarana, azafady, ireo fampahalalana rehetra, fa afindrao tanana ary ampidiro ny daty sy ny zava-misy fantatrao hoe marina .

Raha tapa-kevitra ny hanao izany ianao dia tadidio fa ny fanamarihana, loharano, rohy, ary fampahalalana momba ny olona mbola velona dia tsy voadika ho azy ao amin' ny Rafi-tetiarana.

    Alohan' ny hanombohanao

    1. Mamela anao hamoaka fampahalalana amin' ny rakitra GEDCOM ny ankamaroan' ny programan'ordinatera fanaovana tetiarana. Ny rakitra GEDCOM dia rakitra iombonan' ny programa fanaovana tetiarana, natao hifamindrana fampahalalana amin' izy samy izy.
    2. Hamarino ny fampahalalana ao amin' ny rakitra GEDCOM-nao. Alefaso izay fitaovana ao amin' ny fandrindrana firaketana afaka manao an' ireto:
      • Manamarina hoe mitovy amin' ny mahazatra ny nampidirana ny anarana, daty, ary toerana.
      • Manamarina hoe efa azo zaraina amin' ny besinimaro ny fanamarihanao.
      • Manamarina sao dia mety hisy olana.
      • Manamarina sao dia misy olona miverimberina.
      • Manamarina sao dia misy anaran-toerana miverimberina.
      • Manamarina sao dia misy olona mbola tsy mifandray.
    3. Manamarina ny fampahalalana ao. Jereo ireo fampahalalana izay tsy tianao havoaka. Fafao na mariho hoe tsiambaratelo izy ireo alohany hamoronanao rakitra GEDCOM.
      • Jereo ny fanamarihana sy ny fampahalalana hafa tsy voarafitra.
      • Hotarafin' ny fitaovanay ilay rakitrao mba hahitana hoe iza amin' ireo olona ao amin' ny tetiaranao no mbola velona. Tsy avoakanay ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ny firaketan' ny olona mbola velona.
    4. Mamorona rakitra GEDCOM iray na maromaro ho anao.
      • Raha tsy fantatrao ny fomba famoronana azy, dia jereo ny toromarika niaraka tamin' ny programanao. 
      • Amporisihinay ianao mba hamorona rakitra GEDCOM kelikely. Moramora ny manao fampitahana sy mandamina ny fandikana azy raha 100 ihany ny anarana ao anatin' ny rakitra.
      • Raha tianao hotehirizina sy hozaraina fotsiny ny rakitrao, dia mahazaka hatramin' ny 100 Mo izy.

    Fizarana 1. Ampakaro sy hamarino ilay rakitrao

    1. Ampakaro ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ilay rakitra GEDCOM:
      1. Midira ao amin' ny FamilySearch avy eo tsindrio ny hoe Hikaroka.
      2. Tsindrio ny hoe Firazanana
      3. Midina eny amin' ilay hoe Inona no tsy mampitovy ny Firazanana sy ny Rafi-tetiarana ao amin' ny FamilySearch?
      4. Tsindrio ny hoe Hampakatra ny Tetiaranao Manokana.
      5. Tsindrio ny hoe Hampakatra rakitra GEDCOM.
      6. Tsindrio ny hoe Hifidy Rakitra —-> tadiavo ao amin' ny ordinateranao ilay rakitra GEDCOM.
      7. Ampidiro ny anaran' ilay tetiarana.
      8. Ambarao eo amin' ilay hoe Mombamomba, ny toerana nahazoanao an' ilay tetiarana sy izay tsara ho fantatra momba ny fikarohana azy.
      9. Tsindrio ny hoe Hampakatra ny Tetiaranao Manokana. Manomboka amin' izay ny fampiakarana.
    2. Andraso ho vita ny fampakarana ilay rakitrao.
    3. Tsindrio ny hoe Hampitaha. Hisy soratra hoe Mampitaha... hiseho eo mandra-pahavitan' ilay fampitahana. Rehefa vita ilay fampitahana, dia ireto indray no mitranga:
      • Haharay mailaka avy amin' ny FamilySearch ianao.
      • Hisy soratra hoe Vonona eo amin' iay tsanganana hoe Sata
      • Hisy bokotra hoe Hijery hiseho.

    Fizarana faha-2. Jereo ny famintinana ny vokatr'ilay izy

    1. Tsindrio ny hoe Hijery. Tahaka izao ny famitinana ny vokany:
      • Mety Hitovy Aminy: Ny isan' ny olona mety ho efa ao amin' ny Rafi-tetiarana. Mifanakaiky ireo firaketana saingy tsy mitovy. Ampitovinao ireo firaketana dia dinihinao raha mitovy na tsia.
      • Ampidirina amin' ny Rafi-tetiarana: Ny isan' ny olona tsy ao amin' ny Rafi-tetiarana. Azonao jerena tsirairay ireo olona ary dinihinao raha hampidirinao ao amin' ny Rafi-tetiarana ny firaketany na tsia.
      • Efa ao amin' ny Rafi-tetiarana: Ny isan' ny olona efa ao amin' ny Rafi-tetiarana. Mety hisy fampahalalana hafa momba an' ilay olona ny rakitrao. Azonao dinihina hoe aiza amin' ireo fampahalalana ao amin' ny rakitra no hafindranao ao amin' ny Rafi-tetiarana.
      • Diso sy Mbola Velona: Isakin' ny olona hitan' ny fitaovana hoe mbola velona na diso. Tsy afaka mampiditra an' ireo olona ireo ao amin' ny Rafi-tetiarana ianao.
    2. Mba hanombohanao hamindra fampahalalana ao amin' ny Rafi-tetiarana, dia tsindrio ny hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana

    Fizarana faha-3. Hamarino ilay lisitra hoe Mety Hitovy

    Ilay lisitra hoe Mety Hitovy dia ahitana an' ireo olona ao amin' ny rakitra GEDCOM-nao, izay mety efa manana firaketana ao amin' ny Rafi-tetiarana. Misy telozoro mavomavo ahitana tsoraka ao anatiny ny anarana tsirairay. 

    1. Raha tsy miseho ilay lisitra hoe Mety Hitovy, dia tsindrio ny hoe Mety Hitovy eo amin' ny sivana.
    2. Jereo ny olona voalohany ao anatin' ilay lisitra, ary ampitahao ny fampahalalana eo ankavia sy ankavanana. Diniho raha manondro olona iray ihany ireo fampahalalana eo amin' ny lafiny roa ireo.
      • Eo ankavia ny fampahalalana ao anatin' ny rakitra GEDCOM-nao.
      • Eo ankavanana ny fampahalalana ao amin' ny Rafi-tetiarana.
    3. Raha manondro olona iray ihany ny fampahalalana eo amin' ny lafiny roa, dia araho ireto dingana ireto:
      1. Tsindrio ny Eny. Misy efajoro mangamanga eo amin' ny fampahalalana tsirairay avy ao amin' ny rakitra GEDCOM-nao, izay tsy mitovy amin' izay ao amin' ny Rafi-tetiarana.
      2. Hamarino ny efajoro mangamanga tsirairay. Raha ahitana fampahalana marina kokoa na feno ny efajoro mangamanga iray, dia tsindrio ny hoe Hanolo. Raha miova hevitra indray ianao, dia tsindrio ny hoe Hamerina. Rehefa manindry an' ilay hoe Hanolo ianao, dia hiseho eo amin' ny efijery ireto fanovana ireto:
        • Hifindra eo amin' ny lafiny ankavanana ilay efajoro mangamanga.
        • Hiseho eny ambonin' ny efijery ilay bokotra hoe Hitahiry sy Hamafa.
        • Hisy faritra azonao ampidirana anton' ny fanambarana hiseho.
      3. Raha nafindranao eo amin' ny lafiny ankavanana ny fampahalalana iray, dia mampidira anton' ny fanambarana, manazava hoe ahoana no ahalalanao fa marina ny fampahalalanao. Tsindrio ny hoe Hitahiry.
        • Afaka mampiditra antony iray ihany ianao amin' ny fampahalalana rehetra nosoloinao. Raha hampiditra antony hafa ianao, dia azonao ampidirina avy ao amin' ny Rafi-tetiarana izany. Midira ao amin' ny Rafi-tetiarana ary havaozy ny anton' ny fanambaranao.
      4. Tsindrio ny olona manaraka ao amin' ny lisitra.
      5. Raha ahitana olona mihoatra ny 10 ilay lisitra, dia afaka mifindrafindra ianao rehefa manindry ny bokotra hoe Manaraka sy Teo Aloha.
    4. Raha manondro olona hafa ny fampahalalana eo ankavia, dia araho ireto dingana ireto:
      1. Tsindrio ny hoe Tsy Mitovy.
      2. Raha mihoatra ny iray ny olona hitan' ny programa hoe mety hitovy aminy ao amin' ny Rafi-tetiarana, dia tsindrio ny hoe Olona Hafa Mety Hitovy Aminy. Tsindrio ny anarana tsirairay ao anatin' ilay lisitra mba hanamarinana izany.
      3. Raha tianao hampidirina ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay olona, dia tsindrio ny hoe Hampiditra. Ho voadika ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay fampahalalana. 
        • Zava-dehibe: Aza ampidirina ao amin' ny Rafi-tetiarana ny olona efa ao. Mahatonga ny firaketana hiverimberina izany. Tsy maintsy handravona izany ianao na ny olon-kafa any aoriana any.
      4. Tsindrio ny olona manaraka ao anatin' ilay lisitra hoe Mety Hitovy.
      5. Raha ahitana olona mihoatra ny 10 ilay lisitra, dia afaka mifindrafindra ianao rehefa manindry ny bokotra hoe Manaraka sy Teo Aloha.

    Fizarana faha-4. Hamarino ilay lisitra hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana

    Ireo olona ao amin' ny rakitra GEDCOM-nao nefa tsy mbola ao anatin' ny Rafi-tetiarana no hita ao anatin' ny lisitra hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana. Hisy marika hoe "+" eo akaikin' ny anarana tsirairay ao anatin' ilay lisitra. 

    1. Raha tsy miseho ilay lisitra hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana,dia mankanesa eny amin' ny sivana, ary tsindrio ny hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana .
    2. Hamarino ny olona voalohany ao anatin' ilay lisitra. 
    3. Raha tianao hampidirina ao amin' ny Rafi-tetiarana izy, dia tsindrio ny hoe Hampiditra. Ho voadika ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay fampahalalana. 
    4. Tsindrio ny olona manaraka ao amin' ny lisitra hoe Hampiditra ao amin' ny Rafi-tetiarana.
    5. Raha ahitana olona mihoatra ny 10 ilay lisitra, dia afaka mifindrafindra ianao rehefa manindry ny bokotra hoe Manaraka sy Teo Aloha

    Fizarana faha-5. Hamarino ilay lisitra hoe Efa ao amin' ny Rafi-tetiarana

    Mety hahitana olona efa ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay rakitra GEDCOM-nao. Mety ho marina kokoa noho izay efa ao amin' ny Rafi-tetiarana ny fampahalalanao. Azonao afindra ao amin' ny firaketan' ilay olona ao amin' ny Rafi-tetiarana ireo fampahalalana ireo, kanefa tsy mamorona firaketana vaovao ho n' iilay olona ianao.

    1. Raha tsy miseho ilay lisitra hoe Efa ao amin' ny Rafi-tetiarana, dia mankanesa eny amin' ny sivana, ary tsindrio ny hoe Efa ao amin' ny Rafi-tetiarana.
    2. Jereo ny olona voalohany ao anatin' ilay lisitra, ary ampitahao ny fampahalalana eo ankavia sy ankavanana. Ireo efajoro mangamanga dia mampiseho ireo fampahalalana amin' ny rakitra GEDCOM-nao, izay tsy mitovy amin' izay ao amin' ny Rafi-tetiarana.
      • Eo ankavia ny fampahalalana ao anatin' ny rakitra GEDCOM anao.
      • Eo ankavanana ny fampahalalana ao amin' ny Rafi-tetiarana.
    3. Hamarino ny efajoro mangamanga tsirairay. Raha ahitana fampahalalana marina kokoa na feno ny efajoro mangamanga iray, dia tsindrio ny hoe Hanolo. Raha miova hevitra indray ianao, dia tsindrio ny hoe Hamerina. Rehefa manindry an' ilay hoe Hanolo ianao, dia hiseho eo amin' ny efijery ireto fanovana ireto:
      • Hifindra eo amin' ny lafiny ankavanana ilay efajoro mangamanga.
      • Hiseho eny ambonin' ny efijery ilay bokotra hoe Hitahiry sy Hamafa.
      • Hisy faritra azonao ampidirana anton' ny fanambarana hiseho.
    4. Raha namindra efajoro mangamanga iray avy eo ankavia miankavanana ianao, fara fahakeliny, dia mampidira anton' ny fanambarana. Hazavao hoe nahoana no marina kokoa noho ny fampahalalana ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay ao amin' ny rakitra GEDCOM anao. Tsindrio ny hoe Hitahiry.
      • Afaka mampiditra antony iray ihany ianao amin' ny fampahalalana rehetra nosoloinao. Raha te hampiditra antony samihafa ianao amin' ny fampahalalana tsirairay, dia asio fanamarihana ny laharana ID an' ilay firaketana ao amin' ny Rafi-tetiarana. Midira ao amin' ny Rafi-tetiarana avy eo ary havaozy ny anton' ny fanambaranao.
    5. Tsindrio ny olona manaraka ao amin' ny lisitra.
    6. Raha ahitana olona mihoatra ny 10 ilay lisitra, dia afaka mifindrafindra ianao rehefa manindry ny bokotra hoe Manaraka sy Teo Aloha

    Dingana ilaina manaraka

    • Fafao ilay rakitra GEDCOM-nao raha tsy tianao hijanona ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana. Raha fafanao avy ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ilay rakitra GEDCOM-nao, dia hijanona ao amin' ny Rafi-tetiarana ireo fampahalalana nadikanao tao amin' ny Rafi-tetiarana.
    • Hamarino ireo fampahalalana nampidirinao ao amin' ny Rafi-tetiarana. Mampidira loharano, fanamarihana, ary anton' ny fanambarana. Hamarino sao misy miverimberina, ary aravony izay hitanao.
    • Raha manana sary, tantara, na tahirin-kevitra ianao, dia ampakaro ao amin' ny Fahatsiarovana ao amin' ny FamilySearch. Avy eo asio marika ilay izy mba hiseho amin' ny firaketan' ilay olona ao amin' ny Family Tee.
    • Mba hahafahanao manavao ireo fampahalalana nampakarinao, dia fafao ilay rakitra GEDCOM amin' izao, ary mampidira rakitra nohavaozina.

    Lahatsoratra mifandray

    Ahoana no hanomanako rakitra GEDCOM? 
    Inona no mitranga amin' ireo fampahalalana nampakarina tamin' ny alalan' ny rakitra GEDCOM?

    Nanampy anao ve ity?