Ahoana ho hampakarako rakitra GEDCOM?

Afaka mampakatra rakitra GEDCOM ao amin' ny tantaran' ny fianakavianao ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana (PRF) ianao. Afaka mahita ny tantaram-pianakavianao ny mpampiasa FamilySearch amin' izay, saingy tsy afaka manova azy. 

Rehefa avy nampakarinao ilay rakitra, dia ianao irery ihany no manana fahefana feno aminy. Azonao atao ny:

  • Mamafa an' ilay rakitra avy ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana.
  • Manolo vaovao an' ilay rakitra.
  • Ampitahao amin' ny Family Tree ny rakitra GEDCOM-nao avy eo mamindrà fanazavana ao amin' ny Family Tree.

Alohan' ny hanombohanao

  1. Mety hamela anao hamoaka fanazavana amin' ny rakitra GEDCOM ilay programan' ordinatera fanaovana tetiarana ampiasainao. Ny rakitra GEDCOM dia rakitra iombonan' ny programa fanaovana tetiarana, natao hifamindrana fanazavana amin' izy samy izy.
  2. Hamarino ny fanazavana ao amin' ny rakitra GEDCOM-nao. Ampiasao ireo fitaovana ao amin' ny fandrindrana firaketanao mba hahitana sao misy diso:
    • Ataovy azo antoka hoe mitovy amin' ny mahazatra ny fisehon' ny anarana, daty, ary toerana.
    • Ataovy azo antoka hoe efa azo zaraina amin' ny besinimaro ny fanamarihanao.
    • Hamarino sao dia mety hisy olana.
    • Hamarino sao dia misy olona miverimberina.
    • Hamarino sao dia misy anaran-toerana miverimberina.
    • Hamarino sao dia misy olona mbola tsy mifandray.
  3. Diniho tsara sao misy fanazavana tsy tianao havoaka miseho amin' ilay fanazavana havoakanao:
    • Jereo ny fanamarihana sy ny fanazavana hafa tsy voarafitra. Asio marika hoe tsiambaratelo na fafao ireo fanazavana tsy tianao havoaka. Avy eo mamorona rakitra GEDCOM.
    • Hotarafin' ny fitaovanay ilay rakitrao mba hahitana hoe iza amin' ireo olona ao amin' ny tetiaranao no mbola velona. Tsy miseho ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ny firaketan' ny olona mbola velona.
  4. Mamorona rakitra GEDCOM ho anao.
    • Raha tsy fantatrao ny fomba famoronana azy, dia jereo ny toromarika niaraka tamin' ny programanao.
    • Raha mieritreritra ny handika an' ilay fanazavana ao amin' ny Family Tree ianao, dia amporisihinay mba ho rakitra GEDCOM ahitana anaran' olona tsy mihoatra ny 100 no halefanao. Ho moramora amin' izay ny mandamina ny fampitahana sy ny fandikana rehefa vita ny fampakarana an' ireo rakitra kelikely ireo.
    • Raha tianao hotehirizina sy hozaraina fotsiny ny rakitrao, dia mahazaka hatramin' ny 100 Mo izy.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ny FamilySearch avy eo tsindrio ny hoe Hikaroka
  2. Tsindrio ny hoe Firazanana
  3. Midina eny amin' ilay hoe "Inona no tsy mampitovy ny Firazanana sy ny Rafi-tetiarana ao amin' ny FamilySearch?"
  4. Tsindrio ny hoe Hampakatra ny Tetiaranao Manokana.
  5. Tsindrio ny hoe Hampakatra rakitra GEDCOM.
  6. Tsindrio ny hoe Hifidy Rakitra —-> tadiavo ao amin' ny ordinateranao ilay rakitra GEDCOM.
  7. Ampidiro ny anaran' ilay tetiarana.
  8. Ambarao eo amin' ilay hoe Mombamomba, ny toerana nahazoanao an' ilay tetiarana sy ny fikarohana natao mba hahitana azy.
  9. Tsindrio ny hoe Hampakatra.

Dingana (application mobile)

Hatreto dia mbola tsy ahafahana mampakatra rakitra GEDCOM ny application Family Tree. Tsidiho ny tranonkala FamilySearch raha tianao ny hampakatra rakitra.

Dingana (Family Tree Lite)

Hatreto dia mbola tsy ahafahana mampakatra tahirin-kevitra GEDCOM ny Family Tree Lite. Ampiasao ny tranonkala feno raha te hampakatra ireo rakitrao ianao.

Vokany

Ampidirin' ny programa ao amin' ny Rakitra Momba ny Rohim-pirazanana ny rakitra GEDCOM nampakarinao. Mety haharitra 30 minitra eo io dingana io. Arakaraka ny vesatry ny rakitra GEDCOM ny fahelan' ny fampakarana.
Rehefa vita ny fampakarana, dia afaka mikaroka sy mijery an' ilay fanazavana daholo ny mpampiasa FamilySearch rehetra.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanomanako rakitra GEDCOM?
Ahoana no hanaovako dika mitovy fanazavana ao amin' ny rakitra GEDCOM-ko ho ao amin' ny Family Tree?
Inona no mitranga amin' ireo fanazavana nampakarina tamin' ny alalan' ny rakitra GEDCOM?

moduleTitle