Aleo miaiky isika hoe: sarotra ny manonona ny teny hoe tetiarana ary koa ny fanatanterahana azy. Mety ho hitanao ho mavesatra izany. Mety nieritreritra foana ianao fa tsy maintsy manam-pahaizana aloha ianao na mangataka manam-pahaizana iray mba hikaroka ny fototry ny hazon-tetiaram-pianakavianao. Tsy marina izany! Afaka manao izany koa ianao, ary izao dia izao.
Na dia marina aza fa misy sampana sasantsasany ao amin’ny hazon-tetiaranao izay mety ezaka lehibe ny fihanihana azy ary na dia marina aza fa ny sasany amin’ilay sora-madinika fahiny dia mety hampitahotra, dia tsy ireo fotsiny ihany no hita eo am-pikarohana ny tantaran’ny fianakavianao.
Afaka manao zavatra tsotra ianao androany mba hanombohana ny famoahana sy ny fitantarana ny tantaran’ny fianakavianao. Raha ny marina dia matetika ireo antsipirian-javatra isan’andro izay hitantsika mikasika ireo razambentsika no mitondra fiovana.
1. Atombohy amin’izay mahakasika ny tenanao
Raha mahakasika ny tetiarana ho an’ny vao manomboka dia tsarovy fa manomboka aminao ny tetiaranao. Aza matahotra ny hanomboka amin’ny alalan’ny zavatra kely. Ireto misy fanontaniana efatra mba hanombohana izany:
- Inona avy ireo fahatsiarovana anananao mikasika ny fianakavianao akaiky?
- Inona avy ireo fahatsiarovana ananan’ny fianakavianao akaiky mikasika ny fianakaviambenao?
- Ahoana ny fomba nifanenan’ny ray aman-drenibenao?
- Taiza no nianatra ny ray aman-dreninao?

Mety ho tsy ampoizinao ny zavatra azonao ianarana amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana hiarahana mipetraka amin’olona iray ary mamoha ny lasa. Ataovy fotsiny izay hahitanao fomba hiraketana ireo tantara ireo, na amin’ny alalan’ny fampiasanao taratasy sy penina izany, na amin’ny alalan’ny fakan-tsary ao amin’ny telefaoninao na amin’ny alalan’ny fitaovana fandraketana iray. Ho faly ianao hoe nanao izany.
Raha vao voarakitra ireo tantaran’ny fianakavianao dia ataovy izay hitehirizana izany ao amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch. Ny fanaovana izany dia tsy hoe hitahiry azy ireo ho anao fotsiny fa ho an’ny fianakavianao iray manontolo mba hojerena.
2. Mitadiava loharano eo an-toerana

Tsy mila mandeha na aiza na aiza ianao mba hanombohana ny fikarohana ataonao. Raha toa ianao ka manana telefaonina na solosaina azo entina mandehandeha izay misy internet, dia afaka manomboka izao dia izao ianao!
Moa ve ianao manana boky izay nampitaina tany aminao? Anontanio ireo olona ao amin’ny fianakaviana raha toa ka manana sary na raki-pampahalalana na diary izy ireo. Afaka mikaroka any amin’ny tranomboky eo amin’ny toerana misy anao koa ianao.
Na dia tsy avy eo amin’ilay toerana aza ny fianakavianao dia hevero ny hitady boky izay miresaka mikasika ny zava-nitranga manan-tantara iray izay eritreretinao fa mety nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’ny razambenao, na ny fiainan’ny ray na reny, na ny fiainan’ny raibe na renibe. Na manaova fikarohana an-jotra fotsiny mikasika ny dikan’ny anaranao. Na dia ireo dingana kely ireo aza dia afaka manampy anao hanambatambatra ny toerana niavianao.
Azonao heverina koa, amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra hitanao, ny hanao fikarohana ao amin’ny amboaram-piraketana lehibe an’ny FamilySearch. Afaka mahita firaketana maro momba ny fianakavianao ianao na dia amin’ny alalan’ny fampahalalana kely momba ny razambenao fotsiny aza.
3. Tohizo ilay lova
Tsy azo inoana hoe ny olona ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakavianao dia noraisina ho toy ny razambe mahaliana indrindra ao amin’ny fanisam-bahoaka. Niaina fotsiny ny fiainany toa anao izy ireo. Miaina ao anatina tontolo be atao isika amin’izao fotoana izao. Aza hadino ny manokana fotoana hamoronana fomba fanao eo anivon’ny fianakaviana, na dia zavatra tsotra toy ny fihinanana gilasy ny sabotsy tolakandro aza.
Tsarovy ny mba ho eo amin’ny fiainan’ireo olona manodidina anao sy hirakitra ireo zavatra niainan’ny fianakavianao. Ny fanokanana fotoana hamantarana ny fianakavianao, na ny fianakaviana tany aloha na ny amin’izao fotoana izao, dia mampisy loko sy heviny fanampiny ny fiainana.

Noho izany dia aza manambany ny tenanao fa mety mahay kokoa an’ity zavatra ity noho ny fieritreretanao azy ianao. Raha ny marina dia tsy misy olona mifoha indray andro ka lasa mpanao tetiarana matihanina. Ny hany fomba hianarana bebe kokoa dia ny mifidy toerana iray hanombohana.
Mila hevitra bebe kokoa ve ianao? Jereo ny Ivon-toerana Fizahan-javatra, an’ny FamilySearch ary tsarovy fa ny zavatra tena manan-danja indrindra mahakasika ny tetiarana ho an’ny vao manomboka dia ny tonga dia manomboka.