Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch: Ny fomba fampidirana antsipirian-javatra manan-danja eo amin’ny sarin’ny fianakaviana

Unsplash_baseballvintage

Iza no tsy tia mijery sarim-pianakaviana? Tena tsy misy zavatra tahaka azy ireo mba hanorenana fifandraisana amin’ireo taranaka teo aloha sy ny amin’izao fotoana izao.Ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch dia manolotra fomba maimaim-poana sy tsotra mba hiarovana ireo sary manan-danja ireo sy hizarana izany amin’ny fianakaviana ankehitriny sy ireo taranaka any aoriana.Saingy ao anatin’ilay fandefasana haingana ireo sary, dia mora ny manadino ny fampidirana antsipirian-javatra manan-danja izay hanampy ireo taranaka any aoriana mba hahatakatra ny zavatra jeren’izy ireo sy ny olona jeren’izy ireo. Alaivo sary an-tsaina ny fahasorenan’ireo olona hoisan’ny fianakaviana any aoriana any rehefa mijery ilay sarinao tsotra ahitana ny fitorahan’ny olona mofomamy teny amin’ny tarehinao izy ireo ary tsy fantany ilay “fanamarihana mifono fihantsiana nolazaina” izay niteraka izany!Ndeha isika hijery vetivety ireo fomba ahafahanao mampiditra ireo karazana antsipirian-javatra manan-danja ireo ao amin’ny sarinao mialoha ny hanjavonan’izy ireo noho izy ireo nitranga tany aloha ela be tany.

Hampiditra antsipirian-javatra ao amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch

  1. Lohateny. Natao hifono famaritana izany na hampihomehy. Ny lohateny dia mampiditra zavatra miavaka manokana ary manome fomba iray iraisana hiantsoana izany sarin’ny fianakaviana izany.
  2. Fanoratana anaran’olona. Izy io dia manome fahafahana anao mba hanondro olona eo amin’ny sary ary hampifandray azy ireo amin’ny pejin’izy ireo ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana mba hahafahan’ireo havana hafa mankafy ilay sary koa.
  3. Datin’ny zava-nitranga na toerana nisehoan’ilay zava-nitranga.  Ireo sombina fampahalalana ireo dia afaka ny ho faran’izay manan-danja rehefa fantatra. Ny fahafantarana ny fotoana sy ny toerana nakana sary dia manampy an’ireo izay mijery izany, farafaharatsiny ara-panoharana, mba hiaina zavatra amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ny razamben’izy ireo.
  4. Famaritana. Manorata teny vitsivitsy fanampiny ankoatra ilay lohateny mba hahafahanao manazava ny toerana niavian’ilay sary, sy ny olona manana izany amin’izao fotoana izao ary ny antony maha-zava-dehibe ny fitehirizana izany.
  5. Tantara. isan’ireo fomba tena tsara tsy hanadinoana velively ny sary iray ny fampidirana tantara mampihomehy, na manafana ny any anaty, na mifono fampahalalana izay mampiditra antsipirian-javatra tsy ho azonao raha amin’ny fomba hafa.
  6. Fanamarihana. Mampidira fampahalalana fanampiny momba ny fomba nahazoanao ilay sary sy ny momba ny zavatra tsapanao mikasika ilay sary ary valio ireo fanamarihana mety hateraky ny sarinao.

Raha toa ianao ka mbola tsy nandefa sary any amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch, dia andramo izany. Afaka mampiasa ireo sary ao anatin’ny disque dur ao amin’ny solosainao ianao, na ao anatin’ny fitaovana elektrônika, na ao amin’ireo sampana mpanao asa toy ny Facebook, Instagram, na Google Photos. Handeha poa toy izay eo amin’ny lalan’ny fahatsiarovana ianao. Andramo ny hoe Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch ao amin’ny solosainao na ao amin’ny fitaovana findainao: iOS | Android 


Author Default Image
Momba ilay namorona
Matt Wright