Nampiana efajoro fanamarihana ny Karatra misy anaran’ny fianakaviana ary nesorina ny adiresy manokana.

Sary maneho ilay endrika vaovao ny karatra misy anaran’ny fianakaviana miaraka amin’ny efajoro fanamarihana mba hamerenana ilay karatra.

Manana endrika vaovao nohavaozina ireo karatra misy anaran’ny fianakaviana ho an’ny ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloan-tena. Afaka manisy marika ny efajoro ankehitriny ireo miditra ny tempoly izay maniry ny hamerenana aminy ireo karatra. Ity endriky ny karatra misy anaran’ny fianakaviana nohavaozina ity dia manala ny adiresy manokanan’izay miditra ny tempoly mba hiarovana ny fiainana manokana.

Araka ny voalaza tao amina lahatsoratra vao tsy ela izay, dia tsy haverina avy hatrany any amin’ireo miditra ny tempoly ireo karatra misy anaran’ny fianakaviana saingy azo angatahina izy ireny. Teo aloha io fangatahana io dia natao mivantana eny amin’ny biraon’ny tempoly taorian’ny fahavitan’ny ôrdônansy, saingy ity fanavaozana ny karatra ity dia manome fomba mora kokoa sy ara-potoana kokoa hangatahana ny hamerenana izany.

Fantaro fa na dia eo aza ilay efajoro fanamarihana dia mety hisy fotoana fiandrasana kely ireo miditra ny tempoly izay haka ireo karatra mba hahafahan’ireo mpanompo ao amin’ny tempoly maka antoka fa voarakitra araka ny tokony ho izy ny ôrdônansy. Tokony raisina ny andro nahavitan’ny ôrdônansy ihany ireo karatra. Ireo miditra ny tempoly maniry ny hanara-maso ireo ôrdônansin’ny tempoly efa vita dia afaka ny hahita sy hanao printy ihany koa ny Lisitr’ireo vita eo amin’ilay faritra hoe Tempoly ao amin’ny FamilySearch.org ka tsy mila ilay karatra haverina aminy.

Momba ilay namorona