Ny ampahany sasantsasany tena sarobidy ao amin’ny tantaram-pianakaviantsika dia avy amin’ny endrik’ireo sary. Lasa ampahany tena manan-danja eo amin’ny firaketana ny tantaram-pianakaviantsika ny fahafahana maka sy mitahiry ireo sarin’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika. Misy loharanom-pitaovana sy appli. amin’izao fotoana izao izay manamora ny fanaovana izany. Ny loharano tena tsara anankiray dia ny appli. Google Photos. Mety manontany tena ianao hoe inona marina ny Google Photos ary inona avy ireo zavatra mahaliana izay azonao atao amin’ny alalan’ilay appli. ?
Ny Google Photos dia application maimaim-poana misahana ny sary izay afaka manatsotra ny fitahirizana sy ny fandrindrana ary ny fizarana ireo sarinao. Ny iray amin’ireo endri-javatra tena mahaliana dia ny teknôlôjian’ny famantarana ny tarehy izay manome fahafahana anao hamorona sy hizara alibaoma, sary natambatambatra, horonan-tsary, sy tantara ary zavatra maro hafa. Manolotra fitehirizana sary tsy voafetra izany ary tsy mitovy amin’ireo applications hafa misahana ny sary.
Fandrindrana

Tokony hahasoa fa tsy hanorisory ny fizarana fahatsiarovana sarobidy amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Tsy mbola mora toy izao velively hatramin’izay ny fakana sy ny fanamboarana ary ny fitehirizana sary amin’ny endrika nomerika eo anatrehan’ireo teknôlôjia misy amin’izao fotoana izao. Kanefa mbola very sary ihany ny olona na sahirana izy ireo amin’ny fandrindrana izany. Ny fianarana mampiasa ny Google Photos dia hanampy anao hanara-maso ireo sarinao rehetra sy handrindra, hanamboatra ary hizara azy ireo amin’ny fomba mora.
Fahafahana miditra mora foana
Misy fomba tsotra anankiroa hidirana ao amin’ny Google Photos. Raha toa ianao ka manana finday na tablette dia midira ao amin’ny app store ary alaivo ny application Google Photos. Raha manana finday Android vaovao vao haingana ianao dia mety efa napetraka ao anatin’izany ilay teknôlôjia.
Afaka miditra ao amin’ilay application misahana sary an-jotra koa ianao. Mandehana ao amin’ny photos.google.com, ary midira ao. Tsarovy fa ny sasany amin’ireo fikirakirana hitanao ao amin’ny application Google Photos ho an’ny fitaovana finday dia mbola tsy hita ao amin’ilay application ho an’ny solosaina tsy azo entina mandehandeha.
Mitahiry
Ny antony iray hafa mahatonga ny Google Photos ho application misahana sary tena tsara dia ny fitehirizana amin’ny fomba haingana sy mora ary tsy misy fetra izay atolotr’ilay application (raha vao mifidy io safidy atolotra io ianao). Ny fananana fitehirizana sary amin’ny endrika nomerika dia miaro ireo fahatsiarovana sarodidy nangoninao amin’ny loza, toy ny hoe voafafanao tsy nahy ireo tahirim-pahatsiarovana na simba ny solosainao. Makà sary maro amin’ny alalan’ny fakan-tsarin’ny findainao, ary avy eo rehefa any amin’ny toerana misy Wi-Fi ianao, dia velomy fotsiny ny fifandraisana amin’ny internet ary sokafy amin’ny alalan’ny findainao ilay application. Hotehirizin’ilay application ho azy maimaim-poana ireo sarinao sy horonan-tsarinao raha toa ireo sary ka hatrany amin’ny 16MP ary ny horonan-tsary hatrany amin’ny 1080p HD. Afaka mijery azy ireo amin’ny alalan’ny finday na tablette, na solosaina ianao ary manala azy ireo ao amin’ny findainao raha tianao.
Tsarovy fa ny herin’ny Google Photos dia ao anatin’ireo endri-javatra atolony.
- Assistant (Mpanampy). Ity endri-javatra ity dia mamorona sary atambatambatra sy sarimiaina ary sarimihetsika amin’ny alalan’ny sarinao. Raha tianao izy ireo dia tehirizo fotsiny izany.
- Photos (Sary). Ity endri-javatra ity dia amin’ny ankapobeny no toeram-pampisehoana ny sarinao. Voatahiry ao daholo ny sarinao ary arindra arakaraka ny taona.
- Albums (Alibaoma). Afaka mamorona alibaoma amin’ny fomba mora ianao mba hanaraha-maso ireo sary nampidirinao. Ity endri-javatra ity koa dia manamora ny fizarana sary amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fandefasana ho azy ireo rohy iray na amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo handrotsaka ny sarin’izy ireo koa.
Manamboatra
Ny Google Photos koa dia manana fitaovana fanamboarana sary mahery vaika. Mora takatra ho azy ihany ny dingana arahina eo amin’ny fanamboarana sary ary afaka mitahiry amin’ny fomba mora ireo fanovana nataonao ianao. Mety nampiasa Picasa ianao taloha ary ny ankamaroan’ny fikirakirana tao anatin’izany dia ao anatin’ny Google Photos amin’izao fotoana izao. Ny Google Photos no fitaovana solon’izany.
Mikaroka

Ny teknôlôjia izay ampiasain’ny Google ho an’ny fitaovany fanaovana fikarohana dia azo ampiasaina amin’izao fotoana izao hikarokarohana ireo sarinao! Afaka mamorona alibaoma ho anao ny Google Photos amin’ny alalan’ny famantarana ny tarehy. Tsindrio fotsiny eo amin’ny faritra fanaovana fikarohana ary manorata anaran’olona na toerana eo dia handrindra ireo sary ho anao ilay application. Tena fitaovana lehibe mitsitsy fotoana tokoa izany rehefa manao fikarohana sary mifono zavatra manokana. Afaka mikaroka zavatra ao anatina sary iray koa ianao sy lahatsoratra ao anatin’ireo sary.
Ilay karazana fakan-tsary tsara indrindra dia ilay ao am-paosinao! Noho izany dia alaivo izany, sokafy ilay application ary jereo ilay zava-mahagaga mitranga. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny Google Photos dia mihainoa maimaim-poana ilay Legacy FamilyTree Webinar.