Ny tahirim-potoana dia fitoeran-javatra iray feno fahatsiarovana avy amina fotoana sasantsasany izay natao hosokafana any aoriana. Tsy hoe fomba mifono fahaiza-mamorona sy fomba voahevitra fotsiny mba handaniana fotoana ny famoronana tahirim-potoana, fa ireo olona any aoriana izay hijery ilay tahirim-potoana, tafiditra ao anatin’izany ilay ianao any aoriana any, dia ho feno fankasitrahana noho ny fanaovana topimaso vanim-potoana iray hafa.
Na dia afaka manamboatra tahirim-potoana avy amina baoritra fitoeran-kiraro taloha sy ireo lahatsoratra amin’izao fotoana izao izay nohetezana tao amin’ny gazety aza ianao, dia maninona raha mba entinao ao amin’ny taonjato faha-21 ny tahirim-potoananao miaraka amin’ireto hevitra mahafinaritra sy mifono fahaiza-mamorona momba ny tahirim-potoana ireto? Ireto hevitra momba ny tahirim-potoana ireto dia tsy hoe mahafinaritra sy mora atao fotsiny fa azo jerena haingana izy ireo ary azo tehirizina mandrakizay amin’ny endrika nomerika (ary koa amin’ny endrika vita printy ary tehirizina ao an-tranonao raha tianao).
Mamoròna lisitrana hira
Ny hira dia afaka mitondra antsika miverina any amin’ny lalana nodiavin’ny fianakaviana izay nahenoantsika voalohany izany, na afaka mampahatsiahy antsika namana akaiky iray izay tia mihira ny tonony. Araka ireo manam-pahaizana, ny mozika dia afaka mamelona fahatsiarovana, ka mahatonga izany ho tahirim-potoana tena tsara ho an’ireo zavatra niainantsika.

Mora ihany ny fanamboarana tahirim-potoana miendrika hira. Afaka mamorona lisitrana hira avy amin’ny sehatra iray misy ireo hira ankifizinao ianao, na manoratra fotsiny lisitrana hira izay manasongadina zava-nitranga iray tao anatin’ny fotoana iray. Azo ovaovaina io hevitra momba ny tahirim-potoana io ary tsy voatery hampidirana hira izay henoinao amin’izao fotoana izao. Afaka manana lohahevitra mifototra amina olona na zavatra niainana sasantsasany izany. Ireto misy fanontaniana izay afaka manampy anao hanapa-kevitra mikasika ny zavatra tianao hampidirina.
- Inona ny hira haverimberinao henoina amin’izao fotoana izao?
- Inona avy ireo hira izay mampahatsiahy anao ny ray aman-dreninao na ny namanao akaiky iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana?
- Inona no hira henoinao rehefa malahelo ianao? Ary inona rehefa faly ianao?
- Raha tsy maintsy misafidy hira izay mamaritra ilay volana lasa teo na ny taona lasa teo ianao dia mety ho inona avy izy ireo?
Tehirizo ireo hafatra voarainao an-jotra izay tianao indrindra
Efa mahazatra ny mitahiry karatra firarian-tsoa noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahana sy taratasy izay efa taloha, saingy ahoana ny mahakasika ny fifandraisana an-jotra amin’ny fianakaviana sy ny namana? Mety miseho ao anatin’ny hafatra an-tsoratra na hafatra tonga eo no ho eo ny sasany amin’ireo fifandraisana avy amin’ny fo sy ny fifampiresahana tena mampihomehy.

Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hitehirizana ireo fifampiresahana ireo dia ny mamorona pikantsary iray ahitana azy ireo amin’ny alalan’ny telefaoninao na ny solosainao ary avy eo ampidirina ao amin’ny alibaoma nomerika ilay sary. Omeo anarana toy ny hoe “Hafatra fohy tena tiana” na “Fotoana nifampiresahan’ny vondron’ny fianakaviana izay nampitsiky ahy” ilay lahatahiry na alibaoma.
Alaivo sary ny tranonao sy ny tanàna nahaterahanao
Mety manana sary an-jatony nalaina nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra ianao, saingy ahoana kosa ny mikasika ny fiainanao andavanandro? Afaka taona maro dia mety hanenina ianao fa tsy naka sary an’ireo toerana izay miovaova foana isan’andro toy ny efitrano fatorian’ny zanakao vavy fony fahazazany na ny fiaram-pianakaviana manana endri-javatra maro.
Mamoròna tahirim-potoana ho an’ny tranonao amin’ny alalan’ny fakana sary ny efitrano fatorianao na amin’ny alalan’ny fanaovana horonan-tsary ahitana ny fampisehoana ny momba ny trano. Tsy ilaina ferana eo amin’ny tranonao fotsiny ilay hevitra mikasika ny tahirim-potoana fa alaivo sary ny toerana tianao haleha matetika, na ataovy ny sarintanin’ny toerana nahaterahanao ary asio fanamarihana mikasika ireo toeram-pisakafoanana tena tianao sy ireo toerana tena tiana tsidihina eny amin’ny sisiny.

Alaivo sary ireo lamaody nivoaka farany indrindra
Avoahy ny fakan-tsarinao ary ireo akanjo tianao indrindra ary atombohy ny fakana sary! Noho ny fiovaovan’ny lamaody tsy tapaka, dia afaka manolotra fampitahana tena mahasoa ny tamin’izany fotoana izany sy ny amin’izao fotoana izao ny fanokafana tahirim-potoana amin’ny alalan’ny lamaody. Mety hahita ny tenanao any aoriana ianao izay sady mihomehy no mahatsiarotsiaro ireo lamaody taloha sy ny akanjo efa nilaozan’ny toetr’andro.
Afaka manangona sy mitahiry sarina akanjo lamaody nalaina avy tamin’ny internet na gazetiboky ianao saingy toy ny mahafinaritra kokoa sy zavatra an’ny tena manokana kokoa ny fakana sary mivantana.
Soraty ny momba ireo fahatsiarovana tianao indrindra.
Tsy mbola tara velively izao raha hamorona tahirim-potoana, na dia mikasika ireo zavatra nitranga taminao tany amin’ny taona maro lasa aza! Atombohy ny firaketana ireo zavatra niainanao sy ireo fahatsiarovana izay tsy tianao hohadinoina velively. Na dia afaka manoratra ireo fahatsiarovana ireo eo amin’ny taratasy aza ianao ary mampirina izany any amin’ny toerana azo antoka, ny tahirim-potoana nomerika dia manome antoka fa tsy ho simba ny endriky ny zavatra noraketinao na ho very ao an-tranonao.
Afaka mitahiry ireo fahatsiarovanao an-jotra ianao ao amin’ny FamilySearch.org.
