Miaina ao anatina fotoana feno fahatsiarovana isika! Eo am-piainantsika ny zavatra entin’ny fiainana, dia hanampy antsika ary koa ireo taranatsika mba hahatakatra ny zavatra iainantsika, ny fihazonana firaketana ireo zavatra ataontsika sy ireo zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Amin’izao andro izao dia nitombo izaitsizy ny fanaovana diary. Diniho ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto mikasika ny diary ary andramo ny iray amin’izany!
1. Diary atao an-taratasy—Fomba iray mahazatra
Raha tianao ny hiaina fanaovana diary mahazatra kokoa, dia mampiasà diary na kahie iray hanoratana ny tantaranao. Na fehezan-teny iray na roa aza no soratanao isaky ny mandeha, dia hitondra fanovana eo amin’ny taranakao sy eo amin’izay mahasoa anao manokana ny fitondranao anjara biriky.
Azonao ampidirina ao koa ny tetiandro, ny lisitry ny zavatra hatao, ireo lahatsoratra nohetezana tao amin’ny gazety, ireo sombiny avy amina taratasy na email nosoratana mba hampitomboana ny zavatra mahaliana, saika toy ireny alibaoma ireny! Tehirizo ireo fahatsiarovana avy amin’ny zava-nitranga manokana, toy ny tapakilan’ny fampisehoana na tantara an-tsehatra. Tsy hoe hahatonga ny diarinao ho mampientanentana fotsiny ireo fahatsiarovana ireo, fa ireo singa mifono tantara ampiarahina amin’ny fehezan-teny vitsivitsy mikasika ilay zava-nitranga dia hahamora ny fahatsiarovanao izany!
2. Diary nomerika: Diary iray azo fenoina eny am-pandehandehanana
Tsy voatery ho penina sy taratasy fotsiny ny diary. Noho ireo fitaovana finday dia azo atao ao am-paosy foana ny diarinao. Ny tombontsoa iray amin’ny fanaovana diary nomerika dia ny fahafahanao manao diary any am-pandehandehanana, mandahatra ireo zava-nitranga araka ny fisehony amin’ny alalan’ny fampiasana ny findainao na ny solosainao azo entina mandehandeha.
Ny diary nomerika dia afaka ny ho tsotra toy ny manokatra tahirin-kevitra iray ary manoratra ireo eritreritrao. Hevero ny hampiditra lisitra, lesona nianarana, tanjona sy sary mba hampiaina ny diarinao. Afaka manao diary manokana izay mifantoka amina lohahevitra iray ianao, toy ny diary miompana amin’ny fankasitrahana na diary miompana amin’ny fanaovana dia.
Makà antoka fa manao tsy tapaka ny dingana fitehirizana ireo zavatra noraketinao ianao ary manao printy izany indraindray. Ireo dingana ireo dia hisoroka ny fahaverezan’ny diarinao.
Misy application Diary nomerika izay manome fahafahana anao mba hampiditra ny toetr’andro, ny fampahalalana momba ny toerana, firaketana, horonan-tsary ary endri-javatra hafa. Manandràma mampiasa application izay manara-maso ny tanjona, blaogy ary kaonty ao amin’ny tambajotran-tserasera mba hanaovana firaketana ny fiainanao. Manàna fahaiza-mamorona ary mahazoa fahafinaretana. Tsy manam-pahataperana ireo fahafahana manao izay hampiavaka diary nomerika iray.

3. Fanaovana diary miompana amin’ny zavatra ataonao any ivelan’ny trano: Aiza no halehanao ary inona no tianao hatao?
Ny fikarohana dia mampiseho fa ny taranaka vao misondrotra matetika dia liana kokoa amin’ireo zavatra iainana fa tsy amin’ireo zavatra azo tsapain-tanana. Raha tia manao fitsangantsanganana an-tongotra ianao, na mitaingina bisikileta, na mandeha an-tongotra dia andramo raketina ireo zavatra niainana ireo. Ny fanaovana diary miompana amin’ny zavatra ataonao any ivelan’ny trano dia hevitra iray amin’ny fanaovana diary izay hampavitrika anao sy hanampy anao hitahiry fahatsiarovana sarobidy!
Ny manam-pahaizana dia mino fa ny fanoratana ireo zava-nitranga ireo sy ny fametrahana azy ireo ho an’ireo taranaka ho avy mba haverin’izy ireo hatao dia manome fahafahana anao hamorona fifamatorana mafy kokoa noho ny avy amin’ny olona iray mamaky fotsiny ireo teninao.
Rehefa mandeha any amin’ny toerana nalehanao, sy mamaky ireo teninao ary mahita ny sarinao ny olona ao amin’ny fianakavianao, dia hanana fifandraisana mahery vaika aminao izay tsy afaka ny ho azony tamin’ny fomba hafa izy ireo. Afaka mizara ireo zavatra natao ireo ao amin’ireo applications ao amin’ny tambajotran-tserasera izay efa ampiasainao ianao, amin’ny fomba izay mamporisika ny hafa handeha sy hanao ny zavatra nataonao. Azonao heverina mihitsy aza ny mamerina mandinika ireo dia nataon’ireo razambenao ary manoratra mikasika ireo zavatra niainanao.

4. Diary an-tsary: Mahasolo teny an’arivony ny sary iray
Misy fomba maro hanaovana diary an-tsary ary tahaka ny mahazatra, ny fomba tena tsara dia izay fomba mety aminao! Ny fampiasana alibaoma misy sary mahazatra dia fomba iray ary ny famoronana boky misy sary natao printy dia fomba iray hafa koa. Afaka manamboatra diary nomerika an-tsary koa ianao amin’ny alalan’ny fanamboarana alibaoma an-jotra! Fa inona hoy ianao ilay ampahany tena tsara? Ao anatin’ny telefaonina daholo ny zavatra rehetra ilainao.
Ny sary nomerika dia manamora ny fanarahana ny fotoana sy ny toerana nakana ilay sary. Afaka mampiditra fehezan-teny iray na roa ianao mba hanazavana ny tantara fonosin’izany.

5. Diary miendrika kisarisary: Manambatra teny sy sary
Raha tia manao sary ianao dia maninona raha ireo kisarisarinao no ampiasainao ho fomba fanaovana diary? I Becky Christensen, izay renim-pianakaviana sy renibe mampianatra any amin’ny sekoly iray any Japon, dia mankafy mampahafantatra tsy tapaka ny fianakaviana mikasika ireo zavatra niainany amin’ny alalan’ny diary miendrika kisarisary.
Ataovy sary ireo zavatra manan-danja niseho nandritra ny andro ary ataovy ao anatina tantara an-tsary fohy ireo zavatra nitranga, na ataovy sary fotsiny izay ao an-dohanao. Na inona na inona ataonao dia ataovy anao manokana sy miavaka ny diarinao!
6. Firaketana diary an-jotra: Tsy manam-petra ireo zavatra azo atao
Tsy voatery mila fampiasana teny voasoratra ny diary. Misy fomba maro hafa hampisehoana ireo fahatsiarovanao, ary ny maro amin’izy ireo dia maimam-poana sy mora ampiasaina amin’ny alalan’ny internet. Manandràma mampiasa tabilao Pinterest izay an’ny tena manokana na YouTube playlist izay mampiseho ireo fotoana fohy teo amin’ny fiainanao.
Aza matahotra ny hirakitra zavatra adaladala kely toy ny sary sy soratra mampihomehy (mème) na vazivazy ifanaovan’ny fianakaviana! Na dia toa tsy mifono zavatra lalina aza izany dia ampahany manan-danja eo amin’ny fiainanao izy ireo izay mampiseho ny toetranao, ny zavatra mahaliana anao ary sombiny maneho ny endrik’izao tontolo izao nandritra ny fiainanao!

7. Diarin’ireo razambe: Topimaso momba ny lasa
Moa ve ianao manana diarin’ny razambenao anankiray? Vakio izany ary aoka ianao hoentin’izany miverina any amin’ny lasa. Fantaro avy eo ny fotoana nanoratana izany mba hanampiana anao hahatakatra ny sahan-kevitry ny zava-nitranga. Afaka misintona hevitra fotsiny momba ny diary avy amin’ireo zavatra niainana izay nozarain’ireo razambenao ianao!
Hevero ny hamadika amin’ny endrika nomerika ireo diarin’ireo razambenao sy hampiditra azy ireo ao amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch mba hitehirizana azy ireo sy hizarana azy ireo amin’ny havana.
Na inona na inona fomba tapakao hoentina manao diary, ny zavatra manan-danja indrindra dia ny firaketanao ny zavatra niainanao. Nanoratra i Oprah Winfrey indray mandeha hoe: “Hanova ny fiainanao amin’ny fomba tsy neritreretin’ny sainao velively ny fanaovana diary.” Andramo ny iray amin’ireto hevitra momba ny fanaovana diary ireto ho an’ny tenanao sy ho an’ireo izay ho avy aorianao.
Ny sasany tamin’ireto lahatsoratra ireto dia nalaina avy tamin’ny fampianarana nataon’i Matt Misbach, “Geo Journaling,” nandritra ilay fivoriambe RootsTech Salt Lake City 2020.
Ny RootsTech dia tanterahina isan-taona ary manolotra fampianarana ho an’ireo mpanao tetiarana amin’ny ambaratonga rehetra. Mba hahalalana bebe kokoa momba ny RootsTech, dia tsidiho ny tranonkalany na vakio ity lahatsoratra avy amina blaogy ity.