Ahoana no hanitsiako ny vady tiana haseho na ray sy reny tiana haseho ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Ao amin’ny Rafi-tetiarana, dia mety hanana vady na ray aman-dreny mihoatra ny 1 ny olona iray. Raha izany no mitranga, dia azonao fidina hoe iza amin’ireo vady na ray sy reny no tianao haseho.

Ireto ny vokany rehefa nofidinao ny vady na ray sy reny tianao haseho:

  • Hitanao ao amin’ny pejin’ilay olona daholo ireo vadiny sy ny ray sy reniny.
  • Ny vadiny na ny ray sy reniny nofidinao dia hiseho eo amin’ny fijery voafintina na natao printy. Ireo razambe na taranak’ilay vady na ray sy reny nofidinao ihany no hiseho.
  • Ireo fanovana nataonao tamin’ilay vady sy ray sy reny voafidy ihany no ho hitanao. Afaka mifidy ireo tiany haseho kosa ny mpampiasa hafa.
  • Ilay vady na ray sy reny voafidy ihany no aseho mandra-panovanao azy.
  • Misy vokany amin’ny Mpampifandray Loharano ny fanovana vady na ray ray sy reny tiana haseho. Ilay vady tiana haseho sy ny zanak’izy ireo ihany no halahatry ny Mpampifandray Loharano.
  • Hasehony mifanaraka amin’ny daty nifanambadian’izy ireo ireo vadiny. Tsy hampiova ny filaharan’ny ray sy reniny ao amin’ny pejin’ny zanak’izy ireo ny fanovana ray sy reny tiana haseho.

Dingana (tranonkala)

Fijery mivelatra

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Rafi-tetiarana.
  2. Tsindrio ny fijerena ny rohim-pihavana eny amin’ny sisiny ankavanan’ny efijerinao, ary fidio avy eo ny hoe Fijery Mivelatra.
  3. Tadiavo ilay olona manana vady na ray sy reny maromaro.
    • Raha hifidy ny vady tiana haseho ianao, dia afindrao eo amin’ny toerana aseho ireo mpivady.
    • Raha hifidy ny ray sy reny tiana haseho ianao, dia afindrao eo amin’ny toerana aseho ilay zanak’izy ireo.
  4. Mba hampisehoana ireo vady na ray sy reny hafa, tsindrio ilay tondro midina.
    • Raha hifidy ireo vady tiana haseho, dia ampiasao ilay tondro eo akaikin’ny anaran’ilay vady.
    • Raha hifidy ireo ray sy reny tiana haseho ianao, dia misy ftondro eo ankavian’ny efajaro mampiseho an’ireo ray sy reny.
  5. Fidio ilay vady na ray sy reny tiana haseho.

Pejin’ilay olona

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiaranaary tsindrio avy eo ny Tetiarana
  2. Tadiavo ilay olona manana vady na ray sy reny maromaro.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Tsindrio ilay vakizoro Antsipiriany.
  5. Jereo hatrany ambany ny Lisitry ny Fianakaviana.
  6. Tsindrio ny hoe Tiako Haseho.
  7. Rehefa misy efajoro miseho, dia tsindrio ny hoe Vady Tiako Haseho na Ray sy Reny Tiako Haseho.
  8. Fidio ilay vady na ray sy reny tiana haseho.
  9. Tsindrio ny Hitahiry.

Dingana (application mobile)

  1. Tadiavo ao amin’ny application Rafi-tetiarana ny anaran’ilay olona tsy nofidina ho vady na ray sy reny tiana haseho.
  2. Eo amin’ny faritra ambanin’ilay anarana, tsindrio ny hoe Vady na Ray sy reny.
  3. Tsindrio ilay tondro kely mivolon-davenona eo ankavian’ilay vady na ray sy reny tiana haseho.
  4. Tsindrio ilay faribolana eo akaikin’ny Vady Tiako Haseho na Ray sy reny Tiako Haseho.
  5. Hiseho amin’izay ireo vady na ray sy reny tianao haseho rehefa miverina ao amin’ny tetiarana ianao.

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy afaka mifidy vady na ray sy reny tiana haseho ianao ao amin’ny Family Tree Lite.

Lahatsoratra mifandray

Inona no vokany rehefa avadika fijery mivelatra ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?