Inona no vokany rehefa avadika fijery mivelatra ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch dia mampiseho ny tetiaranao mitsivalana ny fijery mivelatra. Ianao no eo afovoany. Ny taranakao no eo ankavia. Ny razambenao no eo ankavanana.  

Ahitana tombony maro ny fijery mivelatra:

  • Afaka mahita taranaka maron’ny fianakaviana iray indray mandeha ianao.
  • Afaka manaraka rohim-pihavanana mihemotra na mandroso ianao.
  • Afaka mahita torohevitra momba ny firaketana, sosokevitra momba ny fikarohana, ary olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina ianao.
  • Afaka mahita ny razamben’ny vadinao ianao raha nampidirinao izany.
  • Afaka mahita ny vadin’ireo zanakao ianao.
  • Afaka mahita ianao raha misy olona manana vady na ray aman-reny maro ao amin’ny rafitra.

Fanamarihana: Amin’ny fampiasana ireo safidy, eo amin’ny zorony ambony havanana, dia afaka misafidy ireo sary famantarana aseho eo amin’ny hazon-tetiaranao ianao.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Eo amin’ny faritra ambony ankavia eo amin’ny fijerena ny rohim-pianakaviana, tsindrio ny anaran’ny zavatra jerenao amin’izao (tabilao miendrika fikopahana, ohatra), avy eo ny Mitsivalana. Raha eo amin’ny fijerena Razambe Voalohany ianao dia eo ambony havanana no misy izany safidy izany.
  3. Raha hamindra olona iray hafa ho eo anivon’ilay tabilao dia tsindrio ny anarany, avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
  4. Raha hijery antsipiriany bebe kokoa momba ny olona eo amin’ny hazon-tetiarana dia tsindrio ny anarany, avy eo Antsipiriany.
  5. Mba hahitana ny zanaky ny mpivady iray dia tsindrio ny Zanaka eo ambany amin’ny faritra ho an’ny mpivady.
  6. Mba hampisehoana vadin’olona iray hafa eo amin’ny hazon-tetiarana dia izao no ataovy:
    1. Jereo ny faritra ho an’ny mpivady. Raha mihoatra ny iray ny vady ao amin’ny rafitra dia mahita zanatsipìka kely manondro ambany ianao eo ankavian’ilay vady miseho.
    2. Tsindrio ilay tondro midina.
    3. Avy eo amin’ny lisitry ny vady dia tsindrio ilay vady izay tianao haseho eo amin’ny tetiarana.
  7. Mba hamindramindrana ilay tetiarana eo amin’ny efijery dia tsindrio ny faritr’ilay tetiarana ka sariho izany.
  8. Mba hanalehibiazana na hanakelezana ny haben’ny tetiarana, eo amin’ny tampony ambony ankavia dia tsindrio ny Plus+ ) na Moins ( - ).
  9. Raha hanitatra rohim-pianakaviana iray misy taranaka roa fanampiny dia tsindrio ilay tondro any amin’ny faran’izany. Tsindrio inrdray izany raha hanakatona izany.
  10. Mba hamerenana ilay rohim-pianakaviana ho aminao dia azonao ampiasaina ny iray amin’ireto safidy ireto:
    • Mba hanidiana ireo rohim-pihavanana nitarinao rehetra ka hiverenana amin’ny tenanao dia tsindrio ny Sary famantarana ny renimpejy.
    • Mba hamelana ireo rohim-pihavanana nitarina mba hosokafana sy hiverina amin’ilay olona niandohana dia tsindrio ny sary famantarana ho an’ny mankeo afovoany, izay boribory sy eo ambanin’ny sary famantarana renimpejy.
  11. Raha toa ny olona iray ka manana ray sy reny maro ao amin’ny rafitra, dia hahita tondro ho an’ireo ray sy reny ianao eo amin’ny ankavian’ny efajoro misy ireo mpivady. Tsindrio ny tondro mba hahitana ireo ray sy reny rehetra an’ilay olona.
  12. Raha manana vady mihoatra ny iray ny olona iray ao amin’ny rafitra dia mahita zanatsipìka ianao eo akaiky ny anaran’ilay vady eo amin’ny faritra ho an’ny vady. Tsindrio ilay tondro mba hahitana ireo vady rehetra an’ilay olona.
  13. Raha hanao printy tabilaon-tetiaran’ny mpivady dia tsindrio ny Safidy, avy eo Atao printy. Rehefa misokatra amin’ny vakizoro vaovao ny endrika azo atao printy dia tsindrio ny fanaovana printy amin’ny fitety ampiasainao mba hanaovana printy izany.

Dingana (finday)

Ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday dia tsy ahitana ny fijery mivelatra.

Dingana (Family Tree Lite)

Ny Family Tree lite dia tsy ahitana fijery mivelatra.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanitsiako ny vady tiana haseho na ray sy reny tiana haseho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Inona no vokany rehefa avadika fijery taranaka ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampiasako ny fijerena tabilao miendrika fikopahana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampifamadihako ny toeran’ny ray na reny na vady mba hanovana ny rohim-pihavanana miseho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?