Momba ireo hazon’ny vondrom-pianakaviana

Share

Manomboka izao dia azon’ny rehetra ampiasaina ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Tsy mila mandeha any amin’ny FamilySearch Labs intsony ianao mba hanandrana izany. Raha anisan’ireo mpampiasa efa hatrany am-boalohany ianao dia misaotra anao noho ny fotoana nolanianao sy ny fanamarihana nomenao.

Inona no tsy miova

Rehefa miasa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao dia hahita fa ny ankamaroan’ireo fiasa dia mandeha mitovy tsara amin’ny teo aloha. Ny endriky ny tarehin-tsoratra, ny loko, ny haben’ny tarehin-tsoratra, ny haherin’ny loko, ary ny fiasa rehefa maizina dia mijanona toy ny teo aloha ihany koa.

Inona no vaovao na novaina

Ny Mizara hazon-tetiarana ahitana olona mbola velona: Amin’ny alalan’ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana dia afaka mizara amina havana mbola velona ampahany amin’ny hazonao izay ahitana olona mbola velona ianao. Hazo mitovy ihany no hitan’ny rehetra.

Ny Mampiditra hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana amin’ny vondrom-pianakavianao izay efa misy na mamorona vondrona vaovao manana hazon-tetiarana: Raha efa manana vondrom-pianakaviana ianao dia afaka mampandeha ilay safidy mba hizarana hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray. Raha tsy mbola manana vondrom-pianakaviana ianao dia afaka mamorona anankiray vaovao izay ahitana hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray vao hofenoina.

Ny Mitantana ireo vondrom-pianakaviana: Ireo fiasa nohavaozina momba ny fitantanana ny vondrom-pianakaviana dia mamela anao hampiditra hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray ho an’ny vondronao, hahita ireo antsipirian’ilay hazo, hijery ny tosi-baovaon’ireo zavatra ataon’ny ao amin’ny vondrona, ary hamaritra ny olona voalohany. Mbola azonao atao foana ny manome anarana ilay vondrona, mampiditra sary, miresadresaka amin’ny ao amin’ny vondrona, ary manatanteraka ireo asa fitantanana hafa ho an’ny vondrona. Mba hanamorana izany fiasa vaovao rehetra izany dia nahitatra ny efijery ary novaina toerana ireo fiasa.

Ny Fivezivezana amin’ny hazon’ny vondrona sy ny vondrona: Mora ny fivezivezena amin’ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana sy ny vondrom-pianakaviana izay afaka miditra ao amin’izany.

Ny Afaka mivadika haingana any amina hazo hafa: Ho mora aminao foana ny hahalala hoe aiza no hazo misy anao ary ny hivadika ho amina hazo hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ilay mpisafidy ny hazo vaovao, izay hita eo amin’ny ilay ambony-ankavia ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Ny Mametra fahatsiarovana ao amina vondrom-pianakaviana iray: Afaka mampiditra fahatsiarovana ianao ary mametra ny fahitan’ny vondrom-pianakaviana azy ireo.

Ny Fijery mitsangana: Ny Fijery mitsangana vaovao dia manampy indrindra amin’ny fahitana ny havanao ao amin’ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.

Ny Lisitry ny olona tsy azon’ny rehetra jerena: Ny Lisitry ny olona tsy azon’ny rehetra jerena dia lasa matanjaka kokoa ka noho izany dia nafindra avy amin’ny Ireo zavatra nandraisako anjara hankeo amin’ny zava-misy fidirana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Amin’izao ilay lisitra dia lasa ahitana ireo olona mbola velona izay ao amin’ny hazonao manokana sy ireo hazon’ny vondrom-pianakaviana ary mamantatra ireo verin-droa mety hisy ao amina hazo iray. Hahita safidy ihany koa ianao izay mamela anao handika olona ao amin’ny lisitrao manokana ho ao amina hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana na ny hazonao manokana.

Ny Hanaraka olona mbola velona: Manomboka izao ianao dia afaka manaraka ny olona mbola velona ao amin’ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray ary manao izay hisehoan’izy ireo ao amin’ny lisitry ny olona arahinao.

Hamantatra misimisy kokoa

Raha mila fanampiana amin’ny fomba hanombohana dia tsidiho ny Ivon-toerana fianarana ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana mba hahitana horonan-tsary tena manampy, ireo fanontaniana apetraka matetika, ary lahatsoratra.

Nanampy anao ve ity?