Mikasika ireo fitaovana enti-mitantana ny vondrom-pianakaviana izay nohavaozina

Share

Nohavaozina ny fitaovana enti-mitantana ny vondrom-pianakaviana mba hamelana ny fianakavianao hiara-hiasa ao amin’ny hazon’ny vondrom-pianakaviana.

Inona no tsy miova

Mbola mila mpitantana ny vondrona
Amporisihana ny hananan’ny vondrona tsirairay mpitantana 2 na 3, izay manana anjara asa manan-danja ao amin’ny vondrona misy azy ireo:

  • Manampy ny vondrona.
  • Manome ny zo maha mpitantana ho an’ny hafa.
  • Mampiditra sy manala mpikambana ao amin’ny vondrona.
  • Mampandeha ireo karazam-pikirakirana misy ho an’ilay vondrona.
  • Mametraka ny mombamomba ny vondrona (sary, anarana, famariparitana, fitsipi-pitondran-tena).
  • Manangana ny hazon’ny vondrom-pianakaviana izay iaingana (raha te hanao izany).

Fifampiresahan’ny vondrona
Mbola afaka miara-miasa ao anatin’ny fifampiresahan’ny vondrona ny mpikambana ao amin’ny vondrona iray.

Inona no vaovao na niova

Hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana
Afaka mizara hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana izao ireo vondrona, izay ahafahan’izy ireo mizara hazo iray ahitana ireo olona mbola velona ao amin’ny fianakaviany.

Hisafidy hazo tiana haseho
Afaka misafidy hazo tiana haseho ianao izao. Ity hazon’ny tetiarana ity no miseho avy hatrany rehefa manokatra ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao ary ampiasaina rehefa mikaroka fifandraisana eo aminao sy ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana na mpampiasa hafa.

Dingana arahina rehefa manasa olona
Ny dingana arahina rehefa manasa mpikambana ao amin’ny vondrona dia saika mitovy amin’ny teo aloha. Ny hany niova dia hoe raha manana rafi-tetiarana ao amin’ny vondrom-pianakaviana ny vondrom-pianakaviana iray dia tsy maintsy ao amin’ilay rafi-tetiarana aloha ny olona rehetra izay vao miditra ao amin'ilay vondrona.

Nandritra ny andrana natao tany am-piandohana momba ny fidirana dia hita fa nilaina hoe mandefa rohy manokana ho an’ny mpikambana vaovao tsirairay ao amin’ny vondrona ny mpitantana. Nahazo fanamarihana izahay hoe sarotra be izany ka naverina hoy ilay dingana nisy tany am-boalohany.

Tosa-baovaon’ny fianakaviana
Ahafahanao mamela hafatra ho an’ilay vondrona ny tosa-baovaon’ny fianakaviana vaovao.

Hamantatra misimisy kokoa

Mba hanampy anao hanomboka azy dia tsidiho ny Ivon-toerana fianarana ny hazon-tetiaran’ny vondrom-pianakaviana mba hahitana horonan-tsary tena manampy, sy fanontaniana apetraka matetika, ary lahatsoratra.

Nanampy anao ve ity?