Ahoana no fomba hanasako olona hiditra ao amin’ny vondrom-pianakaviana iray?

Share

Mamoròna aloha vondrom-pianakaviana. Avy eo, amin’ny maha-mpitantana anao, dia manasà olona hatramin’ny 99 mba hiditra ho mpikambana.

Rehefa manasa olona ho ao amina vondrona ianao dia mamorona rohy ny FamilySearch, izay alefanao any amin’ny mpandray iray na mihoatra izany amin’ny alalan’ny mailaka, sehatra hifampiresahan’ny vondrona, WhatsApp, vondrona ao amina tambajotran-tserasera, sy ny toy izany. Raha hiditra ho mpikambana dia mila mikitika ilay rohy ny mpandray iray, miditra ao amin’ny FamilySearch, ary manaraka ireo torolalana an-jotra.

Tsy mety lany daty ilay rohy fidirana ho mpikambana. Raha tsy tokony ho ampiasaina intsony ny rohy iray dia afaka mamafa izany ny mpitantana vondrona.

Alohan’ny hanombohanao

Raha manana hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana ilay vondrom-pianakaviana, dia tokony hampidirina ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrona aloha ny olona tsirairay izay asaina.

Ireo dingana (tranonkala)

  1. Tsindrio ao amin’ny FamilySearch.org ny anaranao.
  2. Fidio ny Vondrom-pianakaviana.
  3. Tsindrio ny Hijery vondrona.
  4. Tsindrio ny Hanasa.
  5. Raha fantatrao ny adiresy mailaka an’ilay olona dia azonao alefa tahaka izao ilay fanasana:
    1. Tsindrio ny Mailaka.
    2. Ampidiro ao amin’ny rafitry ny mailaka anao ilay adiresy mailaka an’ilay olona hasaina, dia alefaso izany. Rehefa manaiky ilay fanasana ilay mpandray dia mipoitra ao anatina lisitra iray ilay anarana mba hankatoavina.
  6. Azonao andefasana rohy ilay olona.
    1. Tsindrio ny Handika rohy. Misy rohy mipoitra.
    2. Tsindrio ny Handika.
    3. Apetaho ao amin’izay mety ho fantsom-pifandraisana an-jotra misy izay zarainao amin’ilay olona asaina ilay rohy.
  7. Andraso hanaiky ny fanasana aloha ilay mpandray.
  8. Ankatoavy ny fangatahana hiditra ho mpikambana:
    1. Sokafy ilay vondrona.
    2. Tadiavo ilay olona miandry fankatoavana. Miseho eo anelanelan’ny fizarana Hanomboka sy ny riam-baovaon’ny vondrona izany.
    3. Tsindrio ny Hanome fankatoavana.

Ireo dingana (application ho an’ny finday)

  1. Tsindrio ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday ny sary famantarana misy tsipika 3. Sokafy ilay endrin-javatra maneho ny Vondrom-pianakaviana eo amin’ilay efijery izay mipoitra:
    • Apple iOS—eo ambany ankavanana
    • Androïd—eo ambony ankavia
  2. Tsindrio ny Vondrom-pianakaviana.
  3. Mitadiava vondrona izay tantananao ary tsindrio ny Hijery vondrona.
  4. Tsindrio ny sary famantarana ny olona eo ambonin’ny lisitr’ireo mpikambana.
  5. Mahita lisitra ahitana fomba ahafahana mifandray sy fomba isan-karazany ihany koa handefasana fanasana ianao. Tsindrio eo amin’ny olona iray na eo amina fomba fanasana iray.
  6. Alefaso ilay fanasana.
  7. Rehefa manaiky ilay fanasana ilay olona dia mipoitra ao amin’ny vondrona ilay anarana mba hankatoavina.
  8. Ankatoavy ny fangatahana hiditra ho mpikambana:
    1. Sokafy ilay vondrona.
    2. Tadiavo ilay olona miandry fankatoavana.
    3. Tsindrio ny Hanome fankatoavana.
    4. Tsindrio indray ny Hanome fankatoavana.

Lahatsoratra mifandray amin’ireto

Inona no atao hoe vondrom-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch?
Ahoana no hamoronako vondrom-pianakaviana iray?
Ahoana no fomba hidirako ao amin’ny vondrom-pianakaviana iray?
Ahoana hanaisorako olona ao amin’ny vondrom-pianakaviana iray?

Nanampy anao ve ity?