Ahoana no hianarako ny ho mpitondra fanampiana na momba ny antsoko amin’ny maha-mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?

Amin’ny maha mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana anao dia ny mitondra fanampiana amin’ny drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy no andraikitrao voalohany. Tokony hiezaka ihany koa ianao hamorona traikefa manentana fanahy izay mitondra fifaliana ho an’ny olona rehetra rehefa mahita sy manangona ary mampifandray ny fianakaviany izy ireo amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Milofo amin’ny antsonao ianao ary manampy ny hafa rehefa manao ireto manaraka ireto:

  • Manaraka ny Fanahy
  • Mitarika ho any amin’ny tempoly
  • Mifantoka amin’ny fahitana zava-baovao
  • Mampatanjaka ireo fianakaviana velona
  • Manompo an’ilay olona iray
  • Manohana ny ezaka amin’ny asa fitoriana

Raha mila fiofanana, fitaovana ary loharanom-pitaovana hafa natao manokana ho an’ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy dia mandehana any amin’ny Loharanom-pahalalana ho an’ireo mpitondra fanampiana ao amin’ny FamilySearch.org.

Fanamarihana: Efa misy amin’ny fiteny espaniôla, pôrtogey, frantsay, alema, italiana, rosiana, sinoa nentim-paharazana, kôreana ary japôney ireo loharanom-pahalalana ho an’ireo mpitondra fanampiana.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch.org.
  2. Tsindrio ny sarina baraingo eo amin’ny zorony ambony havanana amin’ny efijery.
  3. Tsindrio ny Loharanom-pahalalana ho an’ireo mpitondra fanampiana eo amin’ny lisitra aroso.

Lahatsoratra mifandray

Inona no ataon’ny mpitondra fanampiana?
Ahoana no fomba hanomanako lesona ao amin’ny Fandrindram-potoana?
Ahoana no ahafahako manampy na mamafa olona iray ao amin’ny lisitro anatin’ny bokim-pandaharam-potoana?

moduleTitle