Inona no atao hoe hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana?

Share

Ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana dia karazana vondrom-pianakaviana izay mamela ny fianakaviana hiara-hiasa ao anatina Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Azon’ireo mpandray anjara ao anatina vondrona atao ny mampiditra na manova, ao anatina hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana, fampahalalana momba ireo olona velona ao anatina hazon’ny tetiarana iray ihany. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana mampiditra sy mijery ireo fahatsiarovana sy loharano, ny zavatra rehetra azonao atao amin’izao fotoana izao amin’ireo olona efa maty. Ny olona rehetra ao amin’ny vondrona, ao anatina hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana, dia afaka mahita sy manova ny olona mitovy rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny olona velona.

Manantena izahay ny hanolotra tombontsoa lehibe maro an’ireo mpampiasa ny FamilySearch amin’ny alalan’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana:

Mifandraisa amin’ireo fianakavianao mbola velona. Manorena firaisan-kina.

Angony ho anatina vondrona iray ny fianakavianao dia jereo ny rohim-pianakaviana iraisana. Ampandraiso anjara amin’ny fiaraha-mitety ny tantaram-pianakaviany ny fianakavianao. Hatsarao ny tantaranao amin’ny alalan’ny sary sy horonan-tsary fohy ary loharano fampahalalana.

Hizara sy hiaro.

Zarao amin’ny vondron’ny fianakaviana ireo fahatsiarovana sy tranga lehibe vaovao dieny izy ireny mbola vao haingana ary arovy ny tsiambaratelon’ny olon-drehetra mampiasa internet.

Hamela lova.

Alaivo antoka fa afaka mahita io fampahalalana io ny taranaka hoavy mba hahafantarany momba ny fiainanao.

Lahatsoratra mifandray amin’ireto

Ivon-toerana fianarana momba ny Hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana

Nanampy anao ve ity?