Aiza no ahitako ivon-toeran’ny FamilySearch?

Mitadiava ivon-toeran’ny FamilySearch akaiky anao mba hanombohana ny firotsahanao ao amin’ny tantaram-pianakaviana. Afaka hitanao ao amin’ny tranonkalanay ny adiresin’ny ivon-toerana eo an-toerana.

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo an-toerana ao amin’ireo ivon-toeran’ny FamilySearch dia manolotra fanampiana isan-karazany.

  • Fanampiana natao manokana ho anao momba ny fomba fampiasana ny Familyearch sy ny fomba fanaovana fikarohana ny tantaram-pianakaviana.
  • Fampiasana maimaim-poana ireo solosaina sy ny internet ary fisoratana anarana maimaim-poana ao amin’ny tranonkalan’ny tantaram-pianakaviana. (Miovaova araka ny toerana ny loharanom-pitaovana misy.)
  • Fahafahana mahita ireo sarin’ireo rakitra ara-tantara izay tsy hita afa-tsy ao amin’ireo ivon-toerana.

Ny ivon-toerana tsirairay dia miavaka, saingy samy manolotra toerana hianarana bebe kokoa momba ny razambenao izy rehetra. Hita any amin’ireo karazana trano maro ireo ivon-toerana, toy ny fiangonana sy tranom-boky.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny sisiny ambony ankavanana ao amin’ny efijerin’ny FamilySearch, eo amin’ny lohateny, dia tsindrio ny  (ilay sary famantarana paingotra).
  2. Tsindrio ny Hitady ivon-toerana iray eo an-toerana.
  3. Ampidiro eo amin’ny fanaovana fikarohana ny toerana misy anao, dia tsindrio ny Hikaroka.
  4. Tsindrio ny ivon-toerana iray amin’ilay lisitra.
  5. Jereo ireo sary famantarana ny tetiaran’ny FamilySearch miloko maitso eo amin’ny sarintany. Tsindrio ny sary famantarana iray. Azonao jerena ny anaran’ny ivon-toerana, ny adiresy, ny ora fiasany ary ny laharan-telefaona.

Dingana (application mobile)

Ho an’ny application Family Tree:

  1. Ho an’ny fitaovana iOS, eo amin’ny zorony ambany havanana amin’ilay application, kitiho ny Misimisy kokoa. Ho an’ny fitaovana Android, eo amin’ny ampahany ambony ankavian’ny efijery dia kitiho ireo sarina tsipika 3.
  2. Kitiho ny Fanampiana.
  3. Kitiho ny Hifandray aminay.
  4. Kitiho ny Hitady ivon-toeran’ny FamilySearch.
  5. Hiseho ny sarintanin’ny toerana misy anao. Azonao kitihina ireo teboka maitso eo amin’ny sarintany raha hijery fampahalalana bebe kokoa momba ny ivon-toeran’ny FamilySearch. Raha hikaroka ivon-toerana iray hafa dia mampidira toerana eo amin’ny fanaovana fikarohana eo ambanin’ny sarintany.

Dingana (Family Tree Lite)

Ny Family Tree Lite dia tsy manana sehatra hanampy anao hahita ivon-toeran’ny FamilySearch. Iangaviana kosa ianao mba hampiasa ny tranonkala feno na ny application.

Mangataha fanampiana

Mifandraisana amin’ny FamilySearch amin’ireto toe-java-mitranga ireto:

  • Mikaroka ivon-toeran’ny FamilySearch iray manokana ianao fa tsy mahita izany
  • Tsy marina ny fomba hahafahana mifandray amin’ny ivon-toerana iray

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no ahazoako fanampiana rehefa mampiasa ny FamilySearch.org?

moduleTitle