Ahoana no ahazoako fanampiana rehefa mampiasa ny FamilySearch.org?

Ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana momba ny FamilySearch dia manampy anao hampiasa ny tranonkalanay sy ireo applications mobiles ary mampianatra anao ny fanaovana fikarohana razambe.

Dingana (tranonkala)

    1. Eo an-tampon’ny pejy rehetra, tsindrio ny . Hiseho ny efijery fanampiana.
  1. Raha tsy voatanisa eo ny fanontanianao dia ampidiro eo amin’ny toerana fanaovana fikarohana eo ambony amin’ny efijery fanampiana ny fanontanianao.
  2. Raha tsy hitanao ny valin’ny fanontanianao dia ampiasao ny iray amin’ireo safidy voatanisa eo ambanin’ny efijery fanampiana:
    • Ivon-toerana misahana ny fanampiana. Manaova fikarohana ao amin’ireo loharanom-panampiana, na mitadiava fanampiana mivantana aminao, na ianaro ny fomba hanombohana, na mitsidiha ny vondrom-piarahamonina FamilySearch.
    • Hifandray aminay. Mifandraisa amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch na tsidiho ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch.
    • Vondrom-piarahamonina. Miaraha miasa amin’ireo mpampiasa FamilySearch sy mpikaroka hafa. Afaka mijery na mametraka na mamaly fanontaniana ianao. Afaka mahita sy miditra amin’ireo vondrona momba ana lohahevitra manokana ihany koa ianao.

Dingana (application mobile)

  1. Ao amin’ny application mobile Family Tree, kitiho ireo tsipika 3, avy eo dia kitiho ny Fanampiana.
    • Fanontaniana apetraka matetika. Jereo ireo fanontaniana fametraka matetika sy ireo valiny.
    • Hifandray aminay. Manomeza fanamarihana momba ny application; na miresaha amin’ny sampana misahana ny fanampiana an’ny FamilySearch; na mitadiava ivon-toeran’ny FamilySearch.
    • Inona no vaovao. Jereo ireo vaovao farany ho an’ny application mobile Family Tree.

Dingana (Family Tree Lite)

Midìna any ambanin’ny pejy ao amin’ny Family Tree Lite, dia tsindrio ny Fanamarihana sy fanampiana.
Fanamarihana: Ny torolalana momba ny tantaram-pianakaviana dia loharanom-pitaovana fanampiny ahitana fanampiana amin’ny FamilySearch.org. Ahitana lesona maimaim-poana momba ny fampiasana ny FamilySearch.org sy ireo lohahevitra mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana sy tetiarana io torolalana io. Ny votoatiny dia navoakan’ny mpiara-miasa amin’ny FamilySearch. Nosoratana amin’ny teny anglisy ilay torolalana ary misy amin’ny fiteny hafa amin’ny alalan’ny Google Translate.

Lahatsoratra mifandray

Aiza no ahitako ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana?
Ahoana no ahafahan’ny Fikarohana Wiki an’ny FamilySearch manampy ahy hahita ireo razambeko?

Nanampy anao ve ity?