Ahoana no hijereko ny rohim-pifandraisako amin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Share
0:00 / 0:00
videoCompanion
Using the View Relationship Feature in Family Tree


nullNy fijerena rohim-pifandraisana dia mikajy ny rohim-pifandraisanao amin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana ary mampiseho tabilao maneho ireo havana akaiky eo aminao sy ilay olona. Afaka hitanao eo an-tampon’ilay tabilao ny rohim-pifandraisanao, toy ny Renibeko na ny Zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniko voalohany. Raha tsy nisy rohim-pifandraisana hita dia asehon’ny fitaovana fijerena ny hoe “Rohim-pifandraisana tsy fantatra.”

Dingana (tranonkala)

Fijery Mivelatra, Mitsangana, Kisary, ary Ara-taranaka

  1. Ao amin’ny menu ambony, eo ankavanan’ny famantarana FamilySearch, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Rafi-tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona izay tianao hojerena ny rohim-pifandraisanao aminy.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Eo amin’ny anarana misongadina, tsindrio ny Hijery rohim-pifandraisana.
  5. Raha hanalehibe na hanakely, tsindrio ny + na -.
  6. Raha mahita olona ao amin’ny fandrindrana Hijery rohim-pifandraisana ianao izay tianao jerena ao amin’ny Rafi-tetiarana, dia tsindrio ilay anarana
  7. Mba hahitana ny vadin’ny olona eo amin’ny rohim-pifandraisana, tsindrio ny Aseho ireo vady.

Fijerena ny Razambe Voalohany

  1. Eo amin’ny fandrindrana eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Rafi-tetiarana
  2. Tadiavo ilay olona izay tianao hojerena ny rohim-pifandraisanao aminy.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay olona. Misy takelaka fanampiny misokatra eo amin’ny ilany.
  4. Eo amin'ilay efajoro misy ny anarana, tsindrio ny Hijery rohim-pifandraisana.
  5. Mba hampisehoana ny vadin’ny olona tsirairay ao amin’ny tabilao, tsindrio ny Aseho ireo vady. Avereno tsindrina ilay safidy mba hanaisorana ireo vady ao amin’ilay tabilao.
  6. Mba hampisehoana olona iray eo amin’ilay tabilao ao amin’ny Rafi-tetiarana dia tsindrio ilay anarana. Tsindrio avy eo na ny Olona na Rafi-tetiarana.
  7. Raha hanalehibe na hanakely, tsindrio ny + na -.

Ireo dingana (application ho an’ny finday)

  1. Sokafy ny pejy antsipiriany momba ilay Olona ho an’ny razambe iray.
  2. Eo amin’ny zorony ambony havanana, kitiho ny teboka 3.
  3. Tsindrio ny Hijery Rohim-pihavanako.

Ireo dingana (Family Tree Lite)

Ny Family Tree Lite dia tsy maneho ny rohim-pifadraisanao amin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana. Miangavy anao ampiasa ny tranokala ho solon’izany.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no ahafahako mijery ny fifandraisako amin’ny olona iray ao amin’ny Fahatsiarovana?
Ahoana no hamaritan’ny fijerena rohim-pihavanana ao amin’ny Rafi-tetiarana raha toa ka mifandray aho?

Nanampy anao ve ity?