Ny fijerena rohim-pifandraisana dia mikajy ny rohim-pifandraisanao amin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana ary mampiseho tabilao maneho ireo havana akaiky eo aminao sy ilay olona. Afaka hitanao eo an-tampon’ilay tabilao ny rohim-pifandraisanao, toy ny Renibeko na ny Zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniko voalohany. Raha tsy nisy rohim-pifandraisana hita dia asehon’ny fitaovana fijerena ny hoe “Rohim-pifandraisana tsy fantatra.”
Ireo dingana (tranonkala)
- Midira ao amin’ny FamilySearch, dia tsindrio ny Fahatsiarovana.
- Tsindrio ny Olona.
- Tadiavo ilay olona izay tianao hojerena ny rohim-pifandraisany.
- Eo ambanin’ilay kisary famantarana an’ilay olona, tsindrio ny Hijery ny rohim-pihavanako. Misy tabilao miseho mba hampisehoana ny fifandraisanao amin’io olona io.
- Raha hanalehibe na hanakely, tsindrio ny + na -.
- Mba hampisehoana ny pejin’ny olona ao amin’ny Rafi-tetiarana dia tsindrio ny X mba hivoahana avy ao amin’ny fijerena rohim-pihavanana.
- Tsindrio ny anaran’ilay olona.
Ireo dingana (application ho an’ny finday)
Ireo applications Family Tree sy Memories ho an’ny finday dia tsy misy fijerena rohim-pihavanana ho an’ireo fahatsiarovana. Miangavy anao ampiasa ny tranokala ho solon’izany.
Ireo dingana (Family Tree Lite)
Ny Family Tree Lite dia tsy mampiseho na fahatsiarovana na fifandraisanao amin’ny olona iray. Miangavy anao ampiasa ny tranokala ho solon’izany.
Lahatsoratra mifandray
Ahoana no hijereko ny rohim-pifandraisako amin’ny olona iray ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hamaritan’ny fijerena rohim-pihavanana ao amin’ny Rafi-tetiarana raha toa ka mifandray aho?