Ahoana no fomba hanovako ny anaram-pamantarana na ny tenimiafiko?

Azonao atao ny manova ny anaram-pamantarana, tenimiafina, anarana miseho, sy ny laharana maha-mpanampy.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch.
  2. Eo amin’ny sisiny ambony ankavanana, tsindrio ny anaranao. 
  3. Tsindrio ny Fikirana
  4. Tsindrio ny Kaonty
  5. Tsindrio ny Hanova ho an’ny fizarana tianao hitondrana fanovana.
  6. Ampidiro ao amin’ny faritra mifanaraka amin’izany ny fampahalalana.
  7. Azonao ovaina ny tenimiafinao:
    1. Tsindrio ny Tianao hovaina ve ny tenimiafina?
    2. Ampidiro ny tenimiafinao ankehitriny.
    3. Ampidiro ny tenimiafinao vaovao.
    4. Hamafiso ny tenimiafinao vaovao. 
    5. Tsindrio ny Hitahiry.
  8. Tsindrio ny Hitahiry ireo fanovana. (Raha voatahiry ho azy ny fanovana, dia milaza hoe Voatahiry ny bokotra ary tsy afaka manindry izany ianao.)

Dingana (applicationho an’ny finday)

Ampiasao azafady ny tranonkalan’ny FamilySearch mba hanovana ny anaram-pamantarana, tenimiafina, anarana miseho, sy ny laharana maha-mpanampy anao. 

Dingana (Family Tree Lite)

Ampiasao azafady ny tranonkalan’ny FamilySearch mba hanovana ny anaram-pamantarana, tenimiafina, anarana miseho, sy ny laharana maha-mpanampy anao.

Hangataka fanampiana

Miresaha azafady amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch raha toa ka mila fanampiana ianao. Tadidio anefa fa mety haharitra 48 ora ny fiovana indraindray vao ho hita eo amin’ny efijery. 

Lahatsoratra mifandray

Hadinoko ny tenimiafina sy ny solon’anarako ho an’ny FamilySearch
Inona avy ireo fitsipika momba ny solon’anarana sy ny tenimiafina?

moduleTitle