Ahoana no fomba ahafahako mangataka kaody fanamarinana indray mba hampandehanana ny kaontiko FamilySearch?

Rehefa manokatra kaonty FamilySearch ianao dia afaka mampiasa ny laharan’ny findainao hanamarinana anao sy hampandehanana ny kaontinao. Ny FamilySearch dia mandefa hafatra an-tsoratra misy kaody fanamarinana ahitana tarehimarika miisa 6. Raha tsy maharay ilay kaody ianao dia hamarino ilay laharan’ny finday nampidirinao. Rehefa avy manitsy ilay laharana dia afaka mangataka kaody fanamarinana vaovao ianao.

Hamarino ny laharan’ny findainao

  1. Midira ao amin’ny FamilySesarch.org.
  2. Eo amin’ny zorony ambony havanana dia tsindrio ny anaranao, avy eo ny Fikirakirana.
  3. Hamarino ilay laharan’ny finday. Raha diso izany dia tsindrio ny Hanova, dia ataovy izay fanovana ilaina.
  4. Tsindrio ny Hitahiry

Handefa kaody fanamarinana indray

Raha diso ny laharan’ny findainao dia afaka mangataka hafatra an-tsoratra ho fanamarinana vaovao indray ianao mba hampandeha ny kaontinao. Manan-kery mandritra 20 minitra manomboka amin’ny fotoana nandefasana azy ilay kaody.

Raha afaka miditra ao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch.org ianao:

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch.org.
  2. Eo amin’ny zorony ambony havanana dia tsindrio ny anaranao, avy eo ny Fikirakirana.
  3. Eo ambanin’ny laharan’ny findainao dia tsindrio ny Hanamarina ity laharan-telefaonina ity.
  4. Rehefa maharay ny kaody vaovao ianao amin’ny findainao dia ampidiro ilay kaody fanamarinana vaovao ao amin’ny efajoro eo ambanin’ny “Ampidiro ny kaody fanamarinana”. Fanamarihana: Raha ilainao alefa indray ilay kaody dia tsindrio ny hoe Alefa indray ny kaody.
  5. Tsindrio ny Hanamarina.

Raha tsy afaka miditra ao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch.org ianao:

  1. Mifandraisa amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch.
  2. Tsy maintsy manamarina ny fampahalalana izay nampiasainao izahay mba hamoronana ny kaonty FamilySearch anao.
  3. Mandefa kaody fanamarinana misy tarehimarika 6 indray izahay mba hampandehanana ny kaonty FamilySearch anao.
  4. Mandehana ao amin’ny verify.fs.org.
  5. Ampidiro eo amin’ny faritra asiana ny kaody fanamarinana eo amin’ny efijery ilay kaody fanamarinana misy tarehimarika 6.
  6. Tsindrio ny Hitahiry.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hamoronako kaonty FamilySearch maimaim-poana?
Ahoana no fomba ahafahako mangataka email fanamarinana indray mba hampandehanana ny kaontiko FamilySearch?

Nanampy anao ve ity?