Ahoana no hanaovako tatitra momba ireo fanovana na olana nataon’ny mpandray anjara hafa?

Share

Ny tanjon’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia ny hampiray ny fianakaviana amin’ny famoronana hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny tetiarana izay loharano tsara indrindra eto an-tany azon’ny rehetra jerena. Mila fiaraha-miasa ny fanatratrarana ilay tanjona ka vokatr’izany dia miatrika tsy fetezan-javatra.

Rehefa mahita zavatra tsy mifanaraka ianao dia ataovy ao an-tsaina fa ny fahadisoana tsy nahy amin’ny daty, anarana, loharano, fifandraisana, ary ireo singa hafa dia tsy raisina ho fanararaotana. Mety hampiasa loharanon-kevitra hafa ny mpandray anjara hafa. Aza misalasala manao fanitsiana sy manome ny fampahalalana tsara loharano indrindra. Ireto misy zavatra azonao atao:

  • Miaraha miasa amin’ny mpandray anjara hafa hanitsiana ireo diso.
  • Ampiasao ny endrika “Fifampiresahana” mba hamoahana fampahalalana momba ny fikarohana amin’ny mpandray anjara hafa.
  • Ampiasao ny endrika “Fijerena” mba hampandrenesana rehefa misy fanovana natao tamin’ny firaketana iray.
  • Jereo ireo lahatsoratra mifandray eny ambany raha mila toromarika fanampiny amin’ny antsipiriany amin’ny fomba hanatanterahana ireo asa ireo. 

 Raha manana fanontaniana momba ny olana amin’ny firaketana ianao ka tsy voavahanao dia miresaha amin’ny Sampana misahana ny fanampiana an’ny FamilySearch.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hampiasako ilay endri-javatra fifampiresahana ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hanaovako tatitra momba ny fanararaotana, spam, fahatsiarovana tsy mety, ary votoatin-kevitra hafa?

Nanampy anao ve ity?