Ahoana no hanaovako tatitra momba ny fihoaram-pefy, zavatra manimba (spam), fisandohana, fahatsiarovana tsy araka ny tokony ho izy, ary votoatin-javatra hafa?

Share

Fomba fanaovana tatitra ny fihoaram-pefy na ny votoatin-javatra tsy mendrika izay hitanao ao amin’ny FamilySearch amin’ny endri-javatra Hitatitra Fihoaram-pefy.

Raha misy olona mandefa hafatra tsy ilaina aminao, dia azonao atao tsy mandray hafatra intsony avy amin’ ilay olona. Aorian’izay dia tsy ho hitanao intsony ny hafatra alefan’izy ireo. Jereo ireo fampahalalana ao amin’ny Lahatsoratra mifandray raha hijery ny antsipiriany.

Inona no azo raisina ho fihoaram-pefy?

Ny fihoaram-pefy amin’ity tranga ity dia faritana ho izay fitaovana tahirizina ao amin’ny FamilySearch izay raisina ho manafintohina na tsy mendrika, toy ireto manaraka ireto: 

  • Fiteny na votoatin-javatra manafintohina
  • Fampahalalana izay mety handratra na hanala baraka havana mbola velona.
  • Rohy mandeha amin’ny pejina tranonkala ivelany izay misy votoatiny tsy mendrika
  • Fangatahana avy amina orinasa na sampam-pikarohana
  • Herisetra
  • Fanambarana ara-pôlitika
  • Fanitsakitsahana ny zon’ny mpamorona

Tafiditra ao anatin’ny fihoaram-pefy ao amin’ny FamilySearch ihany koa ny famoahana tsodranon’ny patriarika na firaketana ôfisialin’ny tempoly ao amin’ny iray amin’ireto toerana ireto:

  • Fifampiresahana
  • Fanamarihana
  • Ireo fahatsiarovana
  • Tantaram-piainana fohy

Inona no tsy raisina ho fihoaram-pefy?

Ny fahadisoana na fanovana amin’ny firaketana dia tsy raisina ho fihoaram-pefy. Raha manana fanontaniana momba ny fahadisoana tsy nahy na fanahy iniana miaraka amin’ny fikasana ratsy ianao dia iangaviana mba hifandray amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch.

Ny fitsipika mifehy anay dia voafaritra ao amin’ny Fampahalalana mikasika ny zo sy ny fampiasana ny FamilySearch, izay hita eny ambanin’ny ankamaroan’ny pejy ao amin’ny FamilySearch.org.

Dingana (tranonkala)

  1. Mandehana amin’ny toerana iray ao amin’ny FamilySearch izay ahafahanao manao tatitra fihoaram-pefy:
    1. Fitaovana: Eo amin’ny pejin’ny Olona, jereo eo ambanin’ny Fitaovana ny rohy mankany amin’ny Hitatitra fihoaram-pefy.
      1. - Eo amin’ny pejin’ny Olona, safidio ny vakizoro Antsipiriany.
      2. - Eo amin’ny tsanganana ankavanana, dia midina eo amin’ny fizarana Fitaovana.
      3. - Eo amin’ny fizarana Fitaovana, tsindrio ny Hitatitra fihoaram-pefy.
    2. Fijerena fahatsiarovana: Eo amin’ny fijerena ny zavatra ao amin’ny fahatsiarovana, eo amin’ny zorony ambony havanana, tsindrio ireo teboka 3 ary avy eo dia tsindrio ny Hitatitra fihoaram-pefy.
    3. Resadresaka:Tsindrio ny anaran’ilay olona eo akaikin’ny resadresaka iray, dia tsindrio ny Hitatitra fihoaram-pefy.
  2. Fenoy ny fampahalalana ilaina, dia tsindrio ny Handefa. Mijanona ho tsiambaratelo ny tatitra rehetra.

Dingana (application mobile)

Afaka manao tatitra hafatra manafintohina izay voarainao ao amin’ny Resadresaka ao amin’ny FamilySearch ianao.

  1. Sokafy ny application Arbre familial ao amin’ny telefaoninao.
  2. Tsindrio ny sary famantarana ny safidy.
    • Amin’ny fitaovana Apple iOS iray, dia tsindrio ireo tsipika 3 mirazotra eo amin’ny zoro ambany ankavanana.
    • Amin’ny fitaovana Androïd, dia tsindrio ireo tsipika 3 mirazotra eo amin’ny zoro ambony ankavia.
  3. Tsindrio ny Resadresaka.
  4. Tsindrio ny resadresaka tianao hatao tatitra.
  5. Eo amin’ny zoro ambony ankavanan’ny varavarankely ho an’ny resadresaka izay mipoitra, dia tsindrio ilay teboka 3 mijidina, dia tsindrio avy eo ny Hitatitra fihoaram-pefy.
  6. Safidio ny karazana fihoaram-pefy.
  7. Hazavao ao amin’ny fizarana "Tatitra" ny olanao.
  8. Ampidiro ny email na ny laharan’ny telefaoninao. Tsy maintsy fenoina ny iray amin’ireo safidy roa ireo mba handefasana ilay tatitra.
  9. Tsindrio ny Handefa.

Ireo dingana (Family Tree Lite)

Ny Family Tree Lite dia tsy ahitana bokotra ho an’ny Hitatitra fihoaram-pefy. Na izany aza anefa dia afaka midina eo ambanin’ny pejy rehetra ianao ary manindry ny Fanamarihana sy fanampiana ary avy eo dia mandefasa hafatra aminay momba izay mety ho fihoaram-pefy.

Lahatsoratra mifandray amin’ireo

Inona no azo atao mba tsy handraisako hafatra intsony avy amina olona iray na hanakanana olona iray tsy hiresadresaka amiko?
Inona avy ireo fitsipika momba ny fifanakalozan-kevitra sy resadresaka?

Nanampy anao ve ity?