Ahoana no fomba hampidirako olona tsy mifandray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Afaka mampiditra olona izay tsy mifandray amin’ny fianakavianao ianao ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
 
Afaka mampiditra olona tsy mifandray izay mety manana rohim-pihavanana izay tsy afaka hamarininao ianao. Ohatra, afaka mampiditra olona mitovy anarana sy nipetraka tamin’ny toerana kely nipetrahan’ireo razambe fantatra ianao.

Torohevitra: Rehefa mampiditra olona tsy mifandray ianao dia manampy ny mandray ny laharam-pamantarana an’ilay firaketana vaovao na manaraka izany olona izany hojerena amin’ny hoavy.
Torohevitra: Raha hijery ny fandraisana anjara nataonao tao amin’ny tranonkala dia tsindrio ny Fandraisako anjara, avy eo ny Fanovana nataoko. Tsindrio ny Olona manokana raha hijery ireo olona velona tsy mifandray nampidirinao.

Dingana (tranonkala)

  1. Rehefa tafiditra ao amin’ny FamilySearch.org dia tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia safidio izay safidy ao amin’ny lisitra atolotra.
  2. Tsindrio ny Vao tsy ela eo amin’ny “barre de menu” izay miseho eo an-tampon’ny pejy.
  3. Eo ambany amin’ny lisitr’ireo vao tsy ela dia tsindrio ny Hampiditra olona tsy mifandray.
  4. Ampidiro ny fampahalalana momba ilay olona dia tsindrio ny Manaraka.
  5. Jereo ny vokatry ny fikarohana. Raha hitanao ilay olona tadiavina dia tsindrio ny Hijery olona.
  6. Raha tsy hitanao ao amin’ny valin’ny fikarohana ilay olona dia tsindrio ny Hamorona olona.

Dingana (application ho an’ny finday)

  1. Ao amin’ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday dia sokafy ny lisitry ny olona nojerenao vao tsy ela:
    • Android: Eo amin’ny zorony ambony havanana dia tsindrio ny sary famantarana izay toy ny olona 2.
    • Apple iOS: Eo amin’ny “barre d’outil” etsy ambany dia kitiho ny Vao tsy ela.
  2. Midina any ambanin’ilay lisitra. Raha lava ny lisitrao dia andraso hiseho tsara ireo singa ao amin’ny lisitra, dia manohiza midina hatrany.
  3. Kitiho ny Hampiditra olona tsy mifandray.
  4. Ampidiro ny fampahalalana momba ilay olona dia kitiho ny Manaraka.
  5. Jereo ny vokatry ny fikarohana. Raha hitanao ilay olona tadiavina dia kitiho ny Hampiditra olona.
  6. Raha tsy hitanao ao amin’ny valin’ny fikarohana ilay olona dia kitiho ny Hamorona vaovao.

Dingana (Family Tree Lite)

Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy misy ao amin’ny Family Tree Lite ny endrika fiasa “Hampiditra olona tsy mifandray”.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no ampidirako havana iray eo amin’ny rohim-pirazanana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hamerenako indray ireo firaketana voafafa tao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no ataoko raha te hamafa olona iray avy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana aho?
Ahoana no hanakambanako ho iray izay mety ho firaketana verin-droa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

moduleTitle