Ahoana no hamafàko fanazavana Saropady ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Afaka mamafa fanazavana saropady momba ny olona iray ianao, na dia tsy ianao aza no nampiditra azy tao.
Fa ny tsy azonao fafana fotsiny dia ny:

  • Anarana
  • Ny hoe Lahy sa vavy
  • Fanazavana momba ny nahafatesany (raha tsy hoe ovanao ho Mbola Velona aloha ilay olona)

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, tsindrio Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hovana ny mombamomba azy.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  5. Tadiavo eo ambanin’ilay hoe Fanazavana Saropady ny fanazavana tianao hofafana.
  6. Tsindrio ilay sary famantarana ny hoeHanova.
  7. Hamarino ireo fanazavana misy amin’izao sy izay mety ho fanambarana ny anton’ny fanovana.
  8. Jereo ny ankavian’ilay hoe hanova, ary tsindrio ny Hamafa. Raha tsy misy hoe Hamafa ny eo, dia midika izany fa manova ihany no azonao atao.
  9. Hazavao ny antony nanaovanao an’ilay fanovana.
  10. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ilay application Family Tree, ary tadiavo ny firaketan’ilay olona tianao hasiana fanovana.
  2. Tsindrio ny hoe Antsipiriany .
  3. Tsindrio ny hoe hamafa, eo ambanin’ilay hoe Fanazavana Saropady.
  4. Hamarino ireo fanazavana misy amin’izao sy izay mety ho fanambarana ny anton’ny fanovana.
  5. Tsindrio ny Hamafa. Raha tsy misy hoe Hamafa ny eo, dia midika izany fa manova ihany no azonao atao.
  6. Hazavao ny antony nanaovanao an’ilay fanovana.
  7. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Midira ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Tadiavo ny pejin’ilay olona tianao hovana ny mombamomba azy.
  3. Tsindrio ny hoe hamafa, eo ambanin’ilay hoe Fanazavana Saropady.
  4. Hamarino ireo fanazavana misy amin’izao sy izay mety ho fanambarana ny anton’ny fanovana.
  5. Tsindrio ny Hamafa. Raha tsy misy hoe Hamafa ny eo, dia midika izany fa manova ihany no azonao atao.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hampidirako tantaram-piainana, fanazavana Saropady ary fanazavana hafa ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hanovako fampahalalana saropady ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hamaritako ny zanaka nateraka, zana-bady, natsangana, ary zaza notezaina ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no ahitako ny fanazavana novana momba ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?