Ahoana no fomba fandrafetana anarana mba hialana amin’ny hadisoana "Mila fampahalalana bebe kokoa" rehefa mamandrika ôrdônansy?

Share

Mba hamandrihana ny anaran’ny razambe iray ho an’ny ôrdônansin’ny tempoly dia tsy maintsy maka antoka aloha ianao fa efa namboarina tsara ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny anarany. Raha tsy izany dia hahazo hafatra ianao izay milaza aminao fa ilaina ny hanomezana fanazavana fanampiny. Mety hampisavoritaka ny fandrafetana tsara ny anaran’ny razambenao, indrindra raha ampahany amin’ilay anarana ihany no fantatrao. Ianaro hoe inona no atao rehefa tsy fantatrao ny anarana feno. 

Ny tabilao etsy ambany dia manome ohatra amin’ny endrika anarana manan-kery sy tsy mety ho an’ny ôrdônansin’ny tempoly. 

Tabilao 1: Fantatrao ny anaran’ny lehilahy, fa ny anaran’ny vadiny dia tsy feno. 

FiantsoanaIreo fanampin’anaranaAnaranaMetyFanamarihana
 Amy EnyRehefa tsy fantatra sy tsy nofenoina ny anarany talohan’ny nanambadiany.
Rtoa*JeffFrazierEnyMety ilay anarana raha toa ka arahin’ny anaran’ny vadiny eo amin’ny saha mifanaraka amin’izany ilay fiantso hoe Rtoa.
ClarkEnyFantatra ny anarana nentin’ilay vehivavy talohan’ny nanambadiany, ary ny anarana fiantso dia tsy fantatra.
Mrs. Jeff FrazierTsiaSaratsaraho ilay anarana. Tsy azo ampiarahina ao anatina faritra iray ireo ampahan’anarana.
Mrs. Jeff FrazierTsia
Mrs. JeffFrazierTsia
Mrs.Jeff FrazierTsia
Mrs.Tsia
Mrs.Tsia
Mrs.FrazierTsia

*Ahitana ny Rtoa, Ramatoa, ary ireo mitovitovy amin’izany amin’ny fiteny rehetra.

Tabilao 2: Fantatrao ny anaran’ny iray amin’ireo ray aman-dreny, fa ny anaran’ny zanany vavy dia tsy feno. 

FiantsoanaIreo fanampin’anaranaAnaranaMetyFanamarihana
Ramatoakely*DonnaFrazierEnyMety miaraka amin’ny anarana fiantsoana hoe Ramatoakely ity
FrazierEnyRehefa tsy fantatra ilay fanampin’anarana dia aza asiana fiantso.
Ramatoakely DonnaFrazierTsiaSaratsaraho ilay anarana. Tsy afaka ampiarahina ao amin’ny saha iray ireo fizarazarana.
Ramatoakely FrazierTsia
Ramatoakely FrazierTsia
RamatoakelyFrazierTsiaTsy manan-kery ny anarana fiantsoana tsy misy fanampin’anarana.
RamatoakelyFrazierTsiaNy Ramatoakely dia tsy fanampin’anarana manan-kery.
RamatoakelyTsia

*Ahitana ny Ramatoakely ary ny mitovitovy amin’izany amin’ny fiteny rehetra.

Tabilao 3: Fantatrao ny anaran’ny iray amin’ireo ray aman-dreny, fa ny anaran’ny zanany lahy dia tsy feno. 

FiantsoanaIreo fanampin’anaranaAnaranaMetyFanamarihana
Andriamatoa*AndryFrazierEnyMety miaraka amin’ny anarana fiantsoana hoe Andriamatoa ity.
FrazierEnyRehefa tsy fantatra ilay fanampin’anarana dia aza asiana fiantso.
Ramose AndryFrazierTsiaSaratsaraho ilay anarana. Tsy afaka ampiarahina ao amin’ny saha iray ireo fizarazarana.
Andriamatoa FrazierTsia
Atoa. FrazierTsia
Atoa.FrazierTsiaTsy manan-kery ny anarana fiantsoana tsy misy fanampin’anarana.
AndriamatoaFrazierTsiaNy Andriamatoa dia tsy fanampin’anarana manan-kery.
Atoa.Tsia

*Ahitana ny Andriamatoa, Atoa., Atoa, ary ireo mitovitovy amin’izany amin’ny fiteny rehetra.

Fanamarihana: Tandremo sao manampy teny tsy anisan’ny tena anaran’ny olona iray ianao - teny toy ny "tsy manana anarana," "Neny," " Vady" na "Nenitoa". Izany koa dia hanakana anao tsy hamandrika ilay anarana ary hahatonga anao handray ilay hafatra mangataka fanazavana fanampiny. 

Raha manisy baraingo ianao fa tsy anaran’olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, dia mampiseho ny hoe "Mila fampahalalana bebe kokoa" ny ôrdônansiny. Tsy misy fanaovana ôrdônansy azo atao raha tsy hita sy nampidirina ny anarana.

Lahatsoratra mifandray

Inona ireo teny sy fanafohezana mahatonga ny hoe "Mila fampahalalana bebe kokoa" hiseho?
Ahoana no fomba tokony hampidirako anarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Midika inona ilay hoe "Mila fampahalalana bebe kokoa" ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?