Afaka mampiditra olona ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana ireo mpandray anjara ao amin’ny vondrona amin’ny alalan’ny fampidirana ray, reny, vady, na zanaka avy hatrany ao amin’ny rohim-pianakaviana na amin’ny alalan’ny fandikana olona avy amin’ny lisitry ny olona tsiambaratelon’izy ireo.
Ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana dia tsy mbola azo anaovana famindrana GEDCOM sy tsy azo ampiasana application avy amina antoko hafa, toy ny famindrana lahatahiry avy amin’ny Ancestry.com na vokatra toy ny RootsMagic, Legacy, na ny Ancestral Quest.
Ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny vondrona dia tokony hahafantatra sy hanaraka ny torolalana momba ny fitanana ny tsiambaratelo, ny fepetra mifehy ny fampiasana ny FamilySearch, ary ny fitsipika mifehy ny fitondrantenan’ny vondrona.
Ireo mpandray anjara dia manana andraikitra haka antoka fa manana ny zo sy ny fanomezan-dalana hizara fampahalalana ao amin’ny vondrona izy ireo, isan’izany ny mombamomba ny tena manokana an’ireo olona mbola velona.
Lahatsoratra mifandray amin’ireto
Ahoana no fomba hampidirako ray na reny ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampidirako vady na sakaiza ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hampidirako zanaka ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no handikako olona avy amin’ny hazon’ny tetiarako manokana ho ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray?