Ahoana no fomba ampifamadihan-toerana vady sy ray sy reny ao amin’ny fijerena ny Razambe voalohany ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Share

Ny vady na ray sy reny tiana haseho mazàna no apoitran’ny Rafi-tetiarana. Misy fomba iray ahafahana mametraka ny vady na ray sy reny tiana haseho ho tsy azo ovana, saingy ny fomba fampifamadihan-toerana mandritra ny fotoana voafetra an’ny vady sy ireo ray sy reny eo amin’ny fijerena ny rohim-pianakaviana an’ny Razambe voalohany ihany no asehon’ity lahatsoratra ity.

Fanamarihana: Raha toa ny rohim-pirazanana miloko mavo an’ny razambe voalohany ka mandalo amina vady maromaro na andiana ray sy reny dia tsy afaka mampifamadi-toerana azy ireo ianao raha tsy manova ny razambe voalohay.

Dingana

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Tetiarana.
  2. Hitady razambe iray manana vady maro sy andiana ray sy reny maro:
    • Mba hisafidianana andiana ray sy reny vaovao dia tadiavo ny andiana ray sy reny misy amin’izao izay tianao hampifamadihana ka tsindrio ity sary famantarana ity:
    • Mba hisafidianana vady vaovao, dia tadiavo ilay vady misy amin’izao izay tianao ampifamadihana ary tsindrio ito sary famantarana ito:
  3. Safidio ilay vady na andiana ray sy reny iray hafa Mety hanapaka ny fifandraisan’ilay razambe voalohany amin’ilay olona ifantohana izany, saingy azonao atao foana ny mamerina mampifamadika izany amin’ny alalan’ny fisafidianana io sary famantarana io ihany sy ny fisafidianana ny vady na ny ray sy reny teo aloha.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hampifamadihako ny toeran’ny ray na reny na vady mba hanovana ny rohim-pihavanana miseho ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?