Hazon-tetiaram-pianakaviana maimaim-poana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany
Ny FamilySearch dia manampy anao hifandray amin’ny lasa, ny akehitriny ary ny ho avy. Mamorona kaonty mba hanorenana hazon-tetiaram-pianakaviana sy hitadiavana rakitra tetiarana, ary hitehirizana mandrakizay ny tantaram-pianakavianao maimaipoana.

Tracing Your Chinese Roots
Explore the guide
Guangdong Village Finder
Start searching
1:59
Tohizo ny lovan’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fihazonana firaketana

Inona no atao hoe FamilySearch?
Ny FamilySearch dia fikambanana tsy mitady tombontsoa amin’ny fanolorana fanampiana maimaimpoana ho an’ny olona rehetra. Manampy olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao hahita ny fototry ny fianakaviany sy hifandray amin’ireo fianakaviany ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny tantaram-pianakaviana.
Ny tranomboky Shanghai sy ny FamilySearch dia nanomboka niara-niasa tany amin’ny fiafaran’ny taonjato farany ary ny fiarahantsika miombona antoka amin’ny fanangonana, fandaminana, fikarohana ary ny fanomezana asa mifandray amin’ny tetiaran’ny foko Sinoa (jiapu) dia naharitra mihoatra ny 20 taona. Mirakitra ny firazanana, ny isambatan’olona, ny taratasin’ny fianakaviana alavitra iray razambe ny boky momba ny tetiarana. Ampahany manan-danja amin’ny lova ara-kolotsain’ny zanakolombelona izy ireny sy fitaovana manan-danja amin’ny tetiarana, fikarohana akademika ary manorina filaminana ara-piarahamonina. Tena mifanaraka amin’ny fahatakaran’ny FamilySearch ny tetiarana izany.Zhou DemingMpanampy ny Talen’ny tranombokin’ny Shanghai teo aloha
Ny ekipa [The FamilySearch] dia nanao atrikasa antserasera tamin’ny alalan’ny Zoom ho an’ny Genealogy Society Singapore ny taona lasa, ka nampahafantatra ny rindrakajy FamilySearch sy ny angon-drakony lehibe. Ny fandraisan’izy ireo anjara mavitrika tao amin’ny vondron-kafatra dia manohana ireo mpikambana maro ao amin’ny GSS amin’ny fitadiavana ny fototry ny razambe an’izy ireo. Izany dia naneho ny fitiavana sy maha-matihanina an’ilay ekipa mahafinaritra.Lee Khong KeeProgram Development Director, Genealogy Society Singapore
Nahavelom-pankasitrahana ny fandraisana anjaran’ny Family Search tamin’ny fananganana ny microsite ny taona 2022 nandritry ny taom-baovao sinoa natao tao amin’ny foibe ara-kolotsaina sinoa ao Singapore.
Ny hazon’ny tetiaram-pianakaviako dia tsy mihoatra ny taranaka efatra, kanefa fantatro fa ireo havana sasany avy amin’ny andiany hafa any amin’ny tany hafa ao chine dia manana ny boky lehibe momba ny tetiarana (jiapu). Nodimandry ny raiko, ary tsy mahafantatra ireo havako any amin’ny tany hafa ihany koa aho ary tsy nisy fomba nahafahako nifandray tamin’izy ireo. Ny tapaky ny volana ôktôbra taona 2022 no nahitako fa manana endrika fikarohana vaovao ny Familysearch, noho izany dia nampiasa ilay fitaovana aho mba hanombohako ny fikarohako tamin’ny fampiasana ireo endri-tsoratry ny taranaky ny razambeko, ary avy eo nanaraka ny rohy mba ahitana ny anaran’ny raiko, ny raibeko, rain’ny raibeko. Nahatsapa ho toy ireny tao anatina karazana fihazana harena ireny aho. Tsy nahafantatra mihitsy aho hoe tena midadasika ny foko misy ahy—nameno boky maro ireo ny taranaka nanana endri-tsoratra mitovy—ka tsy maintsy nikaroka tamim-paharetana isaky ny pejy aho. Rehefa nikaroka nandritra ny roa andro aho, dia hitako ihany izany. Tsy hay faritana ny hafaliana tao am-poko. Tena harena sarobidy marina izany.Chang Pei-PeiMpampiasa ny Familysearch, Taiwan



